Mahaiza mifaly !!

1. Bocassa ( 26/08/2005 09:51)
Hoy i Pasteur hoe:" voavela ny helokao noho ny anaran' ny masina". Raha jerena nefa ny mpiangona, toa tsy misy faly mihintsy. Tsy mahafaly an-dry zareo angamba ilay famelan-keloka. Diniho kely ange zany rehefa any am-piangonana enao ê!
Dia hoy aho amintsika hoe: mahaiza mifaly. Fa tena tsara be ange izany hoe voavela heloka izany ê!
novalian'i marozevo ny 29/08/2005 14:49
2. pika ( 26/08/2005 10:13)
raha mankany ampiangonana tsy dia tsara loatra ny mandinika ny fihetsiky ranona na ranona
fitsarana ivelany ihany ny an'ny olona fa Atra irery no mahafantatra ny marina
3. ari.malala ( 26/08/2005 11:21)
euh, za manokana aloha hivavaka sy hiresaka @ Raiko no halehako any am-piangonana noho izany raha faly aho, Izy irery no tiako hahita sy hahalala izay hafaliako izay satria Izy no namela sy namafa ny fahotako ê! ka tsy manana fotoana hijerevana ah hoe faly v i Bocassa sa tsy faly? :)
4. booboo ( 26/08/2005 11:43)
lé handinika klou tsy dé tiako lôtra fa ny voamariko, matetika ny ankamaroan'ny mpiangona (t@ zay fotoam-pivavahana natrehako hatrizay) refa mirava ôtra avy novangiana fahoriana zany aby sy samy maka ho azy. Dé eo no hitako mahamarina ny tenin'i Bocassa oe "mahaiza mifaly" fa nahazo famelan-keloka sy ny tariny.
5. Bocassa ( 26/08/2005 15:27)
Enao ve rehefa ao am-piangonana dia tsy mahita tarehan'olona mihintsy ? Lainga kosa zany ê! Na tsy mandinika aza enao dia tsy maintsy mahita. Aza mandinika fa sao tsy concentré eo! Marina mihintsy ny tenin'i booboo. Jereo ny endriky ny olona rehefa avy mivavaka. Ho hita eo ny porofo. Ary enao, enao ve mba faly ??? Misaotra namaly ê!
6. pika ( 29/08/2005 10:37)
raha ny fivavahana katolika no resahiko aminao dia aorinan'ny famelankeloka dia manao sy miantsa ny voninahitr'Atra @ hira maredona
ary tsy ny fandihizana na ny fikakakakana ihany anie no ahafahana milaza fa faly e
afaka mitsiky aminao aho nefa ny ao anatiko ao feno ....
ny fahanginan'ny olona sasany avy ao ampiangonana angamba tsy hoe tezitra fa mety mitsakotsako izay fampianarana azony sy mieritreritra ny lesona ampiharina, ny ankamaroany anefa na tsy mikakaka sy mitabataba aza hita misoritra eny ny hafaliana @ endrika miramirana
tsy anjaranao ny mitsara fa samy mbola ho tsaraina
7. marozevo ( 29/08/2005 14:49)
Ny mankany am-piangonana koa tsy FANERENA (Obligation) fa safidy sy sitra-po, ka raha tsy mitondra hafaliana inona no hatao any ?
Oay.. saiky hadinoko fa anisan'ny anton-dia mankany am-piangonana koa kay, ho an'ny olona sasany, ny hijery na faly ny olona na tsia... Ny ahy tsy mba izany nop anton-diako any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.217