Ny vaovao lehibe nambaran Atoa filoha Ravalomanana omaly

1. ravatorano ( 29/07/2005 06:20)
Raha tonga nanokatra ny SALAMA 2005 teo amin ny palais de sport Mahamasina ny Filoha Ravalomanana dia nanambara fa dia ho foanana ny hetra alaina amin ny fadi tseranana eo amin ny akora anaovana ny asa tanana eto Madagasikara.Nilaza ihany koa izy fa tsy nanontany na niera na tamin iza na tamin iza fa d nanapa-kevitra samirery.
Firy isan jaton ny vola miditra eo amin ny fadi tseranana moa ireo akora voalaza fa tsy andoavn ketra intsony ireo?
Mety hampiova ny fidirambola eo amin ny kitapo-bola-panjakana v ?
Ho antsika tsy mahalala ny antsoina hoe salama aloha dia izao : SALon de l ' Artisanat MAlagasy(SALAMA).
novalian'i fijo ny 04/08/2005 23:09
2. Mifenty ( 29/07/2005 07:34)


Tena misy tsy azoko le tantara kle

ny iray atsy milaza fa tsy nahazo fanasana i ra8.

eto indray dia hoe "raha tonga nanokatra ny SALAMA... .... ny filoha" = voaasa izy.

Tsy azo tsy araka tsy hay le
3. mandrindra ( 29/07/2005 08:09)
Ny mandray fanaphankevitra samirery ary mamoaka zavatra toy izao anie dia tsy voalohany io e.
Ny mahavarina kely ahy dia ity, ao amin'ny Tribune androany dia mazava tsara fa sarotra ho an'ireo mpanao taozavatra ireo ny mindrana vola ahafahana mividy fitaovana. Koa ny fanafohana ny faditseranana ve dia vahaolana ahafahan'izy ireo manatanteraka izany.
Nambaran'i Ravalomanana fa ahazo famatsiana ara bola voalohany amin'ny MCA hono ry zareo, ohatrinona izany? rahoviana no ho azo? dia inn no ampiasana azy?
4. ari.malala ( 29/07/2005 08:56)
ary ilay we "halohako ny hofan'ny stand nareo na ohatrinona na ohatrinona"?!! d ity scandale nataony we tonga d lasa d niverina ndray avy o, sady miavona any zany raha olona ê! nalefan'ny RDB manko ny interview anazy talohan'ny nidirany tao @ palais fa valinteny feno avona b!!! zany v no RAD?
5. naritsimba ( 29/07/2005 10:29)
ari.malala> RAD nareo io ka fa tsy anà
6. ravatorano ( 29/07/2005 11:07)
RAD marina izy satria izy no filohampirenena ary avy aminy no itarafana ny fiotondram panjakana eto amitsika.Ny vola azon dry zareo amin ilay MCA raha tsy diso aho dia eo amin ny 200 millions usd eo .Tsy d tsaroako loatra ilay sifra aloha eh.
Mahagaga tokoa fa tokony niandry teo izy rehefa niandryj ihany fa tsy avy d nandeha d niverina indray.Fa amiko ny tena lehibe tamin iny kabariny iny koa dia ohatran ny mazava fa d tavela eo amin ny toerany ihany ingahy Lahiniriko ary ny tim d tsy ho ravana ho potika izany mihitsy na b aza ny mpanenjika houzy.Izany hoe na hisy aza ny motion de destitution an ireo membre ao amin ny bureau permanent ny assemblée nationale d tzsy hahomlby izany sady nifarana anio koa moa izany fivoriana izany ka afaka dimy vola indray mifankahita eh .
7. fijo ( 04/08/2005 23:09)
raha io fomba filazany hoe "tsy nierako tamin'iza io aloha"dia tena zavatra mampanahy e.satria ny fanafoanana haba dia ny depute no tokony handany izany,fa tsy olon tokana ,na filoha aza izy.midika fanaovana tsinotsinoan ny mpiaramiasa amin'ny tena izany.azony natao koa anie ny nandany izany tamin'ny fivoriana'ny ministra e,fa tsy avy dia vantanabe toa io.
ilay hevitra tsara,fa le fomba no tsy ekeko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.104