Enjana sy mazana ny toe-draharaha ara-toe-karena eto an-tany.Lalanan\'ny matanjaka sy ny be sandry no manan-kery.Mahatsiravina ny fifaninana sy ny hery setra miseho mba hanjakan\'ireo vaventy.Indraindray dia mihevitra aho fa resaka be fotsiny ilay \"democracy\" fa ny zava-misy dia hafa mihitsy.Izay manam-basy ihany no henoina sy ankatoavina.
Raha mijery ny sary tanin\'izao tontolo izao ianao dia ny tapany avaratra dia matavitavy sy botabota toy ny verre-na champagne,ary ny tapany atsimo dia mahia kely sy maina toy taho-mangahazo.Lasa any avaratra daholo ny harenan\'ny atsimo!
Aiza Ra-malagasy eo anivon\'izany?Victime-n\'ny atao hoe fahantrana voarindra isika malagasy.Inona no atao hialana amin\'izany??? Atsipy ny teny ao am-pon\'ny mahalala.....