Ny finoana sy ny siansa

21. fijo ( 25/08/2005 04:57)
ka ny anareo malaky mila ady raha vao misy manoratra boky hafa ko.jereo code davenci
22. LazaRandri ( 25/08/2005 05:01)
hahaha! iza koa no hiady amin'ny xxx? sao kosa dia i Fijo no kanosa?:)
23. zama91 ( 27/08/2005 13:29)
ary tsy nisy namaly ilay fanontaniako hoe ny fivavahana jiosy vao 7000taona,moa ve talohan'io daty io efa nisy civilisation sa teo vao nanomboka ny creation du monde.Ary ilay resaka siantifika,ireo anie mino hoe misy ny atao hoe energie noire,izay adikantsika kristianina hoe Andriamanitra saingy eo amin'ilay resaka daty ity no tsy hinoany.Mampihomehy eto misy milaza hoe siantifika dia mino hoe misy olona velona 900taona ,dia ahoana no nanaporofoanao fa nisy izany raha hoe siantifika ianao,izay no maha samy hafa ny finoana sy ny siansa
24. zama91 ( 31/08/2005 16:09)
Raha misy milaza fa siantifika dia mahanfatatra tsara ny atao hoe carbone14,fomba fidatena zavatra iray,ary tamin'ny alalan'io carbone 14 io no nahalalana fa efa nisy ny olona taloha elabe.
25. zama91 ( 03/09/2005 12:11)
Tsy nisy namaly intsony ilay fanontaniana fa aiza ary nareo izany.Indray andro izay aho niheno radio nostalgie eto paris,fandaharana katolika momba an'ity siansa sy ny finoana ity,dia nambaran'ilay mopera fa tsy adama no olona voalohany,saingy teo amin'ny adama no nosokafan'andriamanitra ny sain'olombelona.Mampieritreritra ihany izany satria raha taloha dia voalaza fa ny tany no mihodina manodidina ny masoandro,dia novonoina mpitondra fivavahana a l'epoque io siantifika io satria lazaina fa heretika,nefa ny dia marina nolazainy nefa ankehitsiny ny katolika miaky fa tsy adama no olona voalohany. Hazavao ny hevitrareo
26. jentilisa ( 28/10/2005 06:03)
zama91:

ary tsy nisy namaly ilay fanontaniako hoe ny fivavahana jiosy vao 7000taona,moa ve talohan'io daty io efa nisy civilisation sa teo vao nanomboka ny creation du monde.Ary ilay resaka siantifika,ireo anie mino hoe misy ny atao hoe energie noire,izay adikantsika kristianina hoe Andriamanitra saingy eo amin'ilay resaka daty ity no tsy hinoany.Mampihomehy eto misy milaza hoe siantifika dia mino hoe misy olona velona 900taona ,dia ahoana no nanaporofoanao fa nisy izany raha hoe siantifika ianao,izay no maha samy hafa ny finoana sy ny siansa


Ilay hoe 6000 taona mahery be mbola tsy ampy 7000 tsara araka ny fahalalako aloha dia izay no napetrany ho azy! mbola tanora loatra ny tany raha izay no ambara!

Ny momba ny 900 taona indray dia possible raha ny fijeriko azy! mahita aloha isika fa nitsontsorika ny halavan'ny taonan'ny olona ao anaty baiboly. Raha ny fihevitra fotsiny amin'izao dia hoe tokony ho kely ary ny salantaona tamin'izany fotoana izany noho ny aretina sy ny ady sy ny karazany!
Saingy izao, tamin'ny boky tatsinanana iray (tsy tadidiko na tao io na bodisma) dia nanoratra ilay nanoratra ny boky tranainy fa nisy olona iray efa roanjato taona mahery be izy vao maty. Sinoa io olona io.
Lasa angano moa izany rehefa tsy ampy tosika ny porofo. Finoana na tsia ilay tenin'ilay olona sisa no mipetraka.
27. diamondra27 ( 28/10/2005 10:20)
tantara daholo zany an
28. diamondra27 ( 28/10/2005 10:30)
samy manana ny finoany ny tsirairay ry namana a! Ao ny mino an'Jehovah, ao ny mino ny Allah, satana, cris en homme, an'Anriamanitra= Chrétiens, etc...ny siansa jay de raolombelona no nanao an'io.

De raha araka ny tenin'Andriamanitra de oe:T@ voalohany ny TENY ary ny TENY dia ANDRIAMANITRA jereo Jaona 1 andininy 1 zay aloha raha araka ny finoana Kristiana.

Ny siansa zany de raolombelona no nanao io satria Andriamanitra no nanome antsika fahalalana mba ahafantarantsika ny ratsy sy ny tsara rehefa avy nihinana le voankazo voarara Eva ka nozarainyt@ Adama, ka tezitra Andriamanitra de nalefany taty antany isika . De avy t@ izay ho an'ireo siantifika no nahazoany sy nolazainy fa ny olombelona de avy t@ babakoto etc... sy klonage koa ary atsy ho atsy
29. xxx ( 28/10/2005 11:02)
ny fiheveran'ny olona fa tampom-pahaizana ihany no hamalian'A/tra azy araka izay e: aiza ka manao ny tsy fanao, contre nature satria mahay loatra ny olona. Omby omena vovoka hena hahabe protéine azy de hoe tsara ny rendement @ ronono, vokany? vache folle. Ny vorona omena izao karazan-javatra rehetra izao mba ho haingana ny fitombony, de io ny grippe aviaire
30. diamondra27 ( 28/10/2005 11:38)
zany no atao hoe contre la nature e!
31. routa ( 28/10/2005 15:38)
zaho aloha tsy avy t@ babakoto na de tsy tsara lotra aza ny endriko fa taranak'olona noharin'ny tanan'Andriamanitra ka!:)
xxx>zany mihitsy ny fanaovana ny tsy fanao no nahitandoza tahak'ity .
ity klonage ty ko de mampitahotra efa te hihoatra ny fahaizan'Andriamanitra mihitsy ny zanak'olombelona.
nahita saka aho efa tsy le tena saka tsony fa klonage de sady gaga ny tenako de nanontany hoe ary ahoana ny akoho reny efa ela2zay an!eto aho vao tonga saina
32. zama91 ( 03/11/2005 14:21)
Dia ianao izany le sahy mikipy ny marina hoe izao rehetra izao dia vao 7000ans raha betsakaka indrindra
33. lapino ( 09/11/2005 04:39)
Dia ianao izany le sahy mikipy ny marina hoe izao rehetra izao dia vao 7000ans raha betsakaka indrindra


Ny fotoana koa ange relatif e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2264