Ny kilalao fahiny

21. sahouly ( 01/08/2005 15:48)
fasaly>:-D:-D:-D ie; tena marina mihitsy zany ka!
22. jajaf401 ( 01/08/2005 20:12)
Tokony hazavain'i ainaheri tsara ny tiany hambara fa ny kilalao teneninao ange efa tsy kialalao intsony amizao eh!!!! ary ankizy efa au courant n'izay ka lasa mitady kilalao amin'ny endrika hafa izy hanalavitra an'izay, dia ho solitaire aloha izy any @ playst°!! Sa tsy zay?
23. mandrindra ( 02/08/2005 13:40)
tsy voatery hanimba ny playst sy ny karazany rehefa hain'ny RAR ny mitantana azy. Asiana fetrany ny fotoana hilalaovan'ny ankizy azy. Amin'izay mitondra vokatsoa mihitsy aza ny jeu vidéo satria mampitombo ny réflexe ary koa manome esprit constructif. Toy ny zavadrehetra io rehefa atao amin'ny antonony dia tsara.
Ny mahatonga ny ankizy lasa mpiotkamonina any amin'ny jeu vidéo dia satria tsy manana fahefana mainy intsony ny RAR hanitsy ny lalany.
Noho izany tsy voatery ho ny ankizy foana no diso fa ny RAR mpitaiza koa manana ny andraikiny.
24. fijo ( 03/08/2005 04:41)
vao namaky vaovao "tribune" aho omaly,ary faly nahita fa toa miverina manao ny lalao taloha ny ankizy gasy izao.noho ny hamafin'ny fiainana
25. sipagasy ( 03/08/2005 19:48)
izao e!!! ny kilalao dia mivoatra araka ny vanim-potoana ianinana avy e!!! sy koa ny sandam-piainana ihany koa no mety hanananana tsia ilay kilalao e!!! nety tamintsika fahiny ny vitsiliha & kivarivary fa izao efa tonga i barbie & ken sady manana trano no manana sambo de ahoana ??? avelao ny ankizy hilalao fa antsika lehibe no mampiseho azy kosa ny niainantsika e!!!, tsy haiko aloha fa izay ny ahy no ataoko e!! & nanamboarako io site io ho an'ny zanako.

Mamaly ny fanontanian'ny sasany indray kosa aho hoe izay alefanareo tsy mampaninona avokoa e!!! izay mety karazana lalao & tsianjery kely fahiny fony mbola zaza ireny e!!!, ny mba tena tadiaviko izao dia ilay fianarama manisa hoe:
1 amontana
2 aviavy
3 fangady
4 rofia sns e!!! mba tohizo azafady e!!!!!
Dia mbola mamerina misaotra ireo efa nandefa manokana taty amiko koa e!!! mankasitraka ny fiaraha miasa e!!!
26. 2titi ( 13/05/2013 10:28)
raha te hanao activité hampalalana ny ankizy @zao fotoana ny kilalao taloha dia inona ny hevitr'areo? ohatra: fanorina, katro, angano,..... izay atao ao @na centre iray rehefa alarbi ariva ohatra. Mankasitraka e!
27. 2titi ( 13/05/2013 10:33)
raha te hanao activité hampalalana ny ankizy @zao fotoana ny kilalao taloha dia inona ny hevitr'areo? ohatra: fanorina, katro, angano,..... izay atao ao @na centre iray rehefa alarbi ariva ohatra. Mankasitraka e!




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1233