Ny tena fitivana marina araka ny Tompo

1. Herimiafina ( 28/08/2005 22:55)
Misy karazana toetra telo ireto:
- Ny famadihan'i Jodasy an'i Jesoa.
- Ny fankahalan'ny jiosy an'i Jesoa.
- Ny tsy firaharahian'i Pontio Pilato an'i Jesoa.

Ny tena fahavalon'ny fitiavana, dia ilay fitia AGAPE tsy misy tambiny nasehon'ny tompo antsika rehetra dia ilay fahatelo: " Ny tsy firaharahian'i pontio Pilato".

Ka noho izany, manasa anao aho hiala amin,ny tsy firaharahiana, ilay fanasana tanana nataon'i Pilato, ny fijerena fotsiny ireo zavatra tsy mety betsaka mitranga ary hamarinin'ny olona amin'izao antony isankarazany izao. Tiavo araka ny tokony ho izy ireo manodidina anao, na iza izy na iza.
novalian'i RADOUXE ny 25/09/2005 14:49
2. ravakamalala ( 29/08/2005 08:58)
Dia ahoana ary rehefa tena tsy mahate ho tia mihitsy lé oul nefa tsy maintsy iaraha miaina? tena oul maharikoriko nefa izany fa tsy mba hoe azo hiafiana akory!! sady tsy azo tenenina! dia ahoana no atao ? hiatsara velatsihy?:roll:
3. pika ( 29/08/2005 10:31)
ravakamalala a ny tena ratsy indrindra dia ny fiatsarambelatsihy tsy vitan'ny tsy tia ianao fa mamitaka olona,ary mampijaly ny tenanao fitiavan'olo-droa io resahina io
tadidio koa anefa fa ny famelana heloka ny olona iray dia mety hanova azy ho @ tsara :?
4. deghany ( 29/08/2005 10:32)
mampmé be ny théorian'lisany!!!=))=))
5. ravakamalala ( 29/08/2005 12:29)
pika > Sarotra be fa hiezaka e! Misaotra am toroevitra
6. Herimiafina ( 30/08/2005 06:00)
ravakamalala:

Dia ahoana ary rehefa tena tsy mahate ho tia mihitsy lé oul nefa tsy maintsy iaraha miaina? tena oul maharikoriko nefa izany fa tsy mba hoe azo hiafiana akory!! sady tsy azo tenenina! dia ahoana no atao ? hiatsara velatsihy?:roll:


Tsy misy olona mitsangana ho fahavalonao tsy amin'antony izany. Fa raha toa ka misy izany dia manontania tena aloha tamin'ny zavatra nataonao. Ampahafirin'ny tena devoly moa iny olona iny e? Izy ka olombelona ihany, mampalahelo fa ampiasain'i Satana hahakivy anao amin'ny finoanao.
Tsarabe ny hevitrao fa tohizo.

7. pika ( 01/09/2005 04:34)
tadidio anefa fa raha ilay olona miaraka aminao no efa tsapanao fa tena maharikoriko anao na ny mijery azy aza dia mieritrereta ihany fa elo ny fiainana
raha namana tsotra mantsy na fianankaviana mety ho ....fa raha hiharaka hatory @ efa tsy tiana tsy lasa aleo misaraka fa aza miataravelatsihy
8. Herimiafina ( 01/09/2005 04:59)
Pika> Aza matahotra ny amin'izany ianao fa zavatra mpahazo ny olombelona rehetra izany hoe ny olontiany lasa mahasosotra na mijery azy aza.
Resaka négligeance no mahatonga an'izany, ary mety ho tsy firaharahiana avy aminao no nahatonga izany.
Tsara fanahy taminy loatra ianao hany ka tsy niborosy nify intsony izy ohatra satria ianao fantany fa tsy hibedy azy amin'izany, dia lasa maimbo vava be izy, dia lasa maharikoriko anao.
Valable izany amin'ny fomba fiakanjo, fomba firesaka, sns.

Vaha-olana; teneno ihany izy na raha tsy sahy ianao dia hasehoy ankolaka fa misy zavatra tsy tianao any aminy ary mahatonga azy maharikoriko eo anatrehanao.
9. RADOUXE ( 25/09/2005 14:49)
:DTadidio lalandava fa Andriamanitra tsy manome zavatra tsy zakatsika fa isika no mila mieritreritra ka ra tojo olana enao de mivava @ fonao retra fa tsy misy tsy vitan'ny fivavahana marina e:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.143