Aza atao zanaky Kala Hafa nyCommune urbaine Tamatave?

1. zandikely ( 29/08/2005 12:29)
Mazava izao fa dia nahodin'ny fanjakana Foibe ny vola 1 million de dollar (10 milliards Fmg) avy tamin'ny Banky Mondial, tokony hanatsarana ny tanana Toamasina Renivohitra.
-Tsy lazaina intsony moa ny vola 4,5 milliards Fmg anjaran'ity commune ity izay tsy mety omen'ny fanjakana hatramin'izao.
- Nanao foire internationale ny commune urbaine Toamasina, filohana andrim-panjakana iray ihany no nanatrika io foire lehibe io, na dia maro aza ny vahiny avy ivelany namaly ny antso, tsy vitan'izany fa nanao ny zavatra rehetra ny sasany mba tsy hampahomby io zavatra io. Nefa moa dia fahombiazana ihany no azon'ny mpandritra ity foire lehibe ity.
Mandeha ihany ny eritreritra hoe nahona re ny tananan'ny Toamasina atao zanaky Kala hafa ?
novalian'i zama91 ny 12/10/2005 18:09
2. pika ( 29/08/2005 13:50)
:roll::roll:
ka mieritrereta ry vahoaka raha izany
ny filoha dia tokony an'i Mcar rehetra fa tsy hoe an' ... ihany na an'Imerkasinina fotsiny e
3. Veloo ( 29/08/2005 14:14)
tena mampalahelo mihitsy moa izany...
4. jentilisa ( 29/08/2005 14:40)
tokony hankany ny filoha sa tsy nasaina?
dia hisosososo tsy asaina ve izy?
5. zandikely ( 29/08/2005 15:20)
Jentilisa !
Dia nasaina daholo ny andrim-panjakana rehetra fa ny filohan'ny antenimieran-doholona ihany no tonga. Raha mba tsy afaka ny president noho ny andraikitra maro tsy ifanomezantsiny, fa ny mahalasa fisainana, dia hoe olona iray no tonga, avy aminy fitondrana foibe. Nefa nisy foire Nasaionaly tao Tana dia tonga tao daholo ny rehetra.
Tsy manino raha tonga ry zareo na tsy tonga fa ny resaka dia tokony omen'ny fanjakana ny volan'ny commune urbaine Toamasina.
Taminy fitokanana ny super marché Magro vaovao tany Tamatave anefa dia tonga namonjy io lanonana io ny ben'ny tanany Toamsina rehefa nantsoina.
6. pika ( 30/08/2005 04:26)
aza atao mahagaga izany zandikely a izay ny politika maloto eo Mcar e
misy ny hoe iry .... ireroa .....
oh fotsiny ka raha teo @ 13mai no nanao fitokonana lava reny tamin'ireny fotoana ireny rehefa eo @ fitondrana ry lerony dia lasa tsy azo hanaovana .... eo
ary ny fitenenana toy izao indraindray misy mandray dika vilana ho fanankianana be faritany fa tokony ho faly aza ry zareo satria afaka mahita ny hetahetan'ny vahoaka dia mbaz afaka hanatsara ny fitantanana
7. Herimiafina ( 30/08/2005 06:30)
zandikely:

Mazava izao fa dia nahodin'ny fanjakana Foibe ny vola 1 million de dollar (10 milliards Fmg) avy tamin'ny Banky Mondial, tokony hanatsarana ny tanana Toamasina Renivohitra.
-Tsy lazaina intsony moa ny vola 4,5 milliards Fmg anjaran'ity commune ity izay tsy mety omen'ny fanjakana hatramin'izao.
- Nanao foire internationale ny commune urbaine Toamasina, filohana andrim-panjakana iray ihany no nanatrika io foire lehibe io, na dia maro aza ny vahiny avy ivelany namaly ny antso, tsy vitan'izany fa nanao ny zavatra rehetra ny sasany mba tsy hampahomby io zavatra io. Nefa moa dia fahombiazana ihany no azon'ny mpandritra ity foire lehibe ity.
Mandeha ihany ny eritreritra hoe nahona re ny tananan'ny Toamasina atao zanaky Kala hafa ?



Mba omeo source hoe hahafahanay mandinika ny veracité an'izany information izany.
Amiko misy explication ny raha toy izao satria olona misaina ny Fanjakana jusqu'à preuve du contraire.
8. cristal ( 30/08/2005 12:00)
zandikely:

Mazava izao fa dia nahodin'ny fanjakana Foibe ny vola 1 million de dollar (10 milliards Fmg) avy tamin'ny Banky Mondial, tokony hanatsarana ny tanana Toamasina Renivohitra.
-Tsy lazaina intsony moa ny vola 4,5 milliards Fmg anjaran'ity commune ity izay tsy mety omen'ny fanjakana hatramin'izao.
- Nanao foire internationale ny commune urbaine Toamasina, filohana andrim-panjakana iray ihany no nanatrika io foire lehibe io, na dia maro aza ny vahiny avy ivelany namaly ny antso, tsy vitan'izany fa nanao ny zavatra rehetra ny sasany mba tsy hampahomby io zavatra io. Nefa moa dia fahombiazana ihany no azon'ny mpandritra ity foire lehibe ity.
Mandeha ihany ny eritreritra hoe nahona re ny tananan'ny Toamasina atao zanaky Kala hafa ?




9. cristal ( 30/08/2005 12:32)
Salama zandikely!
Raha hiala teo @ fitondrana i deba de hoy izy hoe:tsy hiala aho fa raha misy te hanolo ahy dia horavako daholo zay nataoko teto,teniny io ary nisy nakasitraka izany satria nieritreritra fa mety ny manao politika maloto sy tsy refesi-mandindy!
Teo de nanomboka ny fanakanana ny pont b/ville,aminao mety ireny,saika mbola halaina ihany koa ny vola rehetra tao @ bank central moa nisy nanohitra zany ny ray vilia t@,ny fanarenana maro t@ zavatra nopotehana teto de nandaniana vola be avokoa,tsy hoe nisy ankoatry toamasina nanao zany fihetsika zany fa izy irery ,noheverin'ireo vahoaka tao mantsy fa tsara ny manavakava-bolokoditra ka satria avy eto tana i RAVALOMANANA DE norangitina ny tao tamatave de nanao!MOA tadidinao ny nahazo ny allemagne raha resy izy t@ 2é guerre mondiale?Izy no niantoka ny fanamboarana rehetra t@ireo firenena potika ary moa fantatrao koa fa ny commune tamatave mihintsy no nametraka ireo barika sy namotika ny seranam-piaramanidina tao tamatave tao,de manaova tahaka an'i Mr Pety izay miezaka @ tenany samy rery aloha vao miandry ny fanjakana!Farany fantatrao moa hoe naninona ny vola malagasy lasa nihen-danja be tahaka io?VALINY:noho ny vola sandoka marobe natao teto @ firenena ka na dia tokony mbola tsy hanota vola aza ny m/gasy t@zany fotoana zany de tsy maintsy satria potika ny toekarena raha reo vola sandoka reo no niasa teto,tsy nanana devise na stock d'or anefa isika ka de voatery natao ambany ny sandan'ny vola m/gasy mba ho maro ny devise miditra ary afaka mandeha ny raharaham-pirenena!Ny lalana vita ankehitriny ange ka efa tokony ho t@ andron'ny deba no vita fa saingy raha nanome 10.000.000fmg ny mpamatsy vola de ny 3.000.000fmg ihany no nampiasaina ka tsy nanome ntsony zareo e!manatena fa aea-po ianao @zay resaka zay,tsarovy anefa fa mbola an'i M/car i Ravalomanana fa tsy an'ny eto tana araka ny eritreritrao zay hitako fa fankahalana be fahatany ka mba diniho sao vao maika tsy hisy na ny arapaka aza e!Mahaiza manao politika madio de valian'olona madio koa e!veloma ô!
10. Veloo ( 30/08/2005 15:14)
mahay politika be njy cristal=D=D=D
11. xxx ( 30/08/2005 15:53)
Izay ve vao tsapan'i Toamasina izany fandehan-javatra izany? nefa jereo fa i Toamasina no faritany anisan'ny voakarakara indrindra t@ andron'ny deba, taiza tao @ lalana tany Toamasina no tsy vita goudron? ary mba jereo ny faritany sasany, Antsiranana, Fianarantsoa, Toliary, mahajanga??? h@ izao fotoana itenenantsika androany izao, aiza ho aiza ny fanamboaran-dalana? aiza ho aiza ny fandrosoana (complexe sportif, stade, sns...)

Atsipy ny tady eny antandroky ny omby;
Atsipy ny teny any am-pon'ny mahalala.

Aza mora miakatra re eeeeeeeeeee
12. zandikely ( 30/08/2005 17:48)
Misaotra Pika ! Ny Anao io ihany no hevitra mahafapo ahy.

Cristal sy XXX : Mahagaga ihany ianareo izaho tsy nanao resaka fampitahana ny fitondran'ny Deba sy Ravalomanana mihitsy. Amiko rehefa tsy mety na iza nanao azy na Deba ny anarany na Ravalomanana ny anarany na avy aiza misy azy na avy aiza ny tsy mety dia tsy mety foana. Matoa ny vahoaka nanolo ny mpitondra dia hita fa tsy nety ny taloha fa rehefa tonga eo kosa ny vaovao dia hamerina ny tsy nety dia tsy misy dikany ny fanovana. Aminareo zany tsy mahazo mitaraina zavatra tsy mety ataon'io fitondrana amin'izao intsony ny vahoaky Toamasina satria nanao tsy nety Deba? Raha mbola izany ny fisainantsika dia mbola tsy ho atoato ny fandrosoan'ny Madagascar.
Zaho tsy nilaza fa hoe ho an'ny vahoan'Antananarivo ihany Ravalomanana fa ho an'ny vahoaka malagasy manontolo. Noho izy an'ny vahoaka malagasy manontolo no hitarainana aminy.
Araka ny hevitro dia tsy maintsy jerena aminy fo tsy miangatra ny zavatra rehetra. Zaho dia manaiky fa maro ny zavatra tsara vitan'io fitondrana amin'izao io fa raha hilaza kosa ianareo hoe mety daholo ny zavatra ataon'izy ireo dia tsy mba ekeko.
Herimiafina moa mila porofo: ny gazety Tribune taminy le 2005-08-29 aloha dia nitatitra io zavatra lazaiko io koa.
13. Herimiafina ( 30/08/2005 22:00)
Miangavy aho mba hijery an'io daholo isaika rehetra fa vaovao tsy mamely tokoa izany raha tena marina. Merici Zandikely from Ottawa.
14. naritsimba ( 01/09/2005 10:21)
tsy i Toamasina ihany no hiaran'io fa i Fianarantsoa ihany koa.
satria tsy TIM no lany ben'ny tanana de izay no mahatonga an'io.
fahamarinana Fahamasinana?????????? am-bava ireo fa ao am-po maloto.
Maha menatra ny manana mpitondra milaza ho kristiana nefa manavakavaka.
Antsika no mieritreritra
15. Herimiafina ( 01/09/2005 19:12)
Fantatrareo ve ny antony mampisy an'izany? Sao amntsy dia ny Ben'ny tanana no tena fototry ny loza? Tsy manendrikendrika aho fa manao remise en question? Raha misy te-hanome fanampipahazavana dia vonona aho hiaino. Tsy izany mantsy fa tsy dia matoky loatra 100% ny zavatra lazain'ny gazety aho fa efa naheno vaovao tsy mitombona maro toy ny hoe hody i Deba dia miala tsiny raha mbola mangataka informations misimisy.
16. cristal ( 07/09/2005 13:26)
(l)AZAFADY ZANDIKELY!Ny ahy ny olona mitatitra ny vaovao tena marina misy recoupement no tena tiako fa raha misy tanjona tahaka ity,ohatra toa te hilaza mantsy ty vaovao tsy marina ity fa miangatra ny Filohan'ny Malagasy,tsy nilaza ianao ny hoe hilaza ny tsy mety na ny vita na tsy ny fitondrana teo aloha na ny ankehitriny fa,hay novakianao tao @ gazety!De aza taitra ianao ilazako fa raha ny gazety @zao de natao amidy fa tsy hitatitra ny tena vaovao intsony satria libre loatra!Porofo ilazako aminao fa tsy marina io nolazain'ny gazety io de ny hoe;ny fanjakana ankehitriny anie de mametraka ny autonomie ny faritany rehetra ka raha mandroso ny faritra iray de noho ny mpitondra ao aminy,tsy mandroso de tahak'izay ihany koa,jereo i Atoa PETTY RAK fa nandeha tany ivelany nitady fiaraha-miasa,samy manana ny fidiram-bolany avy ny faritany Zandikely a!Ianaro ny atao hoe politika de @zay tsy voafitaky ny gazety.Marina le hoy ianao hoe na iza na avy aiza no mitondra rehefa manao ny tsy mety de lazaina!Fa ny hamendrofendro @ zavatra tsy hampandroso tsy ekena,jereo ny ataon'ny mpanohitra de hainao ny atao hoe politika inona no ataon'ny mpitondra ankehitriny!Sa ahoana hoy nareo?De aza ny mitovy fijery ihany no omena sitraka fa mba saino zay lazaina e!Ny hevitra no ampiadiana fa tsy ny olona,fa raha tsy izany de zanaky ny omaly ka tsy matanty ny hevitry ny sasany na dia mampandroso aza!
17. hps ( 07/09/2005 16:51)
slt!daholo an!elaela tsy hita,tsy midika akory zany fa manadino ny namana rehetra;ny @ ity resaka ity ndray aloha dia tena anisan'ny nampalahelo mihitsy,ary mazava fa tsy mijery ny vahoaka mihitsy ireo mpitondra Fanjakana satria raha ny Benin-tanana no ananana lonilony dia tsy tokony ny vahoaka no hitezerana sady tsy any benin-tanana koa ny faritanin'ny T/sina fa any M/sy manontolo.Aoka koa isika tsy hanao fampitahana ny ratsy hoe:DEBA,RAVALO
tsy izany no mahamaika fa izay hampandroso an'ny Dago raimanontolo,satria samy hita daholo izao na ny milaza azy ho tena Deba na ny milaza azy ho K/tiana Fahavalo izay tsy menatra ny mampanjaka ny fanavakavahana eto Dago,ka anjaran'ny 1*1 no mandinika;tsara koa angamba raha mihaino ilay Meditation vao2 ny Risareraka
18. matisse ( 12/10/2005 07:03)
[avy taiza leitsy ry zandry kely no nazahoan'ialahy an'izany info an'la zany ary raha resaka foire tsy hitako izay fahombiazana tamin'iny tsy naleo natao hoe foire regional iny fa mahamenatra raha international misy commune mampidibola ohatran'i tmv ve lesy raha io port io fotsiny no resahana fa ny maire n'la mihitsy no mibahana fandrosoana a
19. Herimiafina ( 12/10/2005 12:23)
Eeeh, efa voavaha ny olana ry tonake e.:roll:
20. zama91 ( 12/10/2005 18:09)
efa mba betsaka kosa ny zavatra vita tao tamatave eh ny RN2 sy ireo asa goavana manodidina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0736