Ahoana ny tokony atao mba.......

1. Rambofrau ( 18/07/2005 15:07)
hitsinjovana an'ireo vhv bevohoka mba tsy ho tratran'ny fausse couche?????
Fa inona marina ny mahatonga azy io eh??????
misokatra ny adihevitra
novalian'i fijo ny 20/07/2005 21:55
2. fasaly ( 18/07/2005 15:55)
misy antony maro ny mahatonga ny vehivavy ho tratra'ny fausse couche.
misy izy efa zokinjokiny be vao miteraka , misy ny vehivavy tena sensible be mintsy ka na vao manao effort kely aza de lasa, misy izy noho ny aretina sns. fa amiko rehefa tonga lay izy de tonga fa ny tsara angamba de ny manao ifazahana sy fiomanana alohan'ny vohoka.
3. booboo ( 18/07/2005 17:43)
ankoatra zay koa ndraindray resaka chromosomes, mety ho toxoplasmose, misy antony maro beeeeeeee .Fa ouz lay doko zay oe fomba fi-éliminer-n'ny Nature izay tsy ao tsara oe ny FC. Méchant be ilay fanazavana fa izay "la Nature fait bien les choses". Tsy mora klou ho an'izay efa nanao FC na izany aza :?
4. fijo ( 18/07/2005 21:22)
marina izany ry booboo.sady maro ny antony ka sarotra be fa azo tsaboina kosa anefa
5. mishou ( 18/07/2005 21:32)
raha fahasalamana de aleo manatona mpitsabo e, aza miresaka @ olona mihitsy fa tsy recette io ka izay mety t@ ranona akory tsy hety aminao mihitsy
6. fijo ( 18/07/2005 21:35)
izany ka zaza hendry marina an
7. pika ( 19/07/2005 09:17)
michou marina izany
8. aliotsy ( 19/07/2005 13:56)
maka aina koa matetitetika fa tsy mi se forcer manao zavatra nefa efa KO
9. fijo ( 19/07/2005 20:55)
ie,izy koa izay.ary matory dia tsy mijery film orera be
10. kally ( 20/07/2005 08:14)
Fijo koa mampihomehy:-D, raha misy film ôrera izany dia hoe matoria fa aza mijery an'io fa sao afa-jaza eo!:-D:-D
11. booboo ( 20/07/2005 09:02)
hihihihihihi tsy nampoiziko ndray iny lé
12. Rambofrau ( 20/07/2005 10:57)
Misaotra betsaka anareo, ny tena nahatonga ahy nanao anio sujet io mantsy dia hitako hoe be dia be ny vhv aty Europe no tratran'io ka sao dia ilay tontolo iainana aty mihintsy no mahatonga anizany.
T@ boky koa no nahitako fa ny vehivavy bevohoka dia tsy tokony hihinana Mananasy be loatra fa mitarika fausse couche.
13. isrine ( 20/07/2005 14:57)
zany ve ry Rambofrau, ny mananasy koa isan'ny mitarika fausse couche?
ny rythme ankehitriny mihitsy no henjana, satria na tokony haka aina aza ny vehivavy, nefa ianareo lehilahy tsy antrano lava fa raikitra à asa, de iza no hanao ny asa ao antrano, ny fantatrareo rehefa tonga ao antrano de sakafo ihany!!! na vao miala eo amandriana de tolorana sakafo, aiza anefa no hiainan'ny vehivavy e!
14. fijo ( 20/07/2005 21:55)
rambo an,ny stresssssss aty mihintsy koa no tena mahatonga azy io e.tsy milamina ny saina ka dia tsy tana le vokatra e
kally mampiomehy ahoana indray aho le
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1391