fivavahana sy politika

1. jentilisa ( 12/09/2005 08:23)
araka ny hevitrareo, mifampiditra loatra ve ny politika ny ny fivavahana eto Madagasikara?
novalian'i jentilisa ny 15/09/2005 08:03
2. pika ( 12/09/2005 09:36)
60% mifampiditra
raha ny tokony ho izy mpanelanelana ny fiangonana
nefa jereo fotsiny oh t@ girevy fa tsy misy hafa tsy resaka politika ny toriteny tany ampiangonana
nefa indrisy :°)
3. mandrindra ( 12/09/2005 09:40)
mifampiditra sy mifanaraka ireo satria samy mpandrebireby saimbahoaka daholo ny olona manao ireo zavatra roa ireo.
4. jentilisa ( 12/09/2005 13:58)
mpandrebireby saim-bahoaka ahoana indray ary?
fa taiza no nisy izany toriteny politika izany fotsiny ry pika?
5. pika ( 12/09/2005 14:14)
pasitera sy mompera no nanao izany ry jentilisa
nefa na izany aza olombelona ireny tsy ireny no hivavahana a Atra


6. mandrindra ( 12/09/2005 15:13)
na mpanao politika na mpitondra fivavahana dia samy mpandrebireby saimbahoaka. ny mpanao politika moa dia efa tsy mahagaga satria ny wawawa fotsiny betsaka, mody manome teny mamy dia mifampilako tampoka avy eo. ny amin'ny fiainampiangonana koa dia ohatrizay ihany mifaninana ny hilatsaka ho diakona, ho lehiben'ny fiangonana sns ary tsy menatra ny hifamingana mihitsy ahatongavana amin'izany. Ny mpitondra fivavahana ve mba manana tanjona iray hoy ianareo na protesta na katolika ireo mopera sy pastera dia samy mikendry fiangonana na eglizy tsara kokoa avy eo dia miakatra tsikelikely. Izany rehetra izany dia mody hoe asan'andriamanitra nefa fitadiavana seza. Noho izany amiko dia sahala ireo ol ireo.
7. Herimiafina ( 12/09/2005 21:20)
jentilisa:

araka ny hevitrareo, mifampiditra loatra ve ny politika ny ny fivavahana eto Madagasikara?


Noho ny Politika International ankehitriny izay tsy maintsy arahan'ny mpitondra malagasy, dia ny Fiangoanana dia mi-représenter Institution politika iray tsy azo atao ambanin-javatra eo amin'ny fandrosoana.
Ary dia efa miezaka ankehitriny ny Fanjakana hihevitra ny impliquer-na ny Eglizy eo amin'ny fandrosoana.
Resaka science politique ilay izy fa tsy resaka politika tout courts (antoko politika).
Ny olana anefa dia ny laicité sy ny multiculturalisme.
8. nanourand ( 13/09/2005 00:39)
Tsia!
:/
9. nanourand ( 13/09/2005 00:39)
Tsia!
:/
10. jentilisa ( 13/09/2005 15:23)
Ny laisite indray aloha dia hevitra lalàna frantsay nanejika ny fivavahana tamin'ny androny saingy miothy hatraty...izao ka na miditra fiangonana aza ny mpitondra dia efa olana ho an'ny sasany any frantsa any.
Raha ny hoe fandrebirebena indray dia tsyhisy tombotsoa ho azo avy ao ampiangonana izany. Adidy mandreraka aza io raha mitetateta ao tsy resy lahatra akory.
11. mandrindra ( 13/09/2005 15:29)
izany ve ry jentilisa, tsy misy tombotsoa azo avy ao ampiangonana, efa naheno mpitondra fivavahana nitaraina mahantra ve i jentilisa ? Inona ny organisation managona vola be indrindra erantany ?
12. Herimiafina ( 14/09/2005 01:40)
Ka izay indrindra, ny fivavahana, ny fiangonana dia karazana groupe de pression, lobbies, etc....
Toy ny greenpeace, ny fikambanana'ny orinasa, etc.
13. cristal ( 14/09/2005 12:36)
:-DLasa lavitra ny anao ry Herimiafina a!Ny fivavahana dia natao ho fanantenana fa ny ataon'ny mpivavaka dia ny mivavaka ny asan'ny mpanao politika io araka ny zava misy eo @ firenena iray raha mandala ny Kapitalista izy dia ny mpitondra fivavahana no tena atahorany voalohany,de manaova toy ny katolika e!Refa mivavaka de mba mivavaka hoany hafa;ny mpiara-monina,ny fianngonana,ny firenena,sns...Tsy ho afaka misaraka ireo na rahoviana na raoviana e!Ny tena izy anie raha ny mpino rehetra no atao tomponandraikitra any @ faritra misy azy de zay vao tena handroso ny firenena iray!Fa tsy manao ny mokondoan'ny Bush fotsiny an!
14. Herimiafina ( 14/09/2005 20:49)
Tsy dia any loatra ho aho no tiako hiavina. Tsy mampitovy ny fiangonana amin'ny TIM na Monima na Arema, na leader Fanilo ny tenako fa mampitovy azy amin'ny ACTEUR POLITIQUE na groupe de Pression iray.

Ny an'ny Katolika dia misy ONG hoe CARITAS, CRS, sns, ny an'ny Protestanta misy ny SAF FJKM, etc, ny an'Ny advantista misy ny ADRA, sns.

Ary tompon'ny vola daholo ireo, ka dia efa manana adidy amin'ny fampandrosoana izany ny fiangonana.

Fa tsy any amin'ny propagandy tsy akory no tokony hidirany fa ny fitaizana ny olona toy ny any ampianarana mba hanana esprit de solidarité sy ny vertu izay efa mitady ho very rehetra.
15. jentilisa ( 15/09/2005 08:03)
mandrindra:

izany ve ry jentilisa, tsy misy tombotsoa azo avy ao ampiangonana, efa naheno mpitondra fivavahana nitaraina mahantra ve i jentilisa ? Inona ny organisation managona vola be indrindra erantany ?

Tena be dia be tokoa, indrindra fa any amin'ny protestanta izay misy ahy. Tena kely loatra aza ny karamany fa mitovy amin'ny karaman'ny mpiandry tanàna ny an'ny ankamaroany. Ny an-tanan-dehibe no mahazo fanampiana avy amin'ny olona hatrany na raki-pisaorana ka dia toy ny hoe velombelona no fahitanao azy. Eto antanananrivo ary aho dia efa mahita fa lazaiko anao. Kiraro mitolilalila...mba voahosotra cirage tsara ihany. Fa na dia mahantra ara-bola aza izy ireny tsy kivin'izany satria efa noraisiny ho andraikitra ny asany.
Raha ny hoe organisation manangona vola be indrindra eran-tany indray dia tsoriko fa tsy fantatro...toa ny casino aloha e! sa...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1593