inona no tena antony?

1. zefalah ( 26/08/2005 22:10)
misy manampahaizana bedabe sika malagasy,na @lainy inona na @ lafiny inona..saingy mampalaelo,satria tsy ao madagascar avokoa ny ankamaron'izireo.
lay fantaniana dia hoe: inona ny antony mahatonga anireo zay manampahaizana ao madagascar mande mivoaka any hivelany? de refa antitra vao miverina.
toany i ratsimamanga,sy ry rabelaza...
io zany na manampahaiza na manantaleta dia mivoaka avokoa....lay tsy mahay manoratra sy tsy mahay mamaky @ zay no tavela ao madagascar..ainareo hoe firy isan'draton'ny malagasy no tsy mahay mamaky teny sy tsy mahay manoratra? ka inona no antony hitsokan'reo manampahaizana gasy any hivelany?
2. marengarenga ( 27/08/2005 14:42)
ny voalohany tsika malagasy dia mbola tsy mahatakatra
izany fitiavana tanindrazana izany .faharoa voavidim-bola fahatelo menatra ny maha gasy azy ka raha mila
porofo ianao dia omeko @ manaraka
3. sipagasy ( 27/08/2005 15:12)
ataoko angamba fa mila porofo daholo izny rehetra izany???? iza no tsy tia tanindrazana????? manana ny lazany ary mampalaza an'i Madagasikara eran-tany ny "madecasol" fanafody hitan'i Rakoto Ratsimamanga ka aiza ny hoe tsy tia tanindrazana @ izany???? manaraka indray dia ny hoa menatra @ maha malagasy azy izy???? ianao angamba no tsy sahy miteny @ namanao tsy mitovy fihaviana aminao hoe MALAGASY fa tsy ny hafa mihintsy akory.... atomboy @ tenanao aloha vao mitsara ny hafa ianao.
4. Herimiafina ( 27/08/2005 15:14)
Favy be ny fisian'ny manampahaizana maro saingy ny olana misy dia eo amin,ny lafiny maha-olombelona izay tsy hita izay maharatsy azy: "miavona asa izy ireny".
Tsy misy te-handeha eny ambanivohitra izay misy ny tena ankamaroan'ny malagasy, tsy mety fehezin'olona satria hono izay no antony nianarany.
Tandremo: raha lasa direktera daholo moa isika rehetra, dia iza intsony indray no olona 8)hotantanina eo.
5. xxx ( 27/08/2005 21:34)
raha ny fahalalako azy aloha dia tsy amireo zavatra lazainareo ireo mihintsy ny antony ,raha ny aty ivelany misimisy kokoa ny fahafahana @resaka fitaovana sy ny fahafahana @zavatra rehetra ,tsy midika hoe tsy tia tanindrazana akory izy ireo fa ny akamaroan'ny olona dia mieritreritra ny ho aviny sy ny fianakaviany aloha izay vao ny hafa izany hoe misy fitiavatena angaha!
6. RockyMaivia ( 28/08/2005 16:58)
Sôsy io koa!!:lol: :lol:
7. xxx ( 28/08/2005 19:37)
ny azoko ambara de hoe . Ny olona no lasa any ivelany any ange ka olona nianatra tokoa e, ary ny nianarany dia ny ho tafavoaka, Tsy hoe tsy tia ny Madagascar izy ireny raha lasa manao raharaha any ivelany any fa noho ny zava-misy aty an-toerana izay tsy mahatafavoaka ny maro amin'ny lafiny fivelarana noho ny fitiavan-tenan'ny sasany .
Faharoa , any ivelany any de nahita fivelomana tsaratsara kokoa ny olona ka aleony any no mamikitra ......
8. Herimiafina ( 28/08/2005 23:35)
Fa bzena amin'inona ilay fitiavantanindrazana e. supposons que moi be saosy, je ne cherche plus de saosy fa afaka manao soa maimaimpoana an'izay tena mila n'izany.

ilaina ny injeniera (eo amin,ny 2 eo ohatra)
ilaina ny techniciens supérieur (eo amin'ny folo eo)
ilaina koa ny main d'oeuvre (eo amin'ny zato eo)

fenoy araka ny tokony ho izy ary ireo banga ireo fa tsy ary amin'ny place-ny injeniera daholo no mitonatonana dia tsy misy hobaikona akory.

valable amin'ny resaka politika; te-ho eo amin'ny place ny president daholo dia mimenomenona refa tsy lany.
9. ravakamalala ( 29/08/2005 14:33)
Herimiafina > Rehefa vita ny fianarana ataon i Herimiafina dia inn no ataon 'I Herimiafina??
10. Herimiafina ( 30/08/2005 06:16)
Tsara be ny fanontanianao rahavako. Misaotra anao aho, ny toeran'ny Consultant externe no tena tiako ary amin'ny domaine rehetra izany.

Raha hoy ianao hoe: hanao president ve aho? tsy mety amiko izany satria ny asa tiako hatao dia ilaina tena manakaiky ireo sahirana mendrika havotana ka raha président aho dia mbola sahirana hibaiko olonkafa indray hanao izany amin'ny place-ko.

Raha minisitry ny atitany indray aho dia mety ho favy ihany satria ampiakariko ny satan'ireny prezidan'ny fokontany na chefs de quartiers ireny satria ireny no tena akaiky indrindra ny vahoaka.

Kanefa mety ho simban'ny fitadiavana ihany koa izany eritreritra rehetra izany. Asa moa:(
11. ravakamalala ( 30/08/2005 09:51)
Ka zay anie lé tena fototry ny olana e! Samy matin ny fitadiavana daholo tsika, fa tsy midika mits hoe tsy tia tanindrazana, \"Maninn charité moa ozy ny faratay commence par soi meme\"

Fa raha ny sitrapotsika rehetra ve tsy mba hahatafita an i madagasikara sy ny mpiray tanindrazana antsika.

Ny tena tsara dia manangona entimanana ireo zay mba manana chance mba aty andafy, manao izay mahatomombana ny tenany sy ny fianakaviany, dia avy eo mitady hevitra ampandroso an I madagasikara, na dia tsy resa bola fotsiny aza fa na fanohana amin ny hevitra, betsaka ny endrika fanohanana azo atao.
12. Veloo ( 30/08/2005 14:59)
oay ravaka miteny ratsy an :twisted::twisted:
Maninn charité moa ozy ny faratay commence par soi meme

mamazivazy za retsy a :-D:-D
marina mihitsy retsy io lazain-njy io a tsisy afa tsy izany no mba azo ataon-tsika ny fanirina mihohatran'ny fisainana fa tsy afa manotra e
Ny tena tsara dia manangona entimanana ireo zay mba manana chance mba aty andafy, manao izay mahatomombana ny tenany sy ny fianakaviany, dia avy eo mitady hevitra ampandroso an I madagasikara, na dia tsy resa bola fotsiny aza fa na fanohana amin ny hevitra, betsaka ny endrika fanohanana azo atao.
13. zefalah ( 05/09/2005 22:31)
xxxx>> ra enao no nantenaina i madagascar dia tsy ho avitra i madagascar
14. tsangana ( 09/09/2005 20:41)
Fitiavan-tanindrazana,fitiavan-tena,fitiava-namana?
Resaka fo mitempo io, sarotra ho an'ny saina ny mamakafaka izany.
Ireo izay mijanona ao Dago anefa dia tsy dondrona daholo,ary ireo izay lasa any an-dafy dia tsy mpamadika tannindrazana avokoa.Tsy misy azo hifanomezan-tsiny fa rafitra iainana amin'izao tontolo izao no manery antsika hanapa-kevitra hy hijanona na handeha.Io no antsoiko hoe safidin'ny tsy manan-tsafidy!
Efa nahantra ny tanintsika talohan'ny naterahako,mbola mahantra foana hatramin'izao, ary angamba mbola hahantra foana, tsy misy mahalala hoe rahoviana no hifarana izany.
15. pitchou ( 12/09/2005 17:42)
zà mou zany d tsy mihatra amiko le fanontaniana satria zà eto fôna e! fa rehefa mbô mila ahy kou nefa rizalahy firenen-kafa d tsy midongy zà fa mbô mandeha ihany, mbô manasoa ny mpiara-belona hono zany e! (nefa sôsy no ao ambadika! hihihi) kanefa na sôsy be @ petrole aza tsy hande zà raha any @ arabo! aoka hazava ny resaka
16. miserana ( 14/09/2005 02:20)
Ny marina Razoky dia ny Gasy nahazo Diplaoma no maro fa nahay namerin-desona an.
Ataovy lisitra anie ny isan'ny gasy nahaforon-javatra eh? Raha mahita mohoatran'ny 20 ianao dia mba lazao eto. Na atao hoe Folo eh.
Nefa dia ity famoronana ity no tena hoitra ho an'ny fampandrosoana. Ka dia tsy hay io dia aleo miasa aman'olona eh. Ary ny mody atao olana dia ny hoe tsy misy fitaovana. Saingy iza no nahazo fitaovana avy any an-danitra?
Izay milaza hoe afaka manao zavatra maimaim-poana dia tsy dia marina loatra izany ary tsy maharitra. Fa mety ny olana an-tendrony fotsiny no voavaha
17. boubounezy ( 31/10/2005 22:03)
zany lé hoe samy mandé samy mitady. enao nandé any égypte io alou inn no antony nadeananano tany? zé tsy afaka tsy afaka zé afaka dé afaka zany tena fiainana


zefalah:

misy manampahaizana bedabe sika malagasy,na @lainy inona na @ lafiny inona..saingy mampalaelo,satria tsy ao madagascar avokoa ny ankamaron'izireo.
lay fantaniana dia hoe: inona ny antony mahatonga anireo zay manampahaizana ao madagascar mande mivoaka any hivelany? de refa antitra vao miverina.
toany i ratsimamanga,sy ry rabelaza...
io zany na manampahaiza na manantaleta dia mivoaka avokoa....lay tsy mahay manoratra sy tsy mahay mamaky @ zay no tavela ao madagascar..ainareo hoe firy isan'draton'ny malagasy no tsy mahay mamaky teny sy tsy mahay manoratra? ka inona no antony hitsokan'reo manampahaizana gasy any hivelany?



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5074