fitiavana anaty any .

1. nyeja ( 23/08/2005 06:11)

Raha mba fantatrao

Niezaka aho hanafina
izay tempo an-tratrako ao
f'angaha tsy raharaha
raha fantatrao tsinahy
ilay faniriana
anatiko mangina.

Dia niezaka aho hitsiky
imolotra ihany
raha ampihomezinao,
fa satriko mihintsy
ireo hanihany
tanteraka sy atao.

raha mba fantatrao?
izaho dia tia anao .

Ny Eja .

mety efa nahazo ny fiainanao ve io toe-javatra io ?
Matetika dia aleo tsy lazaina sao manahirana fa any anaty eritreritra any ihany no itehirizana azy, misokatra ny dinika e
novalian'i miangoty ny 14/09/2005 07:39
2. Chuan ( 23/08/2005 07:13)
Manaiky anao zah Ny Eja fa tena kanto ilay tononkolonao koa dia misaotra anao ny Fiangonana ! Zava-misy ary mpahazo ny lahy sy ny vavy io . Ho anay lhl aloha marina fa mikaoty izahay rehefa tianay kanefa tsy izay rehetra kotiana dia zaka avokoa ,araka ilay fitenenana hoe "tsy ny tany izay raofina akory dia ho ao an-karona avokoa" ka eo no mipetraka ilay hoe lasa eritreritr`i Bary (i.e nofinofy )sisa ilay fitiavana amin`izay .Araka ny hevitro dia amin`ny vhv no matetika miseho io tranga io satria ny sipa somary matimatikambo izay , tsy tiany ho hitan`ilay bandy mihitsy hoe tia azy izy fa aleony ary mody mampiseho fihetsika tsy dia miraika firy ety ivelany kanefa any am-po " taralila " :):):) ! Lalina tokoa izy ty leiretsy !
3. Tenio ( 23/08/2005 07:27)
Ny hevitro indray dia aleo miteny ihany na ho any na tsy ho any, ny tsy manao na inona na inona ihany no tena voa be indrindra.
4. avana ( 23/08/2005 08:27)
Tenio:

Ny hevitro indray dia aleo miteny ihany na ho any na tsy ho any

Za nefa niteny de inn no valiny? Nodiany fanina fotsiny! :-@ sady vao maika izy nizesta b . Tssss
5. ari.malala ( 23/08/2005 08:45)
mpahazo tokoa! fa tena aleo ty tenenina kty! :) satria anie ny lhl sasany refa fantany hoe tia azy ny tena d vao maika mizesta b izy!
6. naritsimba ( 23/08/2005 09:47)
tandremo ary r'izalahy sao ny fitiavam-boangory no anenjeham-boatay a!
Rehefa hita fa tsy ho zaka de mba aok'izay aok'izay
7. eh ( 23/08/2005 11:15)
ndriii! lasa nofy ihany daholo ilay fitiavana ê! indrisy! mampalahelo kanefa tena misy mihintsy izany ! aiza enao ê???
8. fijo ( 23/08/2005 21:13)
marina mihintsy io voalazan'i naritsimba io.miteny ihany ,fa rehefa tsy mety dia aleo miala pas
9. nyeja ( 24/08/2005 07:25)
marina avokoa izay voalazanareo,
ilay tsy tenenina anefa no nofidiko satria ianareo lehilahy koa anie raha vao hitanareo fa tia ilay vhv dia tena ampifilafilainareo e dia naleoko notehirizina anaty ilay izy .
ny tohiny dia :

raha mba fantatrao ilay tolony
mianjady mafy anatiny ao
te hamboraka ny molony
ka dia vahotra izy sao:
holavinao ilay fony manina
sao disoinao ilay marina
nantenainy hotanisaina
ka naleony tsy lazaina .
Ny eja 2001(amboaran-tononkalo "ilay fitia" )

10. ari.malala ( 24/08/2005 09:42)
ny eja, kanto dia kanto! :) izay no azoko ambara!
11. fijo ( 24/08/2005 20:54)
nyeja,aza miahotra fa lazao e
12. avana ( 25/08/2005 08:01)
nyeja> suspense b koa lay izy! me'si e!=D
13. nyeja ( 25/08/2005 08:10)
izaho aloha tsy niteny tamin'ny fiteny mahazatra fa ny fihetsiko anefa dia niteny tokoa ka hoy izy tamiko hoe :

ireny sangitsika ireny
toa sarotra fantarina
hay moa tsy izaho irery
no lasam-borona amin'ny alina ?

ny hanihany izay fanao
isaky ny mihaona
hay moa izaho sy ianao
efa samy tsindrin-daona
miandry mafy ilay fotoana
hitokanana milamina
afahana mihaona
ifamborahana izay marina ,

Ny Eja

dia ahoana no tokony atao ry zareo hanaiky ve aho ???


14. nyeja ( 25/08/2005 08:11)
izaho aloha tsy niteny tamin'ny fiteny mahazatra fa ny fihetsiko anefa dia niteny tokoa ka hoy izy tamiko hoe :

ireny sangitsika ireny
toa sarotra fantarina
hay moa tsy izaho irery
no lasam-borona amin'ny alina ?

ny hanihany izay fanao
isaky ny mihaona
hay moa izaho sy ianao
efa samy tsindrin-daona
miandry mafy ilay fotoana
hitokanana milamina
afahana mihaona
ifamborahana izay marina ,

Ny Eja

dia ahoana no tokony atao ry zareo hanaiky ve aho ???


15. fijo ( 25/08/2005 21:36)
manaike fa hataontsika milay e
16. Herytae ( 26/08/2005 12:30)
hevitro:
manaova mandà sy manaiky,
modia miraikiraiky,
mody anaovy mahatsikaiky,
rehefa mifanakaiky,
tandremo nefa sao taraiky,
ka eo vao mitangaiky,
de lasa tsy mihinana kaiky.
hihihi!!
17. fijo ( 27/08/2005 23:05)
hi hi hi
18. IDEALY ( 05/09/2005 04:26)
raha lelahy no miteny tsy maninn fa raha vevay aleo tsy miteny fa tsy mbola zakan'ny lelahy gasy ny itenenana an'izany
19. palince ( 12/09/2005 07:53)
fangah ny bandy gasy de efa te zef be mihintsy no raha va ataon'ny sipa de anina odoye ntsss:twisted::twisted:
20. mirabel ( 12/09/2005 16:22)
:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1489