Jeux des îles 2007 aty Dago: hanao ahoana?

1. Bocassa ( 30/08/2005 14:23)
Afaka roa taona dia handray ny lalaon' ny nosy(jeux des îles)i Madagasikara. Efa malaza be mihintsy zany amin'izao fotoana. Ny kianja sy ny toerana handraisana ny lalao moa dia tsy misy vaovao fa ny teo aloha ihany no hampiasaina. Mila hamboarina tsara noho izany fa sao dia mahamenatra ny Vazaha. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: efa vonona ve ny Malagasy rehetra? Tsy ny Atleta ihany no tena mila vonona fa na ny spectateur koa aza.Anisan'izany enao io. Koa ho antsika izay mipetraka any am-pitan-dranomasina any: manentana antsika mba ho tonga maro. Ny faniriana mantsy dia ny mba hahazoan'ny Malagasy medaly volamena bedebe. Sa ahoana hoy ianao? Lazao izay hevitrao mikasika an' io Jeux des îles io. Misaotra mialoha.
novalian'i Liltax ny 09/09/2005 06:03
2. RockyMaivia ( 30/08/2005 20:12)
...sao dia mahamenatra ny Vazaha...??? Fa raha isika samy Malagasy izany dia tsy hifampahamenatra?? Tsy maninona na hilalao @ toerana tsy fanao enao aza??
Raha izao manokana tsy misy ilako izay medaly volamena na varahna na taratasy! Tsy hahavoky ny hakamaroan'ny gasy izay efa reraka sy noana izany!
Ny makorelina ihany no mety ho faly @ zany satria ho bebe indray ny client ho tonga izany fa hisy lalao hiraisampirenena indray ao Madagasikara!
Raha manambola @ zany ny FIrenena, tsy aleo ve hikarakarana ireo mahantra Malagasy ny vola, raha manambola hijerena izany ve, tsy aleo hividianana sakafo tsara hohanin'ny mpianakavy mba hahavoky ny kibo, na koa hividianana toaka hanalana hamoamo fa efa be ny zavatra mavesatra asaina zakaina??
3. Razouzou ( 30/08/2005 22:17)
tsara ra ny sport no ampiakarina fa tokony asian-teny lanjany tokoa io sport za zao isany mety ande any dago any hanampy ra toa ka . Raha ny fanantajahantena aloha de tena tsy lasa ihany kanefa manome korazy ireo zay manao izany ny tenanay .amiko tokony jerena tsara ihany ko io fa mety mba manome aina kely amin'ny resaka tourisme ko io ,betsaka ny vahiny ho tonga dia mba zay e!

4. Bocassa ( 31/08/2005 06:24)
Razouzou:

tsara ra ny sport no ampiakarina fa tokony asian-teny lanjany tokoa io sport za zao isany mety ande any dago any hanampy ra toa ka . Raha ny fanantajahantena aloha de tena tsy lasa ihany kanefa manome korazy ireo zay manao izany ny tenanay .amiko tokony jerena tsara ihany ko io fa mety mba manome aina kely amin'ny resaka tourisme ko io ,betsaka ny vahiny ho tonga dia mba zay e!

Izay mintsy ilay fitiavan-tanindrazana ê! Misaotra anao.

5. Bocassa ( 31/08/2005 06:25)
RockyMaivia:

...sao dia mahamenatra ny Vazaha...??? Fa raha isika samy Malagasy izany dia tsy hifampahamenatra?? Tsy maninona na hilalao @ toerana tsy fanao enao aza??
Raha izao manokana tsy misy ilako izay medaly volamena na varahna na taratasy! Tsy hahavoky ny hakamaroan'ny gasy izay efa reraka sy noana izany!
Ny makorelina ihany no mety ho faly @ zany satria ho bebe indray ny client ho tonga izany fa hisy lalao hiraisampirenena indray ao Madagasikara!
Raha manambola @ zany ny FIrenena, tsy aleo ve hikarakarana ireo mahantra Malagasy ny vola, raha manambola hijerena izany ve, tsy aleo hividianana sakafo tsara hohanin'ny mpianakavy mba hahavoky ny kibo, na koa hividianana toaka hanalana hamoamo fa efa be ny zavatra mavesatra asaina zakaina??

Aza tenda-kanina!

6. ravakamalala ( 31/08/2005 08:21)
Misy fahamarinany kosa ny an i RockyMaivia e! Amin ny saina tsy miangatra ve d hitanao hoe tena zava dehibe ve izany raha ny fahoriana zakain ny gasy am zao fotoana zao? tsy hita zay atao ao ambilia, tsy matory andro aman alina mieritreritra zay ho arapaka, tsy resaka fahatendana fa efa question de survie mihitsy?
Sa hidi trosa izy mandra pahatongan ny jeux des îles dia rehefa avy eo ve noho ny vola entin ny Jeux des îles dia averina ny trosany?

Fa amin ny lafiny iray koa aloha tsisy maharatsy ny fandraisana ny jeux des îles any e, vao mainka aza tsara, fa miteraka asa, manintona mpizahantany, mampitomba indray ny lazan ny tanintsika, fa zay ilay fanontaniana e : Mba ahazo tombony am zany daholo ve ny gasy sa dia rizareo ihany ndray no hitavana fotsiny?

Laingalainga fa lé tapi-maso aloha dia mankaleo be!!!!
7. Bocassa ( 31/08/2005 15:02)
ravakamalala:

jereo ao @ politika:"iza no mahatanty?"
8. Razouzou ( 31/08/2005 18:12)
Amiko manokana hoa tsara ny sport alefa ambony refa tsy anao ihany ekonomia antsika .Jereo nge zareo Breziliana nga izy manankarena nefa jereo ny sport ny azy no alefa ,tsy hoe akory ny sport no mapdevelop antsika fa mba tsara ra mba manohana anio ,aiza ka samy tsika aza mifanambany aiza no mba... tokony mba jerena akaiky io jeux des iles 2007 io an tokony jereny ministera ko io fa tsy hoe... manohana alo za .Ny resaka gasy noana foana no tenenina dia voa maika isika noana eo fa aleo mba samy anao zay mety .Ny tenanay lo de isany mety hanampy ny sport gasy za zao manao foot(attaquant)vao18taona,tsy hoe maty kambo ny tenanay aty an-dafy fa mba hamonjy ny honneur ny taniko na dia pays povr aza izy
9. tafita ( 31/08/2005 20:51)
Hita fa samy manana ny fijeriny daholo ka tsy misy manaiky ny hanaratsy ny azy : Ny olona tsy de tia sport de hoe aleo anaovana zavatra hafa ny fandaniam-bola , ny olona tia sport sady milalao de hoe tohano fa reherehan'i Madagascar . Ka hoy aho hoe samia manaova izay mahametimety ny fony eee
10. TMalefaka ( 01/09/2005 05:44)
Raha tsy ampy ny sakafo,na hiazakazaka eo foana aza toa tsy azo akory ilay medaly. Na dia izany aza, araka ny fahafantarako azy dia maro dia maro ny zavatra afaka hohanina ao @ntsika ao. Ka raha hiteny hoe tsy misy ny ao am-bilia, afaka mamboly sy miompy fa malalaka ny tany.
Momba ny sport, aleho aloha mianatra mandady izay vao mihazakazaka. Noho izany, raha ny jeux des iles no mba fandadizana dia ny JO no fihazakazahana, ka tsy hitako loatra hoe nahoana no tsy afaka handray ny jeux des îles isika.
Sao variana loatra ka na ny iray aza tsy azo.
11. Liltax ( 09/09/2005 06:03)
Ny fahitako an'io ndray de mila fanampiana betsaka mihintsy ny sport malagasy raha mieritreritra ny hahazo medaly maromaro .
Ny sportifa ndray de betsaka fa eo @ le resaka môtivatin ny tsy de misy ; eo @resaka infrastricture ndrray de tena tsy ampy de tsy ampy tokoa ; ohatra fotsiny oe @resaka foot de mahamasina sy alarobia rery ve no mba azo ilalaovana kosa .......ny gymnase moa dia tena mampalahelo ny mijery ny gymnasen'ny mahamasina @zao ........;:!::!:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2258