Fisolokiana amin'ny internet

1. essera ( 23/09/2005 08:55)
Mba mitandrema ihany isika, mitady asa sy ny sisa. Misy mpisoloky tena dadany be eto amin'ny tanana. Tamin'ny telo na efa-bolana lasa izay dia nisy Agence de recherche d'emploi ao Douala Cameroun ao nandefasanay vola 75 dollars mba hitadiavany asa ho anay.
Tsy misy fandefasana vola tonga dia mankany Cameroun avy eto Madagasikara ka nanontany azy izahay. Dia nalefanay tamin'ny alalan'ny havana mipetraka any France ilay vola nankany Douala. Tamin'ny voalohany dia ilay établissement mihitsy no nandefasana an'ilay vola dia novaliany tsara hoe diso io Adiresy io fa alefaso amin'ny Mme Pascaline Magne izay, comptable ao amin-dry zareo.
Natao soaman-tsara dia inona no tohiny hoy ianareo. Voarainy soaman-tsara ny vola rehetra, ary dia tsy nisy valiny intsony izao, nefa ao amin'ny fanazavan-dry zareo tena mampitelin-drora mihitsy, misy hoe raha tsy mazoto ianao dia hitanao afaka herintaona ny namanao lasa aiza, dia ianao eo ihany.

Asa any an-dafy mantsy izy io. Europafrica izay tadiavina raha mila hahafantatra kokoa ianareo, dia mba lazao izay solution ry reto fa ny tiako dia tena fongorina any mihitsy io établissement io.

Dia mba asio sira, sy siramamy kely ity resaka ity fa tena marina tsy vazivazy an.

Misaotra e
répondu par Naliy le 26/09/2005 21:13
2. bokona ( 23/09/2005 09:06)
Tena be de be io ato amin'ny internet fa za izao efa indroa no mahazo mail milaza fa nahazo tamin'ny loterie hono, de asainy mameno formulaire eo avy eo dia asainy mandefa vola handefasana ny dossier aty hono (fa za alo tsy nandefa eh) bandy avy any nigeria no tena malaza amin'io;
3. tropicalman ( 23/09/2005 09:21)
Ho an'ny REHETRA na aiza na aiza no misy anareo eto ambon'ny tany : RAHA VAO MISY OLONA MANGATAKA VOLA :evil:aminareo hoe OMEO ALOHA na AVANCEO dia TSY IZY zay , na loto , na asa ... Hadinoy .
4. fasaly ( 23/09/2005 09:36)
izaho indray raha vao resaka fandorantsahambola amy alalan'ny net de tsa manao mintsy ka!
ny fanomezana ny numero carte visa aza efa mampatahotra ihany rehefa mba te hi reserver zavatra iny enao kou indrindra fa hanome vola amin'ny lalan'ity net nety ity, be ny mpisoloky fa mba mailo ihany e! atao lesona ho amin'ny manaraka izany e!
5. zakony ( 23/09/2005 09:42)
Marina ny an'i Tropical, aza manao mihitsy raha misy MANGATAKA VOLA MIALOHA, fitaka daholo ny 99,99% amin'ireny
6. rurik ( 23/09/2005 09:56)
ka ny ahy ary nisy olona nilaza fa ny mamany hono vadina ministre de mine ka maty le dadany dia manana harena be ry zareo ka mila havoaka any @toerana misy azy io arena io ka raha manaiky hono aho dia hikarakara azy fa misy vola aloha aloha e hm fa tsy nitohizako intsony ilay resaka .
mitandrema fa dadany an sao miantoka arivo maty iray alina eo
7. Herimiafina ( 23/09/2005 17:11)
Tandremo mihintsy ry zareo fa zahay koa mantsy efa mba nanao ankety mikasika an'ireny fisolokiana amin'ny internet ireny.

Jereo anie e, fa raha managataka 30dollars fotsiny izy ka olona amanjatony no mamaly dia efa 3000dollara mahery no azony, ka raha arivo dia 30000dollara.

Ny olana dia afaka manamboatra page web daholo izao boto sy adala rehetra izao ary misoloky online.

Ireto avy no fitrangany araka ny valin'ny fikarohana natao:

1- Endrika voalohany: mangataka fiaraha-miasa momba na transfert de fond fa maty ny intitulé de compte de tsy misy mpandova. Tribu nigeriana iray izay no tena manao io karazana fisolokiana io ZIMBA raha tsy diso aho no anarany ary mitovy daholo ny endrika hanaovan-dry zareo izany, angatahany ny n°tél nao sy ny fax ary ny n°de compte dia antsoiny mihintsy ianao dia ohatr'ireny tena izy ireny. Asiany mandefa vola ianao avy eo hanaovana ilay transfert, dia voa ianao fa tsy mamaly tsony izy fa lasany any ny volanao.

2- Endrika faharoa: taratasy milaza manampy mitady asa sy bourse d'études. Normalement mody ataony hoe misy formulaire fenoina dia mandoa droit de raha mandoa ianao de zay no vita fa voafitaka. Marihina fa mangalatra ny page de garde ny institution iray tena mitady bourse tokoa ry zareo ireo.

3- Endrika fahatelo: Mangataka n°carte de crédit. Tandremo fa ny ankamaroan'ny site sy fanaovana achat en ligne dia hosoka fa tsy izy. Tadidio fa misy olona tafiditra amin'ny site tena izy dia lasany ny mombamomba ny carte nao rehetra dia hanaovany achat en ligne tena izy avy eo, ka aza gaga raha toa ka misy vola banga amin,ny carte-nao avy eo.

4- sns.

De izay ry zareo fa ny vaha-olana dia aza matokitoky afrikana fa matetika avy ao le izy (Nigeria, Cameroun, Kenya, Afrique du Sud, etc.) Ireo no ao amin'ny liste noire hatramin'izao.

Mahereza e.

8. maditra ( 23/09/2005 17:35)
Soa ihany ary fa mbola $75. Fa marina ny an'i herimiafina, raha mitambatambatra ireo dia vola be ny azy. hihi
9. essera ( 24/09/2005 05:11)
Dia mbola tohizako ihany ilay resaka. Tsy misy hevitra ve hanenjehana an'izy ireny fa ny voa foana no miha-mitombo andro aman'alina satria tsy vaotery ny olona rehetra ange no mahalala an'io zavatra io.

Ho an'ny mpahay informatique mantsy dia tokony ho fantatra ny adresse IP'n'ny fitaovana iaingany, marina fa mety tsy tena fiable ny vokany, raha rooter hafa no hidirany. Ary raha ohatra hoe mila pièces justificatives ny momba ny transfert mba hi-remonter any amin'ny fotony dia tokony ao ny rehetra momba izany nefa tsy hitanay izay atao hoe aiza no fomba hanenjehana an'ireo. Sandoka tanteraka izany na ny karatra ampiasan'ireo olona maka ny vola any amin'ny mpanao transfert.

Maninona moa raha mba manao fikarohana itony mpanamboatra virus informatique itony dia ireny site-ndry zalahy ireny mihitsy no cibler-na fa tsy ny an'ny olona tsy manan-tsiny rehetra mba te hifanerasera amin'ny olombelona tia fandrosoana e.

Dé ahoana ozy nareo ?
10. Herimiafina ( 24/09/2005 06:15)
Ao Etazonia dia efa misy centre fitsikilovana ireny site pirate ireny.

Fa ny tena mbola ataon-dry zareo amin'izao de ny resaka pédophilie na sary mamoafady mikasika ny zaza izay tena betsaka dia betsaka tokoa.

Répérer-ny reny tonga dia bloquer-ny dia erase dia vita.

Azo ampiarina amin'ny fisolokiana toy izao koa.

Saingy efa fetsy ireo mpanao izany ka somary sarotra ny mi-retracer azy.

Mila investissement be zany le izy no tena marina. Sady amin'izay kou mbola tsy jugée ho DEFCÖN 1 (na code rouge) le izy de mbola ao anaty agenda de mbola tsy misy deécision azo raisina satri miditra ao daholo na ny Interpol na le pays d'origine an'ireo mpisoloky.

Aza manahy fa efa hisy pression be atsy ho atsy fa efa be ny olona voan'izy io.
11. essera ( 24/09/2005 08:58)
Mba tokony hatao antso avo mihitsy ny fanaovana izao fa tena fisolokiana ho an'ny bado ;-) nefa mahay taratasy toa anay sy ilay namako.

Tena tsy mampmé a.

12. zakony ( 26/09/2005 09:55)
matetika ny payment amina carte de credit dia voaaron'ny banky, ka anontanio ny bankinao dia azavao aminy ny fandehanjavatra fa mety haveriny ny volanao
amin'ny hosoka en ligne aloha no couvert 100% fa ny ankoatr'izay no tsy haiko
13. Naliy ( 26/09/2005 21:13)
aza mamaly anireny mihitsy fa misy mpandefa virus be ireny dia tonga dia ny ordi nao manontolo no maty.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.34