baril??????

1. ainaheri ( 12/08/2005 10:54)
Nanapakevitra ny hanondrotra frais ho 300ar ny
fikambanan'ny mpitatitra ny ampitso 13 août nefa
misy ireo mpanjifa tsy mankasitraka izany,
ary raha mba manaraka vaovao izy dia mety ahalala fa ahatratra 70$ ny baril @ faran'ny volana araka ny vinavinan'ny manampahaizana!!65,~$ izy zao
répondu par Herimiafina le 30/08/2005 01:18
2. naritsimba ( 12/08/2005 11:35)
Aleo hisondrotra fa tsy koi io e,
efa tsy mahavita azy ny fanjakana de aleo andeha @ zao, fa angaha ny frais ihany no misondrotra fa tsy ny zavatra rehetra.
Ny fanafodiny tsy misy afa-tsy ny fampisondrotana ny karama isaky ny misondrotra ny vidim-piainana fa raha tsy izany de ny teo ihany no teo
3. Herimiafina ( 28/08/2005 23:21)
Miala tsiny noho ny fahafenoan'ny fahantrana be loatra fa mbola mahahinankanina ihany aho na dia lafo be aza ny vary satria tsimponiko any andohasaha ra eny fotsiny ny ana-madinoka dia efa lasa izao.
Manarak'izany dia kely Antananarivo ka vitako tongotra foana fa ny hakamoako taloha dia ho reseko ankehitriny. Fanampin'izay dia mbola afaka mividy vary aho na fefakapoaka aza raha manana 500 aty amiko angatahako eny andalana rehetra eny.
Ka tsy misy iraharahiako izay fampiakarana ny vidin'ny lasantsy sy ny entana rehetra izany fa velona foana aho
4. pika ( 29/08/2005 10:23)
ho an'ny olona irery izany fa raha mbola miteraka dia ahoana tsy ampinarina izany ny zaza ?
ny cahier ohatrinona ? ny fisoratana anarana koa toy izay
na sekolimpanjakana aza misy vola aloha koa e nefa rehefa tsy misy na ilay hamidy vary tapakapoaka aza
aiza ianao rafanjakana milaza fa ny vola betsaka fa ny handaniana azy no tsy hita :?:
5. Herimiafina ( 30/08/2005 01:18)
pika:

aiza ianao rafanjakana milaza fa ny vola betsaka fa ny handaniana azy no tsy hita :?:



Tsy tokony hanantena n'inon'inona amin'ny fanjakana intsony isika satria efa nisitaka tamin'ny sehatra rehetra izy fa ny lalàna sy ny arbitrage ary ny contrôle sisa no ataony lahasa. Izany dia imposition avy amin'ireo Mpamatsy vola mba handemy ny fanjakana any amin'ny tany mahantra.
Ahoana ary moa no hahafahantsika mbola mangataka amina fanjakana efa managataka sady efa nolemen'ny avy any ivelany.
I Ravalo ihany izao no mba manome espoara saingy tsy afa-manoatra aloha izy hatramin'izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0347