Fanorona!

1. rToukkys ( 10/08/2005 12:59)
Nataoko izany izay hahafahana milalao ny lalao malagasy tena tiako indrindra dia ny Fanorona. Efa vitako izao ny voalohan-dohany, mbola ho hohamariniko tsara aloha e! Ny mifanandrina amin'ny solosaina sisa no tsy hitako izay hanaovana azy, afaka manampy ahy ve ianao io e! (Efa azo lalaovina tsara ilay izy fa saingy hoe tsy maintsy mpilalao roa)

Misaotra mialoha e!
répondu par rhtovo le 29/11/2010 18:16
2. lilbon ( 10/08/2005 14:24)
za kou tia be io lalao io fa tsy haiko hoe aiza no site ahafahana mifanandrina eto amin'ny solosaina .raha mba mahita ianao de lazao kou za .
:):):):)=D=D=D
3. belo ( 10/08/2005 15:18)
ity misy rohy raha te-hilalao ianareo :
http://perso.wanadoo.fr/harinaivo.andriambololona/fanorona.htm

dia mazotoa e!
4. fijo ( 10/08/2005 22:15)
naika hanao aho fa tsy nety le
5. zama91 ( 11/08/2005 10:27)
Mba tena tia fanorona,mety azo atao ve olona rao manao azy fa tsy contre ordinateur foana,efa nanandrana aho fa tsara be
6. zama91 ( 11/08/2005 10:34)
tsara be fa dia anjamo,ny indro kely tsy afaka mifanadrina isika eto amin'ny serasera fa ordi
7. vancleef ( 11/08/2005 13:18)
Tsara ilay hevitrao faha aza mamorina rano mafana. Efa be dia be ny takelaka momban'ny fanorona eto @ Internet nataonoin'ny amerikanina sy ny hafa ary misy ny source ny programa @ Java sy ny sisa ka jerevo aloha dia avy eo hatsarao. Jerevo @ Google hoe "fanorona"
8. rToukkys ( 16/08/2005 09:58)
Ary tsy noeritreritiko hoe efa tena be dia be ny takelaka miresaka ny fanorona, tsy maninona fa hiezaka ihany aho aloha hamitako azy hatramin'ny farany,

Amin'ny manaraka e!
9. rhtovo ( 29/11/2010 18:16)
Izaho efa nahavita fa ny olana izao dia rehefa akaiky hifarana ny lalao no tsy mahay ny solosaina. Raha ohatra ilay izy mitarika fito sy telo ohatra, kanefa tsara toerana ny mpifanandrina dia tsy hainy ny manolotra vato atao sorona mba hahafahany mandresy avy eo. Raha sendra mahita hevitra ianareo dia mba lazao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2257