IRIKO...

1. DadaRabe ( 29/07/2005 16:53)
IRIKO...

Iriko ny hizara ireny mamy aminao,
Ho entintsika miatrika izao tontolo izao...
Sy ny setrasetrany.

Tiako ny mba hiaraka midola aminao,
Hanandramantsika izao rehetra izao...
Sy ny rendrarendrany.

Ilaiko ny hanambatra ny heriko aminao,
Hanosehantsika ‘reo mpila rahoraho...
Sy ny dedadedany.

Lalaiko ny hiaina sy hitoetra eo aminao,
Ahafahantsika miaina ny ampitso vaovao...
Sy ny firedaredany.

DadaRabe
La Charité
27/07/05 16:00
novalian'i loloniary ny 12/08/2005 05:22
2. vaovao ( 30/07/2005 04:16)
kanto e!=D=D=D=D
3. maditra ( 30/07/2005 04:26)
Azoko indramina ve izao ry dadarabe hikonitko sipa? Hihi, vandiko izany fa milay be fitsiny izany no comments e.
4. anja2000 ( 30/07/2005 04:46)
Dadarabe an andao ary e:lol:
5. vonimboasary ( 30/07/2005 05:14)
Tsara sady mahafinaritra ilay tononkalo fa tohizo e!
6. poupounesana ( 30/07/2005 13:45)
zany ka faniriana....
7. Iriniaina ( 31/07/2005 06:47)
tsara be
8. klemntina ( 31/07/2005 18:47)
tena milay be Dadarabe biravo e!!!!
9. ari.malala ( 01/08/2005 06:15)
=D=D=D=D=D:}:}:}:}:}
10. Veloo ( 01/08/2005 19:12)
ie tsara ka hanatra ho antsika rehetra io:wink:
11. fijo ( 03/08/2005 21:34)
naika mba halefako io;hoan'izay olona izay,
12. lilbon ( 04/08/2005 04:29)
Izaho de velom-panontaniana
mba maniry aho hanana olon-tiana
amin'izay de lavitra ahy izao fahoriana

faly aho raha lasa namanao
ho afaka ny rahona izay mitatao
de ho lasa lavitra 'zao fijaliana 'zao

13. lilbon ( 04/08/2005 04:30)
milay ilay manao poesie kle !poesie io an !:twisted::twisted:
14. fijo ( 04/08/2005 04:43)
ary namana fotsiny ve no tadiavina eo sa ahoana ra lilbon?
15. loloniary ( 04/08/2005 05:39)
poesy, nentan'ny aingam-panahy hono i LILBON ry FIJO an!
16. fijo ( 04/08/2005 22:27)
hay,lasa niainga le fanahy.hummmmm miverena ihany an.
17. mandrindra ( 05/08/2005 12:49)
de nandeha aiza hono ?
18. fijo ( 09/08/2005 19:56)
lasa nitady fanahy namana
19. loloniary ( 12/08/2005 05:22)
Fijo, Mandrindra> Aleo feheziko @ hoe :
"...Takarina sarotr'alaina,
kanefa de marom-pitia"

Miteny ho azy ny lohanteny hoe : "IRIKO..."
Jereo nge ny fiantomboky ny tonokalo isan'andininy hoe : Iriko..., Tiako..., Ilaiko..., Lalaiko...

Samia mahay mankafy azy e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.5081