rahoviana?

21. fijo ( 20/07/2005 21:36)
vancleef,ny gasy aloha raha teny vahiny dia mahay lavitra noho ny frantsay e.diso le voalazanao tery ambony.
fa ekeko kosa le hoe tokony hiezaka hanaraka ny zavamisy eran tany.saingy ny olana anie dia izao e.ny comm any amintsika mbola tena lavitra be.
ary jereo tsara koa fa ny tany mandroso,dia manao izay tsy hivoahan'ny olona avy amin'ny tany mahantra mihintsy.tsy aharaka mihintsy anefa isika raha tsy mahita ny an'ny sasany.
22. isrine ( 22/07/2005 12:27)
nga isika ho afaka à fahantrana izany mihitsy. ny trosa no ho foanana matetika eo fa ny sisa dia ny omaly tsy miova.
Raha tsy hoe mba avadika kely ny rasa: mba andramana atao betsaka vehivavy ao @ governemanta...
23. fasaly ( 22/07/2005 15:46)
marina izany, sarotra be mintsny ny manarina azy fa efa tena latsaka be mintsy kou!
24. kally ( 22/07/2005 17:09)
Tsy ny maha-vehivavy na ny maha-lehilahy no hampiova an'io fa raha mba samy manao ny asany na dia kely fotsiny aza ny tsirairay dia hisy zavatra mba miova eo.Nahoana no tsy asina fanarenana mihitsy ny zavatra tsy mety rehetra fa dia ny eo ihany no eo?
25. sonwin ( 23/07/2005 18:38)
miasa tsara dolo dia milay ny tanana
26. scorpion ( 24/07/2005 08:23)
milay ny tanana rehefa miasa tsara daholo
27. isrine ( 24/07/2005 08:25)
ny mahatonga ahy hilaza hoe: mba atao be vehivavy ao @ governemanta dia izao, satria ny lehilahy foana no teo ka jereo ny vokany.
ny sain'ny vehivavy anie efa zatra ny mizarazara e: tokatrano , ny ankizy, .... maro, fa tsy mionona @ hoe asa birao. fa ianareo no lany andro @ pause café lava rehefa mivory, lany @ fampirafesana ny fotoana, na ny fivoriana aza tsy vonjena. zany hoe fitiavantena no betsaka @ lehilahy. ny anareo lehilahy kabary fa tsy asa.
28. scorpion ( 24/07/2005 08:40)
dia isaky ny bevohoka ve dia hisolo ministra?..dia hanao ahona koa ny tokatrano raha hiasa adiny 12 isan'andro ramatoa farafaha-keliny?
29. britney ( 24/07/2005 10:41)
ko ny vazaha betsaka ny vehivavy ministre mahavita koa nahoana ny gasy ny ho latsaki'zany e!
30. kally ( 25/07/2005 07:53)
Tsy hoe tsy mahavita azy ny vehivavy raha lasa minisitra fa na vehivavy no eo na lehilahy rehefa samy tsy hiasa mitovy ihany, tsy izay mihitsy no ilaina.
31. mandrindra ( 25/07/2005 09:42)
marina izany kally a !
32. isrine ( 25/07/2005 13:47)
avadika aloha ny rasa hijerena azy e.
33. fasaly ( 25/07/2005 15:19)
otsan'ny gisèle rabesahala taloha ve? nahavita azy be mintsy
34. fijo ( 26/07/2005 04:56)
marina be ary tena matotra le resak'i kally.
fasaly ka gisele anie tsy mbola manna sipa dia mety e,nefa izy aza tsy nisy raha vitany mihintsy teo.
35. fasaly ( 26/07/2005 06:29)
hihihi! sao ko ka mbola virj ko azany izy ry fijo tamreny
36. mandrindra ( 26/07/2005 08:21)
mety tsy tamin'ireny ihany fa hatramin'ny farany mihitsy ka.
37. johns ( 26/07/2005 13:50)
Rehefa miova ny toe tsaina tia kely.
Jerevo tsara anie fa raha vao miakatra izao ny lasantsy dia na de tsy miakatra aza ny frais dia misy mampiakatra sahady ny vidin'entana eh ty aho eto.
38. isrine ( 26/07/2005 14:04)
johns:hihihi......... tena marina. fa à ankapobeny anie mifampiankina ny fiainana e.
39. fijo ( 26/07/2005 20:43)
johns fa eto frantsa ngah rehefa miakatra ny lasantsy tsy miakatra ny vidin'entana????????
40. isrine ( 27/07/2005 13:49)
fijo: hita wa ko, n'aiza n'aiza dia ohatr'izany daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2078