Ny ampafa folonkarena sa rakotra fotsiny ihany

1. zama91 ( 18/08/2005 11:09)
mba lasa ihany ny saina hoe ahoana ihany ity fitakia mbola any ampiangonana ity,dia aiza ilay finoana,tsy rakitra ve dia efa ampy
novalian'i jentilisa ny 26/08/2005 13:38
2. bimanoa ( 18/08/2005 13:40)
le hoe ampahafolonkarena io aloha misy fiangonana sasany manao an' io fa tsy ny rehetra akory, amiko d arakaraky ny fanomezam-pahasoavana io ary ny vokatry ny fo no zava-dehibe e.
Le hoe finoana dia ampy, ny finoana tsy arahin' asa dia zava-poana ary ireny lazainao fa fitakiana ireny dia ampandehanana asa daholo. Raha ny tokony ho izy tokony hisy fotoana andinihana ny raharaha ( asa ) n' ny fiangonana ao aminareo, mba mihainoa dia hitanao hoe natao inona daholo le vola takiany aminao.
3. stephan ( 18/08/2005 14:28)
Ny adidy tsy an'olon-dratsy. fa raha mitaky vola tsy misy tatitra aloha dia nanangon-mbola ho an'ny tenany izy izay e!
4. zefalah ( 18/08/2005 19:43)
enao ve ranga ty aona a? le fitakiana vola any ampiangonana aloa dia mba anamboarana ny fiangonana sy omena ny zaza kamboty..ary tsy natao ho io no tena hivavahana,fa io juste fanapiana fotsiny iany.
zay manome hony omena,ary zay mamela ho avela.:roll:
5. xxx ( 19/08/2005 14:55)
zay zefa dia zefa eny foana =))=))
6. jentilisa ( 20/08/2005 08:56)
fetsilahy io koa zefa ahoana?
7. zama91 ( 20/08/2005 16:27)
any ampiangonana dia misy pasitera manizingizina mihitsy hoe aloavy ny 1/10em ny karamanao hampandrosoana ny fiangonana,mila ny pasitera manao example aloha ,hyo hitan'ny besinimaro
8. xxx ( 20/08/2005 17:44)
rehefa tsy hanao an'io exemple io izany ny pasitera de tsy hanao ianareo? fa tsy ho anazy anie no hanaovana an'io fa ho an'Andriamanitra e! ka Izy mahita izay nataon'ny tsirairay, fa ny ahy indray ataoko foana na tsy hisy oll na anakirany hanao aza,
9. zama91 ( 21/08/2005 20:24)
Izay anie mandoha rakitra eh,fa ilay hoe ampahafolonkarena mihitsy no ohatrany hafahafa,tsy hifanerena io va volontiers sady izany ampahafolonkarena izany koa zavatra hafa mihitsy tany amin'ny testameta taloha,
10. xxx ( 22/08/2005 07:41)
marina de marina io voalazan'i zama91 io hoe volontier, de ampahafiriny aza izany no ataon'i zama91 @ rakitra, ny testamenta taloha aza izay tandindona no milaza ny 1/10 vao maika v tsy ho ny mihoatra izany aza izao no tokony atao satria efa tsy testamenta taloha intsony izao fa vaovao indray?
11. stephan ( 22/08/2005 09:02)
Inona ary ilay zavatra hafa mihtsy tany amin'ny testamenta taloha lazainao? moa tsy mendrika ny hahazo ny haniny va ny mpitondra fivavahana? sa rakitra dia mahavelona azy ireo? ilay ariary zato fanaonao isan-kerinandro ve mba rariny?
12. zama91 ( 22/08/2005 16:40)
Dia ny rakitra no atao misimisy fa tsy terena ny olona handoha ny ampahafolonkarena,raha vao tsy mandoha ianao dia hampitahorin'i pasitera hoe tsy tahina ianao ry ralahy fa mandroba an'Andriamanitra
13. stephan ( 23/08/2005 07:35)
k'izany ary no voasoratra ao amin'ny baiboly koa! fa ny fanaraha-maso ny vola anie no tsara jerena fa tsy ny hanatavy ny kibony fotsiny no atao e! tsy hoe karaman'ny pasitera ihany io fa ny hofan-trano raha manofa, ny vidin-jiro tsy maintsy misy...didy mipetraka ilay izy.
na dia izany aza dia mitoetra ihany ilay hoe ny manome am-pifaliana no sitrak'Andriamanitra.
14. fafa ( 23/08/2005 12:06)
xxx>rehefa tsy hanao an'io exemple io izany ny pasitera de tsy hanao ianareo? fa tsy ho anazy anie no hanaovana an'io fa ho an'Andriamanitra e! ka Izy mahita izay nataon'ny tsirairay, fa ny ahy indray ataoko foana na tsy hisy oll na anakirany hanao aza,

Fa mila vola be ngah zao Andriamanitra zao aloha? de mankaiza koa le vola avy eo? tena lasan'Andriamanitra marina ve?
Antsika rehetra no mandinika izany!
15. xxx ( 23/08/2005 12:29)
fafa>>
tsy hoe mila vola b ilay Andriamanitra fa ny zavatra retra aza fananany daholo, fa mba hahitana ny toe-ponao no mba angatahiny ny 10% tao @ testameta taloha. Le vola indray de ataoko fa misy structure mba efa mipetraka ihany ao @ fiangonana mba hialana @ fankapanahy, ary amin'izay de lasan'Andriamanitra marina ilay vola, ary raha sanatria hoe tsy lasany ilay izy de mino aho fa tsy ho tezitra amiko izany nanome akory Andriamanitra, fa Izy no hanafay izay "faingatanana":-w
16. jimna ( 25/08/2005 04:33)
tsy tokony terena rehefa manao rakotra fa tokony tereny ao ampony tsirairay rehefa any ampiangonana ary tsy tokony hatao hitahy olona hoe nanome an'Andriamanitra, fa manjary mankalaza ny tenany!ihany ilay olona ,io!
17. fijo ( 25/08/2005 04:48)
za ve sady efa lany andro any no mbola handany vola koa le.tssssssssssssssssssssssssss
18. fafa ( 25/08/2005 07:51)
le izy nge ry x tsy mazava e! maninn raha tsorina fa hanamboarana an'zao fa tsy eo hoan'Atra kosa? sa @zay manome bebe ny oul? zà aloha tsy hanome be e! ny antony? satria izaho aza mangataka any aminy ko! avy eo ny vola any ampiangonana tsy mazava akory oe itsy mankaiza na iry mankaiza, na ny mahantra ao anatiny fiangonana aza tsy omena akory, ny ahy ireny no omeko fa tsy hanao 10% any aho!
Marina io voalazan'i jimna eo ambony io, tsy tokony hoterena ny olona fa aleo izy hanome ze foiny arakaraka ny fananany, tsy tambazana vola akory Atra vao hitahy fa fantany ny any ampo tsirairay any!
19. jentilisa ( 25/08/2005 14:50)
zay indrindra aloha e! amin'izay tsy misy intsony izany mpitondra fiangonana izany fa manorisory...sa tsy mety izany teniko izany raha tsy manana ny anjara toerany ny vola atokana ho amin'ny asan'Andriamanitra?
20. LazaRandri ( 26/08/2005 05:03)
io ange ilay mitomany ho Jiosy e! Misisika ho ambanin'ny lalana kanefa tsy misy mahatandrina ny lalana nomena ny vahoakan'Israely akory.

Tsy hafeniko anareo fa ao amin'ny fiangonana any ambanivohitray dia lasa fireharehana sy fifanindrina izany rakitra sy vokatra izany. Hany ka menamenatra kely ery izay tsy mahatakatra manome "millions".
Saingy izaho tsy menatra amin'izany. Ny ahy aza notenenina tamin'ny "micro" mihitsy hoe "LazaRandri dia nanome voka-dehibe ariary efatra" :) Ary ny tena nahonena dia ilay mpanandra-tena amin'ny vola sy harena indray no menatra teo anatrehan'ilay "ariary efatra" :)

Ary tsy ny fahadalana toy izany koa no atao misakana tsy hanompoana an'Andriamanitra satria tsy ny vola na olombelona tahaka ahy no ivavahako sy ianteherako na sanatria ataoko modely fakan-tahaka.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1092