Politika mametaveta Kristianisma

1. LazaRandri ( 20/09/2005 02:41)
Mifanaraka ve ny politika (fitondrana) sy ny finoana Kristianina? Ahoana ny mety hampifanaraka azy?

"Hanompo" firenena sa hanompo an'Andriamanitra?
Hitady sy omem-boninahitra sa hanome voninahitra an'Andriamanitra?
Handoka tena ho fidiam-bahoaka sa hanetry tena ho an'Andriamanitra?
Ho mpanjakan'izao tontolo izao sa hikatsaka ny fanjakan'ny lanitra?
novalian'i bozimanga ny 20/10/2005 12:07
2. pika ( 20/09/2005 07:18)
samy olaina ireo leroa na ho an'ny fanahy na ho an'ny vatana fa dia ianao no mandanjalanja
3. deghany ( 20/09/2005 15:47)
aiza kosa moa no de we mametaveta e!!
somary enjana iany le teny io klé!! hehehe
4. LazaRandri ( 21/09/2005 02:45)
Raha izay kosa no mahalaza azy ve dia ho tsiniko ry deghany?
5. jentilisa ( 21/09/2005 09:02)
Ny skoto dia nanao fanekena sady hanompo an'Andriamanitra no hiasa ho an'ny tanindrazana. Fametavetana ve no ataony? dia ahoana izany ireny skoto kely be dia be ireny?
ny miaramila dia natao hiaro ny tanindrazana ary manao izany amin'ny fomba rehetra! tsy mahazo manompo an'Andriamanitra ve ireo miaramila rehetra ireo? Fametavetana ve izany?

Ny fahavononana hiasa sy hanasoa ny mpiara-belona aminy ve dia mifandaka amin'ny fanetre-tena hanompo an'Andriamanitra? olona tsy miasa izany no tsy mametaveta an'Andriamanitra? nefa hoy ny voasoratra: izay tsy miasa aleo izy tsy hihinana...raha mandainga izy dia azy sy Andriamanitra izany fa ny hoe fametavetana kosa dia tafahoatra loatra!
6. papala ( 21/09/2005 10:18)
Ny zavaboahary rehetra dia an'Andriamanitra daholo na an'i Zay Nahary an'izao tontolo izao, na ny ATIDOHA IZAY NATAO HISAINANA @ fanaovana politika aza dia izy no MAMPISAINA azy. Ka tsy tsara ve raha mivavaka no sady manao politika?
7. deghany ( 21/09/2005 10:32)
LazaRandri:

Raha izay kosa no mahalaza azy ve dia ho tsiniko ry deghany?


tsy aiko alou e!! heheh

8. johns ( 21/09/2005 14:10)
Na i Jesosy aza anie nilaza hoe
Aleo ho an'i cesar izay an'i cesar eh, fa ho an'Andriamanitra kosa izay an'Andriamanitra
9. Herimiafina ( 21/09/2005 14:44)
johns:

Na i Jesosy aza anie nilaza hoe
Aleo ho an'i cesar izay an'i cesar eh, fa ho an'Andriamanitra kosa izay an'Andriamanitra



Ny dikan'io amiko dia hoe : ''Ny fivavahana tsy natao hialokalofana tsy handovana hetra'' ary araho ny lalanan'ny firenena misy anao. Un bon croyant est un bon citoyen.
10. LazaRandri ( 22/09/2005 00:29)
Jentilisa> mitady sy omem-boninahitra ve ny skoto? mandoka tena ve ry zareo ka mitady izay fomba ifidianan'ny olona azy?
"Dia hoy Jesoa tamin' ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy" Matio 16:24

papala:
Ka tsy tsara ve raha mivavaka no sady manao politika?
misabaka izany ary mety ho tsara mihitsy amin'ny fijery politika, saingy ratsy tanteraka amin'ny fijery Kristianina.
11. LazaRandri ( 22/09/2005 00:32)
Herimiafina:

Ny dikan'io amiko dia hoe : ''Ny fivavahana tsy natao hialokalofana tsy handovana hetra'' ary araho ny lalanan'ny firenena misy anao. Un bon croyant est un bon citoyen.

Ny fivavahana tsy natao hialokalofan'ny politika (na mpitondra na mpanohitra)

12. scorpion ( 01/10/2005 19:28)
Dia iza no hitondra ny firenena raha tsy misy mpanao politika? Aza dia borné e!
13. LazaRandri ( 01/10/2005 21:04)
scorpion:

Dia iza no hitondra ny firenena raha tsy misy mpanao politika? Aza dia borné e!
Iza no ho vonjena raha samy tsy misy mpanota intsony isika? :)

Fa izao Sonwin a, rehefa eo ilay lanitra vaovao sy tany vaovao inoako fa tsy misy mpanao politika intsony...fa na fitomaniana sy fikatroha-nify, na fiainana mandrakizay no iainantsika.:)

Tsy maninona fa ataovy hoe borné aho na tery saina aza e! :) Aleo lavitra tery saina amin'i Kristy toy izay misokatra amin'izao faharatsiana sy zavatra tsy mendrika rehetra izao :)



14. sonwin ( 01/10/2005 21:52)
fa misy idirako angaha ity resaka ty8O
15. mamzelkely ( 03/10/2005 13:19)
:-D
16. LazaRandri ( 03/10/2005 13:23)
17. routa ( 04/10/2005 12:00)
ary raha ohatra ka olona mataotra an'Andriamanitra le mpitondra de mpivavaka be de tsy mety ve ?
18. LazaRandri ( 04/10/2005 23:55)
Routa,
Diniho anie ny endri-pitondrana ankafizintsika e! :) Fanandratan-tena be tsy misy ohatr'izany rehefa fotoanan'ny fampielezan-kevitra :)

Asa aloha fa amiko tsy mifanipaka ny "fanjakan'izao tontolo izao" sy ny "fanjakan'ny lanitra" e!
19. LazaRandri ( 05/10/2005 05:00)
FANITSIANA:
Asa aloha fa amiko DIA mifanipaka ny "fanjakan'izao tontolo izao" sy ny "fanjakan'ny lanitra" e!
20. estine ( 05/10/2005 07:57)
anga moa jesosy tsy nilaza hoe tsy hanala anareo eto@'zao tontolo izao aho hoy izy fa ny hampiavaka anareo @zao tontolo izao " zany woe ny christiana izany afaka manao politika fa le fametavetana aloa tsy mazava ry laza randri raha art de monsonge ny politika fametavetana tanteraka ary tsy ilaozan'izay tsy hiaina @lainga ra manao politika,rehefa manohitra ny na manakana ny fitondrana ny olona 1 na vondron'olona kristiana na iza @politika de gadraina na tonga de kopé zôzô .jereo ani e! fitaovana politika izao ny fivavahana eto @tsika .marina aloha fa ny fivavahana oh ny kristiana dia manome ohatra tsara eo @fahaiza miaina ,satria votaiza ara moraly tsara kane tokoa ny mpanao politika dia manararaotra io fahendren'ny kristiana io ka eo angah hoy aho no miseho 'lay fametaveta fa politisiana vitsivitsy kosa angamba no voakasikio e..;;^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0898