tapakazo

1. zefalah ( 26/08/2005 22:18)
ya...sika rehetra malala tsara fa ny gasy dia nanompo razan-be sy ny tapaka-hazo.
fa lay tena tsy aiko sady mahalasa saina be ana hoe :?inona no antony nanopon'ny malagasy azireny?
de nanomboka aovina le anopoana razana sy ny ilalaovana sampy?
novalian'i juluka ny 23/09/2005 06:54
2. Herimiafina ( 27/08/2005 16:00)
Manompo? Taty aoriana angamba izany teny izany vao niseho rehefa nipoitra ny fivavahana tandrefana.
Omeko ohatra ianao mba hazava aminao ny antony hanaovan'ny malagasy izany: indray andro tany aloha be tany hono dia nisy bandy favy be eo amin'ny lafiny rehetra, tian'ny fianankaviany izy ary mamin'ireo mpiara-monina. Maty i ranamana rehefa avy nanao soa maro tsy tamby isaina. Nalahelo daholo ny fianankaviana, na ny tsy fianankaviana.
Dia nisy bandy kely zanany nanao sary tanimanga hahatsiarovany an'ilay dadany tena favy be. Iresahany foana io sary tanimanga io. Izao ny teniny: "Ry dada malala tsy foiko, malahelo anao aho fa tamin'ianao mbola teto antany dia notahian'i Zanahary izahay, izao izahay toa tsy dia tafarina intsony ka mangataka aminao aho any amin'izay nalehanao any mba teneno i Zanahary hitahy anay mianakavy nilaozanao".
Dia nanomboka teo ny antsointsika ankehitriny hoe fanompoana razambe sy tanimanga. Tsy dia fanompoana angamaba ilay izy teto fa fahatsiarovana.
Ny afrikana, ny Indiana eny fa na dia ny vazaha aza dia miteny irery eo anatrehan,ny sarin'iro olontiany efa maty, eny na makeny ampasana rehefa 1er novambra aza. Fahatsiarovana avokoa izany.
Nihitatra anefa ilay izy ka nisy ny tsy dia ampy fandalinana loatra ka nataony andriamanitra mihintsy ilay olona noho ny tsy fahalalany ny tena Andriamanitra (i Zanahary notononin'ilay boay kely) ka dia nivadika ho ilay razana mihintsy no andriamanitra taty aoriana.
Be fo isika ary miraikitra amin'ny tany ny kiltiorantsika hoy ireo anthroipologue mpandinika ny fiainan'olombelona ary izay no antony hanaovantsika an'izany (masina ny tany).
3. sonwin ( 27/08/2005 20:39)
Izaho mpilalao tapa-kazo kle:lol:, tsy takatrao angamba ny hery fonosin'ilay hoe tapa-kazo fa raisanao ho fanompoan.tsampy ilay izy, nefa entina hitsaboana.Resaka dozy no maha-poizina na maha-fanafody azy, sahala amin fanafody eny amin Pharmacie ihany....hatreo ihany lazaiko fa tantara lavabe raha havazaina.
Asa za na hors sizé na tsia fa vague be ilay hoe "tapa-kazo".
4. sonwin ( 27/08/2005 20:40)
Izaho mpilalao tapa-kazo kle:lol:, tsy takatrao angamba ny hery fonosin'ilay hoe tapa-kazo fa raisanao ho fanompoan.tsampy ilay izy, nefa entina hitsaboana.Resaka dozy no maha-poizina na maha-fanafody azy, sahala amin fanafody eny amin Pharmacie ihany....hatreo ihany lazaiko fa tantara lavabe raha havazaina.
Asa za na hors sizé na tsia fa vague be ilay hoe "tapa-kazo".
5. pika ( 29/08/2005 14:00)
raha tapakazo atao hivavahana no resahina dia tsotra ny antony ny olona ts11 dia tsy maintsy mila zavatra hafa ataony ho Atra ka rehefa mbola tsy fantany na tsy azony ny fivavahana kristianina oh na silamo dia rariny izy tsy omena tsiny raha nanao ny masoandro ho Atra oh
ary raha ilay hitsaboina indray avy t@ ireny anie no hanaovana fanafody e
6. deghany ( 29/08/2005 14:06)
Dara ve alou le tapakazo resahina sa fanafody e!!
Dara: hamelezana olon-kafa
Faafody: fanasitranana
:@
7. deghany ( 29/08/2005 14:08)
Dara ve alou le tapakazo resahina sa fanafody e!!
Dara: hamelezana olon-kafa
Faafody: fanasitranana
:@
8. deghany ( 29/08/2005 14:08)
Dara ve alou le tapakazo resahina sa fanafody e!!
Dara: hamelezana olon-kafa
Faafody: fanasitranana
:@
9. marozevo ( 29/08/2005 14:45)
Iombonako tanteraka izay voalazan'i < herimiafina > eo ambony, saingy ampiako kely toy izao koa :
"Misy koa ny manararaotra ny tsy fahalalan'ny hafa, ka mampanompo Andriamani-kafa. Ohatra : Misy ravin-kazo (na tapa-kazo) iray mahasitrana (de nature), dia misy manararaotra izany ho sampy. Afangaro zavatra hafa, na fombafomba, na teny foronina sy ny sisa, dia hoe mahay sampy tokoa izy. Nefa ny tena marina dia ilay zavatra amin'ny maha izy azy mihitsy no mitondra hery mahasitrana".
Ny zava-misy faharoa tiako hambara koa dia ity : Isika Malagasy saro-piaro loatra (Ny maro fa tsy ny rehetra akory), ka raha manana fahalalana zavatra iray mahasitrana na mahasoa, dia tsy avy hizara izany fahalalana izany amin'ny hafa. Olana iray koa io.
Farany : Tsarovy fa tsy nanompo sampy na oviana na oviana ny Pr RATSIMAMANGA, nefa nampiasa foana ny herin'ny zava-maniry hikarohana fanafody mahasoa.
10. zama91 ( 02/09/2005 15:36)
Nature ny olona mihitsy io mametraka fanontaniana sy ny hoan'ny olombelona dia izay no miteraka ny fanamboarana andriamanitra mitopy an'i tapa kazo sy ny sisa,tsy atao mahagaga fa efa tarazo io,saingy mba tokony hitatra ny maso mpanahintsika amin'izao andro hiainantsika izao
11. scorpion ( 03/09/2005 20:38)
ny masonao no tokony hihitatra voalohany8)
12. rijatsif ( 06/09/2005 23:12)
Ny fahitako azy indray dia mahatsiaro tena ho bitika foana isika olombelona ka tsy mety raha tsy maka na mamorona hery lehibe kokoa noho ny efa ananatsika. Ohatra izao ho an'ny mpivavaka isan-karazany dia Andriamanitra (Jesosy, Allah, Bouddah,...) no alainy hamenoany ny fahabangana tsapany ao aminy, ho an'ny tsy mpivavaka na koa ny mpanompo sampy hoy ianareo dia ny razana na tapa-kazo na hafa koa... Misy koa ny athée dia ny natiora (mère nature) no inoany.
Fehiny fa lava be ny teniko, dia mila hery lehibe foana ny olombelona mba hitokisany sy hamenoany izay tsy ampy.
13. juluka ( 21/09/2005 11:46)
Ho an'i malaga sy dia niaina tanteraka tamin'ny natiora izy. Nahalala ny fisian'ny Zanahary ( Ilay nahary izao tontolo izao) izay nametraka ireo herena voajanahary rehetra ireo nampiasaina. Ny fidiran'ny finoana kristiana no nanova zavatra ratsy ireo fa fahaizana malagasy ireo. Tsarovy fa raha mitsabo ny mpimasy na ny mpisikidy na ny aobiasy taloha dia mijery hatramin'ny fakany ny aretina izy ( saina ny vatana ny fanahy, ny hoavy sns) ary mifanaraka amin'izay ilay fitsaboana sy ny fampiasana ny ravikazo na tapa-kazo. Misy vokany daholo ireny izay tsy mboal hitan'ny vahiny hatramin'izao ny tena antony. Noho izany dia " samy nomen-janahary natiora tokony hivelomany ny faritra tsirairay " fa tsy nampitoviny akory. Fa isika malagasy no kely saina manary ny antsika fa sodoka ny comprimé sy ny tsindrona sy ny scaner sns dia manaratsy ny an-tena noho ny fahaleme-tsaina.
14. Herimiafina ( 21/09/2005 15:50)
Fou Fou Masina, Fou Fou masina, abracadabracadabrancard.

Ataovy misy mamaly ity takelaka ity....
15. juluka ( 23/09/2005 06:54)
Herimiafina

Gasy ka manja e. Omeko ohatra iray. Raha marary tenda dia inona no fanafody haingana. Moa tsy manao gararaka am rano mafana misy sira , raha tsy misy ny sira dia mijereva hoditr'akondro efa maina dia taneho ho lasa laveno dia iny atao gararaka fa ho sitrana ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5794