mety ve ny itenenana ny fanjakana hoe ray aman-dreny?
1. jentilisa
(
16/09/2005 15:51)
Ady hevitra tao amin'ny TVPlusMadagascar io. Tsy holazaiko ny fandehany fa isika aloha no miady hevitra. Mety ve ny iantsona ny fanjakana hoe ray aman-dreny amin'izao fotoana iainantsika izao?
novalian'i jentilisa ny 18/10/2005 13:05
4. jentilisa
(
17/09/2005 06:47)
Ny anton'izay manko dia ny nametrahana ny adi-hevira hoe: ny nametrahana ny fanjakana na ny mpitondra fanjakana no mahatonga ny vahoaka ho miandry fotsiny...lasa namotika ny fisainana...
5. pika
(
17/09/2005 07:16)
raha tena izany marina anie tsy hoe miandry fotsiny ny vahoaka fa raha tena RAD izy tsy mahazaka ny mijery ny zanany tsy hananna fandriampahalemana, noana,tsy afaka mianatra, tsy voatsabo tasra,...
mitady vahaholana fa tsy mikabary ambobny latabatra fotsiny hoe oh tokony hijanona 200 ar ny frais ... nefa inona no mba ataony????? hezahina ny hanafoana ny olo-dratsy nefa ny jiro izao mbola misy délestage 12h/jrs oh any Antsiranana?????

6. jentilisa
(
17/09/2005 07:41)
Eo indrindra isika! heverintsika fa ray aman-dreny izy dia andrasana avy aminy avokoa ny zava-drehetra! isika dia mahafantatra fa tsy hoe manao vola izy dia afaka mamorona araka izay tiany. Tsy afa-miodina ny raharaham-panjakana raha tsy eo ny vola ampandehanana azy. Iza no miantoka ny vola? Voal avy amintsika vahoanka ihany io! ny hetra aloantsika! inoa anefa ny zava-misy? 10%n'ny mponina ihany no mandoa hetra! izany hoe izay ihany no mandray ny andraikiny ara-dalàna! tsy mivandravandra be ve raha hisy raharaha ho vanona? sa hanantena fahagagana fotsiny amin'izao?
7. pika
(
19/09/2005 09:40)
fa ireo hetrantrano kely ireo ihany ve no mba miditra aleo :-D:-D fa nankaiza ny azo @ orin'asa, ny entambarotra, ny solika, ny fitanterana,.....manginy fotsiny ny vola aloha any @ fokontany, ny firaisana,.....fa na io karamanao io aza mbola misy ho an'ny fanjakana
rehefa tsy vitany dia asavo miala e toy izay mibodo toerana tsy hanao n'inoninona :-D:-D
aiza daholo ireo toky teo ambony vavahady????????
rehefa tsy vitany dia asavo miala e toy izay mibodo toerana tsy hanao n'inoninona :-D:-D
aiza daholo ireo toky teo ambony vavahady????????
8. mandrindra
(
19/09/2005 13:37)
Tsy mety amiko ny hilazana ny hoe RAR ny fanjakana.
Ny RAR dia mananatra, ny fanjakana kosa dia manasazy.
Ny RAR dia manabe sy mampianatra, ny fanjakana kosa dia mametraka fotsiny ny fenitra tokony arahina.
Ny RAR dia mananatra, ny fanjakana kosa dia manasazy.
Ny RAR dia manabe sy mampianatra, ny fanjakana kosa dia mametraka fotsiny ny fenitra tokony arahina.
11. Herimiafina
(
21/09/2005 19:02)
Ary iza no managadra ireo izay manao ny tsy mety, iza no antsoina raha misy mpangalatra mitady hiditra ao antrano amin'ny alina, iza no hatonina rehefa andeha hivoaka ny tanindrazana, iza no iresahana rehefa misy olana ara-tsosialy, iza no atonina rehefa tsy manaja ny zon'ny mpiasa ny mpampiasa?
12. fijo
(
23/09/2005 20:21)
le olana anie,araka ny fahiotako azy dia izao e.
tsy mitovy ny fandraisan'vahoaka le resaka nataon'ny fanjakana,ka nahatonga azy hiandry fotsiny.
le filazana hoe "minoa fotsiny"dia noraisin'ny olona hoe miandry fa hoavy hoazy ny fandrosoana sy ny filaminana.dia ny vahoaka koa,mihevitra matetika,fa rehefa misy olana dia ny fanesorana ny mpitondra no mahavaha ny olana.(io mbola tiana atao izao io ohatra)tsy izay anefa no tokony ho izy,fa ny fiaraha mientan'ny mpitondra sy ny vahoaka.

13. mandrindra
(
26/09/2005 08:22)
ka io voalazan'i fijo io no tsy maha RAR ny fanjakana. Ny fanjakana azo aongana fa ny RAR na mifamaly aza tsy very ny tsy ho RAR mandrakizay.
14. jentilisa
(
18/10/2005 13:05)
Tamin'ny faha-mpanjaka tokoa ny fanjakana no nantsoina hoe RAR fa tsy mety intsony angamba amin'izao vanin'andro izao. Sa Ahoana? Jereo any amin'ny tany mandroso. Na ny fanjakana any aza tsy mihetsika raha tsy ny vahoaka mihitsy no manaitra sy manery.