Ikelihorombe: ahoana marina no fandehany?

1. jentilisa ( 23/08/2005 09:11)
Malaza amin'ny gazety maromaro mihitsy izao Ikelihorombe izao fa tsy hita izay tena marina. Sao mba misy afaka manazava ianareo?
novalian'i fijo ny 27/08/2005 22:28
2. stephan ( 23/08/2005 13:11)
Enao koa toa manao resaka tsy fantatr'olona koa
3. jentilisa ( 23/08/2005 13:57)
Satria ve any Ambanivohitra no mitranga ny tantara dia hanao vain-drahalahy tsy mba marary isika? resaka dahalo izay mampikaikaika ny mponina ambala anie izany e! izaho moa mahafantatra kely dia kely dia izay no tiako ampitomboina.

Ohatra hoe tena tanAnan-dahalo mihitsy hono io Ikelihorombe io. Izao olona tafiditra ao tsy misy tafavoaka velona ao astria mahalala tsiambaratelo.
Dia nanafika tao ary ny zandary sy ny miaramila. Nopotehiny mihitsy ny tanAna. Dia taitra ny mpitsara mpanafaka dahalo. Taitra ihany koa ny depioten'Ihosy. Izany hoe taitra avokoa ny olobe any. Misy ve ny tombotsoa arovana? Dia eo indrindra isika izao.
4. booboo ( 23/08/2005 14:18)
ny tsy azoko @ io raha io ny antony namonoana ny mponina tao sy ny nandoroana ny tanana ; iza no nanao an'izany etc. Miverina @ tenin'i Jentilisa ihany oe : eo indrindra isika izao.
5. fijo ( 23/08/2005 20:59)
araka ny fahalalako azy,dia misy tombotsoa arovana o,ka rehefa hita fa rava le ekipa dia naleo nopotehina tanteraka hamonoana ny porofo mety hisy.asa aloha fa tombana ny ahy iny,satria toa nanaitra ny rehetra le izy
6. ravatorano ( 24/08/2005 07:27)
amizao fotoana izao dia misy omby eo amin ny enijato isa eo ao Ihosy ao tokony haverina amin ny tompony izay tratra tamin ny operation ikelihorombe.Ny tena marian aza dia tokony eo amin ny omby telo arivo eo no tokony ho tratra ka haverina amin ny tompoiny fa misy....??????
Ny tananan'Ikelihorombe dia malaza fa toeran fiafenan ny dahalo toa an 'i Maharivo any andrefan i Manandriana sy ambatofinandrahina saingy efa potika io toerana io rehfa nanaovan ny miaramila sy ny zandary mahery fihetsika operation be mihitsy
Misy andian jiloahy malasao dahalo mpandroba izay voaaro hatrany amin io tanana io ary tsy matahotra mihitsy raha tratra ary mahasahy koa mamely ny ao antanana toy ny mpamosavy malemly ihany.
Izany Tiaro sy Traofo izany no tena leben dry lerony ary mampataotra ny eo antanan mba tsy hanoro azy raha misy zandary manejika azy izany.
Nandefa iraka tany ary ny foiben ny komandy zandarimaria Ihosy mba hanaovana savahao ny tananan 'Ikelihorombe io hitadiavana an i Djabora sy Soja izay malaso gaigylahy ihany koa izay manana basy mahery vaika b toy ny kalchnikov.Nony nahita ireo zandary tonga ry zalahy ireo dia narefony ny basiny ka maty tamin izany ny zandary anakiray ary ry lerony tafaporitsaka ka hatramin izao mnbola mirenireny any.
Teo dia nifamahofaho b ny fandehan ny tantra satria dia may kila ny tanana ry nisy olona 11 mponina tao maty.Iza no andoro ny tanana ? ny zandary sa ry zalahy aloha ny nitsoahany ?Iza no namono ireo olona 11 ny zandary sa ry zalahy ???
Inona no antony raha ny zandary ??????
operation natao hamortehana izay olona metry nifandray tamin ireo dahalo v iny rehfa tsy azo ny tena deba?Betsaka nby fanontaniana fa ny zandary milaza fa malaso ireo maty ireo ny fianakavian ireo namoy ny ainy indray dia milaza fa tsy malaso fa olona mahalala ny tsikombakomba ataon ny zandary miaraka main ny dahalo ireo olona ireo ary ny famerenana ny omby 300 dia toy ny sinema iohany.
Nisy RaR iray izay very omby 114 ary dia hitany tao amin io ikelihorombe io ny ankamarona ny ombiny .
Ny tohiny tsy mbola fantatra loatra fa d marian ny anreo fa ny malaso azo avoakan ny tribonaly d enjehin ireo zandary tsara sitrapo indray d mivoaka indray ka voatery manajedaka ry lerony amin ny farany hitandroana ny filaminan sy ny fandriampahalemana ary mba tsy hihetsiketsehany lava na hitaintainany amin izao asan dahalo lava izao.
Marihina fa tamin ny 04 juillet teo no nitran ireo fanfihana dahalo tao ikelihorombe ireo.
Vaovao sy resaka re tetsy sy terao ireo fa ravatorano tsy nidina tany an :-P:-P:-P

7. stephan ( 25/08/2005 13:50)
Tena tahaka ny misaritaka mihitsy anie ny any Ambala amin'io e. Raha maty iry olona iry dia milaza hitory ny fianankaviany. Na dia ny dahalo aza no maty rehefa mitory ny fianankaviana dia toa mahazo rariny hatrany, na voasazy izay namono. KOa inona ary no vaha-olana azo atao?
8. fijo ( 25/08/2005 21:09)
marina aloha,fa na dahalo aza no maty tsy anady ka mitory ny fianakams ny dia ahazo rariny e.fa ny vahaolana dia tsotra.rehefa manao operation,ka mahatratra dahalo ,dia eo no hamitana azy.amin'izay tsy hafaka hitory ny havany satria maty teo ampanenjehana izy amin'izay.
9. stephan ( 26/08/2005 07:16)
ahoana indray ity polisy manao la ronde tonga dia misy mitifitra tao Ihosy ity? sao dia lasa lonilonim-piaraha-monina no hiafaran'ity raharaha ity?
10. ari.malala ( 26/08/2005 12:44)
manao laronde de tonga d mitifitr aahoana?
11. fijo ( 27/08/2005 22:28)
stephan,vaovao taiza indray izany le???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5001