filazana manjo

1. bimanoa ( 21/09/2005 04:33)
Amin'alahelo lehibe no ilazana amintsika fa ny namantsika iray eto amin' ny serasera " Niko " na " Marco " dia namoy ny rainy omaly talata 20 septembre 2005 maraina. Arak' izany dia miombona alahelo aminy sy ny fianakaviany ary mivavaka hoan' ny fanahin' ny Rainy isika ! Atao ahoana moa fa izao no fandaharan' ny ao ambony ka dia mahaiza mionona ianao Niko ary aza misosoka alahelo intsony ! Ho antsika namany na mahafantatra azy te-hamangy azy dia mba mifandray amiko fa ny razana toa hiala eto an-toerana ny zoma izao ary ny fonenany dia any Ankadindramamy. Misaotra mialoha !
2. loloniary ( 21/09/2005 04:53)
Mahereza, de mahaiza mionana.
Andriamanitra tsy mampitondra ny zavatra tsy zaka, apetraho @ny ny alahelo, ny tebiteby sy ahiahy,... fa hanamaivana izany izy sy hitondra fampaherezana ho anao sy ny fianakavianao.
3. fasaly ( 21/09/2005 05:38)
miaraka miombona alahelo amy fianakaviana sy ny namana akaiky rehetra de mahereza dooly.
4. Fanja1 ( 21/09/2005 06:08)
mahaiza mionona dia aza misosoka alahelo.
5. bichette ( 21/09/2005 06:24)
mahereza, fandalovana ny eto an-tany.
aza misosoka alahelo Niko a :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
6. Kotity ( 21/09/2005 06:24)
mamangy amin'ny fahoriana,atao ahoana moa fa izay no sitrak'Andriamanitra, dia mahaiza mionona
7. ari.malala ( 21/09/2005 06:35)
Mamagy @ fahoriana dia mirary fiononana tanteraka! dia aza misosoka alahelo intsony, ary dia ho lasan'izay ny ratsy rehetra ê!
8. mihanta ( 21/09/2005 06:40)
mamangy amin'ny fahoriana dia mahaiza mionona fa tombon dalana ny azy.
9. Sraun ( 21/09/2005 06:50)
Izao no voasoratra: miarà mifaly @zay faly ary miarà ory @zay ory ka hoy aho hoe mahereza fa miara miombona alahelo aminao zahay ry Niko dia aza misosok'alahelo tsony !
10. rurik ( 21/09/2005 07:01)
Mahaiza mionona fa tombondalana ny azy, ary mahereza fa varavarana nivohana ny anareo fa ny alahelo dia iarahatsika rehetra koa dia mahereza mahaiza mionona.
11. hery ( 21/09/2005 07:52)
Mirary fiononana tanteraka ho an'i Niko sy ny fianakaviany koa aho. Ento am-pinoana sy fanantenana hatrany.
Dia mba ento ho an'ny Fianakaviana manontolo anie Bimanoa ny teny fampiononan'ny namana eto amin'ny serasera. Indrindra ireo izay tsy afaka mandeha any.

Misaotra betsaka.
12. chipie1 ( 21/09/2005 08:08)
mirary fiononana feno dia mahereza
13. Samoana ( 21/09/2005 10:02)
Miara-mizaka aminao amim-bavaka izao fiainanao sembanin-drahona izao. Mankahery anao hatrany aty an-tany lavitra aty.
14. naritsimba ( 21/09/2005 11:14)
Dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana rehetra.
ho lasan'izay anie ny ratsy rehetra
15. vale ( 21/09/2005 13:56)
Mirary fiononana ho an'i Niko sy ny fianankaviany! Mahereza fa tombon-dalana ihany ny azy!Mahereza Tompoko!
vale.
16. angelastela ( 21/09/2005 14:07)
Dia miara miombon-kalahelo aminao izahay ry Niko fa mahereza,ary hoentintsika ambavaka ny fanahiny Rainao mba hiala sasatra eo ankavanany Ray.
17. jentilisa ( 21/09/2005 14:54)
Dia aza misosoka alahelo intsony tompoko.
18. sipagasy ( 23/09/2005 17:43)
mitary fiononana feho ho azy & ny fianakaviany e!
19. methode ( 03/10/2005 08:39)
Izao vao niditra tato ka dia mirary fiononana ho an'ny namana sy ny fianakaviana rehetra izany. enga anie ka ho lasan'izay ny lasa rehetra. Dia aza misosoka alahelo intsony!!!
20. yonikafopl ( 05/10/2005 15:52)
Na tara aza dia tsy maninn fa dia mirary fiononana feno ho an'i Niko sy ny fianakaviany:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0996