ireo mampiditra tononkira

1. bichette ( 05/09/2005 15:24)
mahafinaritra ny mapiditra tononkira ary hisaorana ny tsirairay kanefa tsara angamba raha ezahana mba tsy asiana diso ilay izy satria misy :
- diso ny fehezan-teny
- diso ny teny (ohatra hoe nandao dia nosoratana hoe nilaozana)
- diso ny lohatenin'ny hira
- diso misy tsy ampy ny tononkira
be dia be ny tononkira feno diso ohatran'izany ato.
tsy tsikera fa hanatsarana fotsiny reto a ! :-*
novalian'i bozimanga ny 20/10/2005 12:45
2. Fanja1 ( 05/09/2005 16:55)
bichette andao njy atao mpitsara ato e:D non?
3. toetra ( 05/09/2005 17:18)
Izany tokoa !
4. lanto ( 05/09/2005 18:39)
Marina izany :)
5. sonwin ( 05/09/2005 18:43)
Za mbo nandefa fanitsiana indray andro fa toa ilay diso hitako tao ihany no ao hatramin'izao
6. maditra ( 05/09/2005 20:37)
Ny olana dia mba hirahirainay eny rehetra eny ilay izy kaiky diso. Iomehezan'olona amin'izay.:-D
7. bichette ( 06/09/2005 06:36)
tsy izany manko ry zareo fa tam herinadro mba naka ny hiran'i Bodo rehetra rehetra , tovo j'Hay, Bessa sy Poopy reheetra rehetra ny tenanay dia misy sasany hira iray ihany kay fa ny titre no roa samy hafa dia ny toniny tsy mitovy loatra fa misy sasany synonymen'ilay tena mot no nataon'ilay olona, misy sasany tsy ampy, ny sasany misy adino sns dia tena sorena aho fa lasa feno fanitsiana ny feuille ni imprimé-ko
fanja1 > :roll::D:D:-D
Toetra > :-D
lanto > :-D
ohatran'ny hoe sarotiny sy tena severe aho fa tena sorena aho nihira fa tena fanitsiana fotsiny kay no nataoko
8. Fanja1 ( 06/09/2005 07:15)
bichette tsy hoe sarotiny indry (aoka atao tsara tsy misy diso aloha izy ity :P) fa tenintsika izy io ka tsara raha mba atao izay tsy mampisy diso azy, arena ssarobidy io amiko.:D
9. chipie1 ( 06/09/2005 07:15)
misy koa hira 1 miverina in 3 :roll:
10. lanto ( 06/09/2005 07:33)
Ny zavatra jerena rehefa mahavoaray tononkira dia ireto :
-ny votoatiny : tena hira no nalefan'olona sa fangatahana hira sa hira, tena ratsy hira nosisihana teny ratsy ?
-ny tsipelina : betsaka no zatra manao fanoratana sms, ao indray ny mandiso tsy fanahiniana fa tsy fahaizana
-ny tena tononkira : raha sendra ny hain'ny tena dia ahitsy, raha tsy hay ka misy ao am RVG dia arahina kely eo, raha tena tsy tsy hay mihitsy dia tombatombanana hoe tokony ho marina io rehefa nojerena iretsy voalaza etsy ambony.
Misy indray niniana nampidirina miaraka am diso :p : ireny hira rap mitelina teny bdb ireny ohatra satria izay no mety mahamora hirana azy.

bichette> alefaso aty izay voahitsy na any am hery e ! Mba zarao ho an'ny namana! :)
chipie1> reo hira miverina efa manomboka fafaina akia a ! Ary tokony tsy hisy intsony satria tsy azo ampidirina intsony izao izay hira efa ao anaty tahiry. Raha tsy hoe ovain'ny le oul tanteraka indray ny lohatitre :) dia tonga amin'io voalazan'i bisy io !
Misaotra anareo e ! Dia miala tsiny dia aza kivy loatra tompoko !


11. bichette ( 06/09/2005 08:34)
lanto > merci, andraso jereko daholo dia teneniko injy
12. bichette ( 06/09/2005 08:42)
ao zao misy hiran'ny Bodo dia misy titre roa : "avelao hifaly" sy hoe "hainao" dia sady tsy fantatra ny tena titre hoe iza amin'ireo no .... jereo angé e !
13. bichette ( 06/09/2005 08:48)
inty ohatra : jereo ny titre defa tsy mitovy ary ny andininy sy ny phrase koa tena samihafa be

Hainao

Fa hafanana hafa indray no tadiavinao
Satria efa may ilay niarahanao nilofy
sy fiainana vaovao ,no ndeha potehinao
F'efa rava tsisy intsony ny teo aloha rehetra teo

Hainao ny misangy ireny
Hainao ny manimba fo, mandratra
Fa tsy hainao ny mamela azy ireny
Ho fay

Ny alahelo anatiko ao no sisa nandatsa ahy
Raha hodina tsy tsaroana tsy ho ela akory
Dia miverina indray mamaivay ny afony

Hainao ny misangy ireny
Hainao ny manimba fo mandratra
Fa tsy hainao ny mamela azy ireny
Ho fay

Sitra-po niaraha-nanao
Nefa ianao afaka
Ankehitriny izaho izao voafatotra
Hambom-po ny anatiko ao
No tsy hainao fantarina
Tsy ho valifaty fa fitiavana.
_______________________________

Avelao hifaly

Fa hafanana hafa indray no tadiavinao
Satria efa maty ilay niaraha-namindro
fo sy fiainana vaovao no ndeha ho potehinao
F'efa rava tsisy intsony ny teo aloha rehetra teo

Ref:Hainao ny misangy ireny
Hainao ny manimba fo mandratra
Fa tsy hainao ny mamela azy ireny
Ho faly

Ny takaitra avelanao tsy ho voafafa
Ny alahelo anatiko ao no sisa mandatsa ahy
Raha odiana tsy tsaroana,tsy ela akory
Dia miverina indray mamaivay ny afony

Ref...

Sitrapo niaraha-nanao
Nefa ianao afaka
Ankehitriny aho izao
Mifatotra
Ny hambo-po anatiko ao
Tsy ho hainao fantarina
Tsy ho valifaty
Fa fitiavana
14. hery ( 06/09/2005 16:10)
bichette> efa mitady i lanto io hitako io :-)

Ok vazivazy iray andalana fa indraindra mahamora kokoa ny asandry zareo ao raha toa ka tonga dia alefa mivantana aminy ny fanitsiana tononkira. Euh.. ilay hoe zareo dia i lanto sy ny ekipany ao amin'ny tononkira ao. Azo alefa ao amin'ny pseudo lanto dia ho hitany ao.

15. fijo ( 06/09/2005 21:36)
ok bibi an.za koa efa nahita an'io,fa tsy haiko loatra dia tsy niteny aho
16. bozimanga ( 20/10/2005 12:45)
ary hianao v mba efa nandefa tonon-kira tato eh?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7627