Tsy midika n'inon'inona amin'ny malagasy ny PIB sns

1. Herimiafina ( 07/09/2005 21:00)
Indikatera handrefesana ny harikarena faobe ny PIB, PNB, sns, IDH, sns. Milaza vola avokoa ireo, ary mampahafantatra ny fananan'ny malagasy vola, hilazana fa mahantra ny tany iray sns.

Ny fi-calculer-na azy dia ny fitambaran'ny fidirambola isantokantrano, ny orin'asa ny fanjakana ka hatambatra manome chiffre iray isan-taona hilazana hoe niakatra firy % ny croissance économique, etc.

Raha jerena eny amin'ny terrain anefa dia maro ny fidirambola tsy voa-enregistré. Raiso ohatra ny vola ampidirin'ny Fanamboarana Toaka gasy sy betsabetsa ao amin'ny tokantrano iray, ny karazana asa madinika tsy voatanisa izay ataon'ny fianakaviana miafina mba hampidi-bola ho azy. Tsy misya ndoavana hetra izy ireny matetika.

Maro ihany koa ny toerana tsy tratran'ny fanjakana nefa mampidibola toy izany, maro ireo activités illicite, maro koa ireo tsy mandoa hetra.

Koa nahoana aza no hilazana fa ny PIB tenenina amin'izao fotoana izao izay hanamabarana fa mahantra isika no lazaina fa marina?

Tsy voatery milalao vola koa ny tokantrano satria any amabnivohitra dia hita eny rehetra eny ny kaly isankarazany, ny kaly nefa tsy voakaonty ao anatin'ny PIB fony mbola nambolena.

Mahantra tokoa ve isika?
2. maditra ( 07/09/2005 21:58)
Efa voadinika amin'ny ankampobeny aloha ireny vokatra miakatra amin'ny tantsaha isan-taona ireny raha manao etude momba ny PNBn'ny firenena iray ny "mpanao izany". Marina fa tsy tena marina ny chiffre mivoaka avy amin'ireny fa saingy kosa, ny ankabeazan'ny firenena rahetra dia tratran'izany doly. Tsy tena eficace izany ny PNB sy ny sisa fa saingy ireo no tena efficace kokoa raha ampitahaina hatramin'izao aloha.
Sady verite mampalahelo izany fa kosa hita fa mahantra ny ankamaroan'ny vahoaka Malagasy.
3. Chuan ( 08/09/2005 15:20)
Maro ny kajy mety azo ampiasaina amin`io Herimiafina ary anisan`izany ny tombatombana izay mety hiainga amin`ny antontan`isa hita tany aloha nasiana fanamboarana na indexation araka izay fiovana mety nisy , na koa avy amin`ny fanamboarana ny antontanisa amin`ny tranga mitovitovy aminy amin`ny toeran-kafa ,ka noho izany dia indikatera iany ireny fa tsy votery ho mahalaza ny tena zava-misy marina . Io koa ange ataon-dry zalahy ho fitaovana politika ndrai2 , de amboarina arak`izay mety hampahazo tehaka ny parti eo am`fitondràna fotsiny e ! dia le dradradradraina r`efa mikabary ! Geste teknika e ! Fa ny ahitana fa mikorosy ny fiainana dia ny filatsahan`ny kilasy antonony any amin`ny kilasy mahantra izay mitombo isa amin`izao.
4. mosabe ( 08/09/2005 15:27)
Marina izany e !!!

Ny PNB sy PIB dia itovizan'ny tany rehetra ka raha
misy tsy voakonty ny antsika dia aza hadino fa misy
tsy voakonty koa ny an'ny sasany ...
économie parallele io

dia mba nampiana ny fojery hafa toy ny IDH
Indice de Developpement Humain io
iazy mijery koa ny mari-pahaizana, ny esperance de vie ... sns dia vao mia koa mikatso isika eo satria anisan'ny ambany indrindra...

Na izany na tsy izany , tsy mila an'izany akory dia
mahatsapa fa mihamahantra ny vahoaka majinika
5. Herimiafina ( 08/09/2005 22:05)
Chuan> Marina mihintsy izany fa ny fototry ny economie dia ny kilasy antonony na ny classe moyenne.

Ny tiako hiaviana amin'ity resaka ity dia Na ambony aza ny PIB ny malagasy ka mitangorona amin'ny tanana iray izany, dia tsy misy dikany.

Na ambony koa aza ny PIB ka tsy mizarazara amin'ny olona tsirairay (PIB/habitant) dia tsy misy dikany.

Na ambony aza ny PIB ka mitangorona amina secteur iray dia tsy misy dikany (PIB/secteur).

Jereo fa ny PIB ny secteur primaire na ny fambolena sy ny fiompiana sns no ambany indrindra ary ny activité de service toy ny fivarotana sy ny fitaterana no mahabetsaka azy.

Ny maharatsy ny PIB koa dia tsy mi-considerer ny acteur économique malgache à l'extérieur du pays, fa ny acteurs économiques étrangers izay miasa ao no voakaonty.

Ny PNB izay ampiasain'ny tany mandroso anefa dia mandray ny acteur économique-ny erantany.

Farany: efa henonareo ve ny atsoina hoe INDICATEURS VERTS?
6. Herimiafina ( 08/09/2005 22:13)
(Tohiny) Iza no mahalala ny définition exact ny antsoina hoe pauvre, etc?

Satria mantsy amiko dia tsy ny resa-bola foana ihany no maha-manankarena ny olona iray. Ny vola miditra amina tokantrano iray malagasy any amabanivohitra dia ambany noho ny an'ny fianakams tandrenivohitra iray, raha ny PIB no jerena sy ampitoviana.

Raha makany ambanivohitra anefa isika dia hita fa raha ampidirina ao anatin'ny Kaonty ny PATRIMOINE SYMBOLIQUE dia ambony ny an'ilay fianakams any ambanivohitra.

Ka io dia miankina amin'ny antsoina hoe bien-être social ny olona tsirairay izay tsy azo généraliser-na anaty indicateur iray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1337