Mahaiza mankasitraka ny tenanao.

1. Herimiafina ( 09/09/2005 03:58)
Maro ny olona mipetrapetraka miafinafina, nefa manana traikefa varatra be azo zaraina, manana compétence favy be ary manana toetsaina mampandroso.

Miafinafina izy ireny satria matahotra ireo tsikera isankarazany hoe mi-zesta, mi-style, miseho milay, mila 19, sns.

Rehefa mba misy kofboay mba manana hevitra favy be tsinona dia ialonana dia kianina dia tsikeraina dia tsy sahy mikaozy intsony ilay bandy avy eo dia entiny milevina miaraka aminy any ireo fika favy be.

Hany ka nanjavona tsy misy olona manana hevitra favy be intsony teto ambonin'ny tany afa-tsy ireo izay sahy maty ihany.

Koa ny hafatra dia tsy aleo ve mba haseho ny traikefa mba hianarana sy zaraina aminay madinika.
2. pika ( 09/09/2005 04:41)
mbola vitsy ny oul sahy mijoro @ heviny fa mpanarandrenirano any ambadika any vao mingoningonina
ao koa ireo mba te hanao zavatra fa mbola complexé sns
koa sahia e manana personnalité ary raha misy tianao ambara dia lazao, matokisa tena, fa any aminao tokoa no mety misy hevitra mahasoa:wink:
3. fijo ( 09/09/2005 04:47)
sao voatsindron'ny pique eo kosa ko:lol::lol::lol:
4. mandrindra ( 09/09/2005 09:32)
ka maninona moa raha i herimiafina no manomboka izany eto. mba zarao ny fahalalanao manokana amin'ny zavtra iray ohatra.
5. jentilisa ( 09/09/2005 09:34)
Ny manindry avelao hanindry fa rehefa manan-kevitra avoahy foana. Raha tonga ny valinteny dia hoe izay ialahy ve? dia fantatra avy hatrany fa tsy ratsy ny hevitra. Raha misy tsikera momba ny hevitra dia anjaranao ny mandray azy sy manatsara ny hevitrao. Izay ihany aloha no hitako e! ambarako ny ahy aloha rehefa tsy mety ve tsy hisy hiteny eo ihany?
6. pika ( 09/09/2005 09:51)
efa nahatsiaro voatsindrona nga i fijo :P
7. Herimiafina ( 09/09/2005 13:41)
mandrindra:

ka maninona moa raha i herimiafina no manomboka izany eto. mba zarao ny fahalalanao manokana amin'ny zavtra iray ohatra.


Herimiafina izao raha mahay mekanika dia afaka manoro hevitra amin'izay manana olana ara-mekanika, namekanika na inona io na mekanika ana inona an.

8. maditra ( 09/09/2005 15:10)
Raha tena favy sy tsara hevitra ry zalahy tsy miafinafina izany. Raha mbola miafina dia mbola tsy ao izy izay.
9. maditra ( 09/09/2005 15:10)
Raha tena favy sy tsara hevitra ry zalahy tsy miafinafina izany. Raha mbola miafina dia mbola tsy ao izy izay.
10. Herimiafina ( 09/09/2005 15:25)
Izay an'i maditra izay koa aloha dia misy fahamarinany ihany satria mety tsy dia convaincu loatra amin'ny fahaizany ilay bandy.
Saingy raha convaincu izy no voasakana tsy hiteny dia izay no tena blem.
Matahotra izy ny hiteny sao dia hisy manakina be tena mandratra be mihintsy (ilay fanakianana destruktiva hoy isika).
11. jon ( 09/09/2005 15:41)
maro ny hevitra; fa hevitra mikasika momba aninona no tianareo havoaka ?
12. Herimiafina ( 09/09/2005 15:53)
Echange d'expérience ampiana imagination tera à tera kely amin'ny domaine rehetra atao hoe fiananan'ny zakak'olombelona.
13. mandrindra ( 12/09/2005 09:16)
marina izany, hifampizarao daholo izay mety ilaina.
14. rebosa ( 11/10/2005 11:58)
alefao le kôzy fa lisany tô be introd be, igno hifampizantsika, fa natao ho an'izany lay serasera.
vonon-kamaky ahay, sady soa bibika lay sujet.
15. Herimiafina ( 12/10/2005 04:05)
Sizé voalohany ary:

"Raha tsy misy hono ny dahalo dia tsy nihinankena ny malagasy". Ahoana ny hevitrao? Velabelaro izany.
16. menakely ( 12/10/2005 19:44)
Herimiafina:

Sizé voalohany ary:

"Raha tsy misy hono ny dahalo dia tsy nihinankena ny malagasy". Ahoana ny hevitrao? Velabelaro izany.



Ory Herimiafina an,
tsy resaka dahalo ve no mahatonga ny tantsaha na tambanivohitra tsy te- hiompy intsony ny omby,
mahagaga zahony sitationao;
any @nay: zao dia miha vitsy ny omby noho dahalo,tsi interesant ny miompy omby satria miteraka fahavalo;
taloha tany @nay nisy olona 1 afaka manana 100-1000;@ zao nofinofy izany satria nahoana noho dahalo.

17. Herimiafina ( 12/10/2005 19:50)
Raha tsy nisy omby tsony de tsy tokony hisy dahalo tsony zany, kanefa toa mbola misy dahalo foana, de mbola misy omby foana koa izany, fa nahoana ary?

Raha niadivana tokoa ny dahalo de efa ela no rava, fa maninona aza no mbola misy foana izy io hatramin'izao? Tsy miasa ve ny fanjakana sa tena ny fanjakana mihintsy no mampirisika ny dahalo.

Ny any aminareo angamba ry menakely de tena tsy dia mpiompy omby loatra fa lasa nifindra ny mpiompy omby. Fa marihiko manokana ny any Miandrivazo ohatra, na ny any Tsiroanomandidy na ny any Ambovombe.

Tsy mitsahatry ny misy dahalo reo tanana ireo ary isaky izay mandeha de 100-1000 no lasany, taiza jiaby zany omby zany ary entina aiza ary maninona no tsy mora tratra nefa zavatra mivaingana be hita mandehandeha eran,ny tanana izao, kavina volamena kely latsaka anaty bozaka aza hita.

18. xxx ( 13/10/2005 11:17)
ny fanaovana dahalo koa angeh raha tsy diso aho de fomban-drazana any @ faritra sasany. Raha tsy mahavita mangalatra omby de tsy mahazo vady. Rehareha mihitsy izany hoe efa avy nigadra izany: mazàna be io bandy io fa raha tsy gendarme tsy nahasakana azy, tena mahery io...de hifandrombahan'ny sipa eo @ tanàna avy eo
19. Herimiafina ( 14/10/2005 01:53)
Ie, marina izany fa toa tsy dia ampy loatra izany hi-justifier-na ny fisian'ny dahalo mamono olona e. Tonga hatrany Mandritsara any Avaratra andrefana any de midina mketo ampovoantany de midina hatrany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7761