mihatsara ny endri-gazety amin'ny teny malagasy

1. jentilisa ( 20/08/2005 14:11)
Hita mivoatra indray ankehitriny ny gazety amin'ny teny malagasy indrindra fa ireo mivoaka isan'andro. Raha nandeha irery ny gazetiko teo aloha dia natao ratsiratsy endrika izany izy sady ny sary dia fotsy sy mainty. Niditra an-tsehatra amin'izay ny taratra namoaka ny sary miloko (fototra efatra). saiky tsy fantatry ny olona hoe mora dia mora anie ny vidiny. nozarina ho tia ratsiratsy amin'ny mahagasy azy manko ny gasy. Ankehitriny, efa namoaka ny gazetiny amin'ny teny malagasy avokoa ny gazety mpivoaka isan'andro eto Dago. manaraka izany, ilay mpanao endrika ratsiratsy sy sary loko fotsy sy mainty dia efa niova ho tsara sy sary miloko avokoa. Tsapa ihany fa tia ny tsara ny malagasy, tia ny marevaka...efa tsy ambanin-javatra intsony ny gazety amin'ny teny malagasy. Midika ve izany fa efa tia sy mizotra ho amin'ny fandrosoana ny Malagasy?
2. tafita ( 21/08/2005 20:11)
Amiko de tsy de hoe noho ny gazety miova fa noho ny vidiny mba takatry ny olona maro, satria ny sasany de Pub no tena mameno ny page iray manontolo , ary resaka teny faran-tsy hay ( Français ) ka tsy de nahasarika ny olona afa-tsy ireo milalao ny politoka ihany .
izay fa veloma e
3. fijo ( 22/08/2005 21:15)
izao ve vao tsapanareo fa tia fandrosoana ny gasy?????tara be nareo izany an
4. stephan ( 05/09/2005 14:36)
izay vao mahatsapa ny mpanao gazety ka...
5. Herimiafina ( 09/09/2005 03:45)
Mbola misy ireny N'Gazety Ngah 'zaraina maimaimpoana amin'izay manome roanjato ariary' ireny ve any Dago any ry zalahy?
6. fijo ( 09/09/2005 04:45)
toa mbola misy ihany ka
7. Herimiafina ( 09/09/2005 16:00)
Mba te hihomehy kely aho mantsy e. Iza no manana mba scaner-na.
8. mpisotrtoaka ( 17/06/2015 12:58)
Voasazy amzany nareo a !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2032