mahantra ve i Madagasikara?

1. LazaRandri ( 17/09/2005 03:29)
Raha toe-tsaina sy fiaraha-monina dia mahantra i Madagasikara. Tsy misy fifanampiana, tsy misy manaja ny fananana iombonana. Ny manam-pahefana manararaotra manangona am-paosy, ny vahoaka tsy miraharaha, ary ny mpanohitra mandrava. Teny filamatra: Angaha misy handova an'io?

Ara-panahy dia anaty haizim-pito tanteraka i Madagasikara ary tena mpihatsaravelatsihy.

Ara-toekarena: mahantra ny ankabeazan'ny mponina. Ny 3% anefa dia manankarena noho ireo mpanankarena any amin'ny firenena mandroso.
2. tsangana ( 18/09/2005 19:03)
Ny tena fahantrana mianjady ankehitriny dia ny fahantrana ara-hevitra.
Ny fiandrasana lava mana latsaka avy any an-danitra ,na avy any amin'ny fanjakana, na avy amin'ny vahiny ,no mahatonga antsika hahantra.
Rehefa mahatsapa ny gasy fa tokony hitsangana irery ary tsy mila tantanana ; rehefa mahalala inona no tanjona kendreny , dia angamba mety hisy fihatsarana ny toe-javatra.
3. Herimiafina ( 21/09/2005 15:18)
Tena malahelo aho mialza aminareo fa mahantra tokoa i Madagasikara ary tsy eo amin'ny lafiny ara-économique ihany izany fa eo amin'ny lafiny ara-tsosialy ihany koa.

Misy izay ilaina rehetra fotsiny any no mampiavaka azy amin'ny firenena hafa.

Tsy haintsika anefa no nitrandraka ireo harena natoraly ka dia azo hatao hoe mahatra ihany isika na mangetaheta ambony lakana.
4. jajaf401 ( 26/09/2005 10:57)
tsy vitany mahantra fa sady tsy mbola mandroso no any @ moins avancé mihintsy eh! :-D
5. maintsokely ( 30/09/2005 17:03)
Miala tsiny amin'ny amin'izay mety ho voatohina amin'ity zavatra lazaiko ity.
Ny fahitako ny tena isan'ny fahantran'ny malagasy dia "ory hava-manana ny malagasy" tsy haiko hoe avy aiza no nihavian'io toe-tsaina io fa izay aloha no tsapako ary taty an-tany lavitra aho vao nahatsapa azy.

Voalohany aloha momba ny malagasy aty an-dafy. Ny mahagaga be ny mpialona (ataontsika hoe aty izany mitovitovy daholo ny fari-pianinan'ny gasy. Raha vao misy kely fotsiny mba plus amin'ny hafa dia misy mpialona.Izaho aloha dia victime an'io.

Faharoa ny any madagasikara. Tsy vitsy angamba ny tantara hoe raha vao misy fiara milay be na trano tsasa dia misy migafy. Ny toe-tsaina entina amin'izany dia hoe "ahoana ialahy no manana nefa izahay tsy manana". Tsy resahina intsony ny fandtrobana isan-karazany.
Ahoana ny hevitrareo?

6. totia ( 01/10/2005 14:55)

:x
tena ohatran'ny diso manome tsiny ny gasy fahatany kosa nareo e! nefa ve mba samy gasy izao ihany!
Ilay izy anie normal e! Rehefa tsy mahita hoanina ny olona dia inn no raharahiny izay hevitra fampandrosoana any? Dia tsy maintsy maintsy mi-révolte izy rehefa mahita ny manodidina manan-karena amin'ny tsy rariny.
Ilay izy toa izay mahitahita ihany no tafita koa! Rehefa mba manao ny tsara dia tavela eo!
Amiko dia tsy ny gasy akory no tsy te-handroso (tsy adala izy akory) afa efa résigné ny olona. Ny fanjanahan-tany no nanimba antsika e! Avy eo moa ny mpitondra tsy azo ianteherana akory. Ny système mihitsy amiko no mila ovàna.
Fa aleho koa isika tsy manana toe-tsaina manome tsiny fahantany fa mba tsy fidiny anie e!
7. Herimiafina ( 05/10/2005 14:56)
Indrisy mantsy ry havana malala isany fa rehefa nojerena tsara dia mahantra i Madagascar satria be zara vilana any amin'ny tanana any, mihena ny possibilité de survie sy d'épanouissement.

Misy zavatra takatrao taloha tsy takatrao intsony ankehitriny, eeeee. Mahonena.
8. tsangana ( 05/10/2005 20:40)
Misy antokon'olona izay mahita tombo-tsoa amin'ny fahantran'ny vahoaka.Ireo olona ireo dia eo foana n'inona n'inona miseho!
9. LazaRandri ( 05/10/2005 23:16)
tsangana:

Misy antokon'olona izay mahita tombo-tsoa amin'ny fahantran'ny vahoaka.Ireo olona ireo dia eo foana n'inona n'inona miseho!
iza izany ry tsangana?


10. tsangana ( 06/10/2005 17:26)
jerijereo eo amin'ny manodidina anao, dia hohitanao iza moa ireo olona ireo.Mba tsy hanaovako resaka politika dia izao no lazaiko : ny mpanao politika dia saribakoly eo am-pelatanan'ireo olona ireo,azy daholo ny fahefana,ny harena,sns..sns...na iza na iza miakatra eo izy ireo dia eo foana.
11. maintsokely ( 07/10/2005 12:38)
Raisiko kely ilay hevitry Tsangana tery ambony. marina ny anao fa ny fiandrasana mana milatsaka avy any an-danitra no isan'ny tsy mampandroso an'i Madagasikara.
Ny ahy no fijeriko dia izay mety ho gasy aty ampitandranomasina no afaka manova ny toe-tsaina ary mba mamorona asa any an-tanana.
Ny antony dia izao, manana recul kokoa ny aty satria tsy miaina loatra amin'ny zavatra misy marina any.
Koa raha ohatra ka manao investissement any dia tsy mila vola be dia be nefa mety tonga dia mety (1euro =12600 fmg).

Ny olana aloha dia mila olona matoky e!
12. cutie ( 12/10/2005 18:45)
ary ahona le nahitana "oil" ao Madagasikara , mety mba hisy fiaitraikany eo @ toe-karena malagasy ve io ???
13. sipagasy ( 14/10/2005 20:00)
mmhhhh misy ny "oil" fa ny tombony ho azo avy eo dia ho an'olom-bitsy ihany e! mbola ho ela vao hisy izany fizarana tombony ho an'ny vahoaka izany, tena mbola ho ela tokoa, mila faharetana e!!!
14. Herimiafina ( 16/10/2005 13:36)
Eeeeeh, ny fahantrana de jereo tsara fa:

Mihamihitatra ny fahasamihafana eo amin'ny tandrenivohitra sy ny tambanivohitra.

Inn ny antony hoy enao?

Ireny projet sy politika rehetra niasa tao ireny dia fitsimbinana ny avy any andrenivohitra fotsiny ary fanapotehana ny avy any ambanivohitra.

Ireny chiffre sy indicatera bedabe ampiasaina amin,ny politika ekonomika ireny dia chiffre avy any amin'ireo revivohitra isankarazany ao Dago fa tsy mampiseho ny tena izy any ambanivohitra.

Ohatra vary: mamokatra vary ny tambanivohitra de nefa matin'ny importation izany satria ilaina ny vary mba ho mora ary mba tsy himenomenona ny ao andrenivohitra.

Fiarovan'ny mpitondra ny seza de manao ze sitrampon'ny tandrenivohitra e. Nareo ao Antananarivo ao ihany anie no tena tompon'ny zavatra rehetra mandeha ao e, saingy Madagasikara tsy Tanananarivo renivohitra fotsiny, eeeeeh.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2533