Pierrot Ra.....

1. ainaheri ( 23/08/2005 19:40)
Noho ny raha2 t@ 2002 dia voarohirohy tao koa
ranamana t@ fanodikodinambola sy tsy fandoavana
hetran'ireo orinasa notantanany dia anisany nohenjehina ranamana,ka misy didy mipetraka miandry azy ao dago noho izay,ka @zao fotoana izao mangataka
anafoana ireo didy ireo ny mpisolo vava azy fa hilatsaka ho fidina @ 2007 ranamana!!!
répondu par jamal le 01/11/2005 07:30
2. hps ( 23/08/2005 19:51)
Ny tena marina ange ry ainahery,natao daholo izay pai-kady hamotsanana ny adiva sao dia tapaka ny famenona ny paosy izay efa kely sisa tsy feno
3. pitchou ( 23/08/2005 20:05)
matoa manao izay negociations izay ny mpisolo vava dia tao marina raha! raha tsy nisy na inona na inona nataony dia ho noporofoiny!
ny fanontaniana fotsiny dia hoe : ahoana no nahatonga azy ho voafehy ka nanao ny tsy tokony ho nataony mihitsy? ary tsy izy ihany no "voafandrika" t@ izany ...
4. fijo ( 23/08/2005 21:38)
za koa aloha mino an'i pitchou eto e.mitady fifanaraha hanafoana izany izy satria misy zavatra hatahorana izany ao.marina fa misy tsy mitombona ireo nanenjehana azy,fa raha izany resaka eto izany dia nisy raha tao.
5. Veloo ( 24/08/2005 15:13)
tsssssssss za ranga tsy mba manaiky an'izany a oul bandy mpangalatra iny ... rehefa meloka dia tokony ho meloka... iny no tonga eo am-pitondrana ko tsy hiverina ery an-tatatra indray ny gasy? tssssss
6. Herimiafina ( 24/08/2005 20:32)
Refa ray petsapetsa tamin'ny degany dia degany fa imposibla mahintsiny izany hoe bandy milay mirevy miaraka amin'ny fatinalika zany e. Refa niray vilia tamin'i Medor ialahy dia Medor, ary zaho tsy hizara toaka amin'ialahy mahintsiny an.
7. fijo ( 24/08/2005 21:01)
izay no hanekeko ilay hoe matoa te hifampiraharaha dia nisy natao tao
8. Veloo ( 24/08/2005 21:15)
Herimiafina ie marina ny anao=D=D=D=D
9. hps ( 25/08/2005 18:47)
Veloo:

tsssssssss za ranga tsy mba manaiky an'izany a oul bandy mpangalatra iny ... rehefa meloka dia tokony ho meloka... iny no tonga eo am-pitondrana ko tsy hiverina ery an-tatatra indray ny gasy? tssssss

sao dia tsy fantatrareo ry A-veloo fa efa mitotongana ho any anaty tatatra daholo zao ny gasy kely aty Dago,taiza t@tantaran'ny Dago nareo no efa nahita fa mividy vary t@ kapôkana-voatabia(madico)raha tsy @izao fitondran-ndRa-8 izao,sady mbola ampian'ny mpitondra @ hoe:"avelao ianareo ho hitan'ny havanareo eo,fa mahafinaritra fonay zao dia ny mitana ny Fahefam-panjakana;ary ny tsy tsapanareo dia ity:Ny mahavariana dia mirehareha @ fampandrosoana aingana ny firenena ny Mpitondra,nefa dia ilay pôlitika nofaritan'ny mpitondra teo aloha izay efa tsy nahomby sy mihisatra ihany notanterahana @ ady @ fahatrana eto.
TIM=Teo aloha Ihany no Miverina:-@

10. Herimiafina ( 25/08/2005 19:00)
Mbola misy olona miheritreritra foana ve fa vao tamin'ny herin'andro Ravalo no nanao hoe fampandrosoana haingana dia androany dia efa manantena hahita an'izany sahady.

Ilay haingana anie mety ho 8 taona, sns. Ny fampandrosoana an'i Amerika izao 200 taona. Ka raha mbola tia tena foana isika tsy misaina afatsy izay hiditra ao ankibontsika foana fa tsy sahy hiafy kely ho an'ny papoose sy ny tarananay dia tsy lasa io.

Izany zao ohatra no tsy niterahan'ny amerikana intsony taty aoriana fa raha be loatra hono ry takaka dia tsy ho ampy zaraina intsony ny kaly eny antsena dia hisy matikanoanana. Izany no karazana sacrifice mba hatao kely.

Nahita fahitana izay aho alina hoe ratsiraka no nitondra teo dia Ar4.000 ny lilaon'ny vary, ny lasantsy efa tsy misy mahatakatra intsony ary ny mofo Ar1000 ny iray.

Izay ilay hoe lasa mitovy amin'ny nitondran'i Mobutu taloha. Mitovy ny fomba fitondran'ileiry sy Ratsiraka ka sur fa ohatr'izay no niafarany raha tsy afaka teo ileiry.
11. Herimiafina ( 25/08/2005 19:06)
Fa na dia izany aza kalongany mitaraina foana Mama any anaty mail any fa lafo ny vary any amin'ny tananan dia nahena ny ration tao antrano e. Razandry te-hanabokona nariana mihintsy ilay matos fikotranana fa tsy ampy kaly intsony.
Tsy izany fa nahitsokin'ny tambawaks koa ny anjara varinay fa tsy havoakany hono raha tsy miakatra indray ny vidiny eny antsena fa Ar800 ny masokarenany isaky ny kilao ka sao perte izy satria mbola hanofa camion.

Be ny mpanararaotra amin'ireo mpivarobary fa tandremo. Raha tafody eo aho kalongany dia hisy hihinana ny tsy fihinany ireny mpanararaotra manafimbary ireny e.
12. hps ( 25/08/2005 19:24)
aoka aloha hazava fa tsy tokony asiana hoe "HAINGANA" ilay fampandrosoana,fa ny Antesaka tsy mahaligny raha ela,ary sao ary dia niohoka nareo no nahita ilay fahitana e! sa nofin-dririnina aty no tonga any eh,dian'izao ary ra-namana dia efa miheritrereta ny hanao fanabeazan'aizana raha hipetraka eto dago ity mba misy tonokalo kely hisaitsainana nosoratan'i José Emmanuel
O RAFANJAKANA

o Rafanjakana aza dia manampimaso
Mba tarafo ihany ity tany feno ankaso
Fa ory loatra izahay kely sy mandinika
ka toa zary te hibaiko hahatonga anao handinika

O Rafanjakana aza dia mampandry adrisa
Fa mba jereo sy todiho ireto mahantra an- tapitrisa
Dia ireo tsy mahay manoratra miandry lava ny rariny
Sy ny tsy ampy fivelomana tsy mahita ny hohaniny

O Rafanjakana aza dia sondriana
Ny Malagasy anie izao ka feno fahoriana
Ela niandrasana ka inona no eo
Ny DOMBERANAREO foana no hita sy re feo
O Rafanjakana tafahoatra loatra izany politika
Ilay Fihavanana koa toa navelanao nitsika
Ny tany tsy milamina , ny firenena tsy mandroso
Dia ny sitraponareo irery ve no ho re hisosososo

13. Herimiafina ( 25/08/2005 20:08)
Ilaina ny hira toy itony tsy hanakivy fa hanampy hanome kourazy. Raha izay tokoa ny tanjony dia mahafinaritra, sinon....
Ny hitako tena tsy mety koa mantsy dia à chaque fois misy blem dia te-handrava foana isika amin'ny fanankianana maro, ny olona anie ka ny fahadisoana ataony no mampiakatra niveau azy e. Ka ny tokony hatao dia ny hampahafantatra ny tsirairay avy manana andraikitra fa diso izy mba hanekeny izany ary hiovany. Fa rehefa tena tsy mety miova mihintsy izy vao esorina teo amin,ny place-ny. Ataoko fa mbola fohy loatra izay ny fotoana ka tsy mbola afaka manala n'inon'inona isika fa avelao aloha hikotrika tsara ny atody.
14. fijo ( 25/08/2005 22:28)
ao amin'io tonon kalo kely io ry hps dia hitako miverina indroa ilay hoe "niandry",izany hoe mbola taratra ao le fisainana zatra miandry fotsiny fa tsy mihezaka mikaroka
15. hps ( 26/08/2005 19:09)
Ny zvt tsapa aloha dia tsy hoe akory hifanasa vangy akory isika,fa tsy ho avy handroso mihitsy ny firenena iray raha tsisy ny fanakianana izay anisany ahatsara ny tantana, @ izay tsy variana @ fampandrosoana ho azy manokana ny mpitondra fa mibanjina izay hevitra ho entina hanafainganana ny raharaha ho tombotsoan'ny Firenena fa tsy ho an'olo-tokana Izy rahateo efa voalaza ombieny fa MANAKARENA,sa tsy zany ndray ary ve?dia tsara koa ny mampahalala vao2 ho anareo fa efa mande zao ny fikaroana ireo Budgé tsitokotsiforoana tsy fantatra hoe mankaiza eto @ Firenena.
16. Herimiafina ( 26/08/2005 23:43)
hps:

Ny zvt tsapa aloha dia tsy hoe akory hifanasa vangy akory isika,fa tsy ho avy handroso mihitsy ny firenena iray raha tsisy ny fanakianana izay anisany ahatsara ny tantana, @ izay tsy variana @ fampandrosoana ho azy manokana ny mpitondra fa mibanjina izay hevitra ho entina hanafainganana ny raharaha ho tombotsoan'ny Firenena fa tsy ho an'olo-tokana Izy rahateo efa voalaza ombieny fa MANAKARENA,sa tsy zany ndray ary ve?dia tsara koa ny mampahalala vao2 ho anareo fa efa mande zao ny fikaroana ireo Budgé tsitokotsiforoana tsy fantatra hoe mankaiza eto @ Firenena.


Marina mihintsy izany. Ilaina ny olona mandinika sy miteny ny tsy fahafaliany mba hahatonga saina ny mpitondra. Tadidio fa ny olona tsy faly tsy midika hoe manohitra foana. Ohatran'ny tokantrano ihany io, mety tsy faly amin'ny vadinao ianao, izany akory tsy midika hoe tsy tia azy ianao. Ilaina ny resaka, ilaina ny fifanankalozankevitra mba hahitana vaha-olana miaraka.
Koa raha misy tianareo hambara dia ambarao dieny izao fa aza afenina ka very any ambany rangolahy any rahatrizay nefa mety ho hevitra tena tsara. Avoahay na dia tsy mety aza hitsintsika miandalana eny foana.

17. eh ( 27/08/2005 12:14)
raha te halaza izy miverena ê! izay mila vonjy azy amin'izay miteny hoe : "avoay Pierrot..." malaza izy amin'izay!
18. jamal ( 01/11/2005 07:30)
Tadidio anefa ry herimiafina fa ny alika koa misy andriana an.Miteny enao hoe Medor,fantaro aloha hoe avy aiza izy:St bernard ve?Dog allemand ve,rot ve?Gasilahy ve?hIhi.

Pierrot anie mety kôfa milay ihany fa i deba mihitsy no nanaratsy azy e.Question-na taxe-na klk milliards kely fotsiny anie iny e.Ny an-dry monstre aza ny lovakelin(ialahy mihitsy no najedany dia avye o ndray elà nampadovainy trosa be sy fahantrana midadasika.

Aleo ho'a maty mamo manan-kevitra toy zay maty ny hevitry ny minoa fotsiny ihany sy ny fanatenana vaovao.Sa ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558