JO2012

1. ainaheri ( 11/07/2005 19:58)
Tsy manaiky ny Maire ny Paris fa tsy nanaja
ny lalànan'ny CIO hono ry Blaire(Londres)
novalian'i fijo ny 13/07/2005 20:51
2. lo ( 12/07/2005 02:58)
inona hono le lalana tsy najain'i Londres? mba lazalazao we fa tsy arakay :)
3. ainaheri ( 12/07/2005 06:27)
zay no nolazainy @ ankapobeny fa nolazain'ny frantsay
fa nitriche hono Londres fa tsy nazavainy lay izy.
4. stephan ( 12/07/2005 07:12)
Aza mba tsy mahatanty resy ihany e! favy aho e! inona aho e! rehefa resy dia resy fa tsy mbola be taimbava eo!
5. mpanakiana ( 12/07/2005 07:14)
Raha ny frantsay ndray tsy mahagaga malahelon-kanina
nga tsy tadidinareo lay Jeux natao tao aminy tao iny d sasatra ny mireclame ny ataony da mahazo medaly:twisted:
6. mandrindra ( 12/07/2005 08:43)
Ny fihetsika nokianin'i Delanoe dia toy izao :
Tamin'i Jacques Rogge lany ho filohan'ny CIO dia namoaka lalàna izy milaza fa tsy azon'ny mpikambana ao amin'ny CIO atao intsony ny mandeha mamangy ireo tanana handray ny JO ivelan'ny famangiana ofisialy. Ambonin'izay dia tsy mahazo mifanerasera amin'ny mpanentana any amin'ireo tanana ireo ny mpikamabana ao amin'ny CIO.
Tamin'i Tony Blair tany Singapour anefa dia nanndray mpikamban'ny CIO maro izy tao amin'ny hôtely nivantanany.
Izay tranga izay no tsikerain'i Delanoe. Marina ilay tsikera raha tena jerena ny lalàna. Saingy diso tara loatra, raha tiana ho dradradraina izany dia talohan'ny fifidianana izy no tokony hanao izany satria azony atao tsara ny nametraka fitarainana manolonana ny CIO. Maninona no tsy nataony ?
Zavatra efa vita izany ka raha fifaninana olympika no tsy hananana fair play dia tsisy maha JO azy instony.
Ny an'i Delanoe dia positionnement politika no hivazavazany an'io fa mba mitsinjo ny 2007 ihany koa izy. Ny hilazany an'io dia mba hoe tsy ny tsy fahaizany no tsy nahatonga ny JO 2012 ao Paris.
7. ainaheri ( 12/07/2005 09:04)
:@ okay
8. Mifenty ( 12/07/2005 11:22)
gazety androany io le
9. jhouhlambout ( 12/07/2005 13:24)
:@ ary ny J.O Madagascar raoviana?
10. mandrindra ( 12/07/2005 14:32)
rehefa tonga i bemolanga
11. fijo ( 13/07/2005 20:51)
mandrindra marina io voalazanao io;
tokony natao taloha ilay izy,fa nanatena handresy izy dia nangina,kanjo.......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0927