ohabolana sy fomba fiteny diso kanefa olon-dehibe no mikabar

1. miandrianao ( 08/07/2005 07:30)
Fantatra fa lafo ampitsangana isika raha ny teny-drazana ary afangaro @ han'ny hafa:"ka lasa tambavin-dratia laza ka mabotrabotra ny any ivelany
fa mahafaty ny ..."
Ireto misy foma fiteny diso!ka na olona mikabary aza dia miteny azy oh:Ady vomanga any kirijavola ka ny maso no tonga dia potsirina
ny marina:"Ady voay,manba any kirijavola ka ny masony no potsirina"t@andron'ny fahapanjaka.
oh:Mahantra mitafa @panana ka mitaky iditrano.
Ny marina:"Mahantra mitafa @panana ka mitaina(mandoro
atao afo fanafanana)hiditrano.
oh:Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.
Ny tody misy ny atao miverina.
oh faha 4: anao
novalian'i Bocassa ny 26/08/2005 16:17
2. kally ( 08/07/2005 08:14)
Nahafinaritra ilay fanitsianao saingy ny tsipelinteny kosa ahoana?:roll:
3. Mifenty ( 08/07/2005 08:57)
Ny tany nahavokisana hono tsy hijanonana ela

Ny izy :
Ny tany nahavokisana, ny tsihy ijanonana ela.
4. ainaheri ( 09/07/2005 01:38)
kally>:D:roll::?:
5. lilbon ( 09/07/2005 07:39)
AH! mahafinaritra ity takelaka iray ity !
misy hiadiana hevitra tsara !
mifenty,
manao azfa dy fa tsy azoko loatra ilay fanitsiana ?
inona moa no hevitr'io fomba fiteny io ?
hoa hy mantsy ny fahazoako azy dia izao !
ny tany nahavoky ,tsy ijanonana ela .
satria ny tany nahavoky rah mbola hijanonana dia mety hanala-baraka satria miandry ny manaraka anefa mety handrezatra eo ianao.@Malagasy manako ny fomab refa lany ny sakafo ka voky ny mpihinana dia mifindra toerana eo atsimom-patana mba tsy hirosoana intsony @manaraka ary ahafahan'ny sasany kosa miditra eo avra-patana .raha mijanona eo ianao de midika izany fa mbola tsy voky!:idea:
6. miandrianao ( 09/07/2005 09:11)
zao ny tany nahavokisana ny tsihy no hijanona ela!
efa voky ianao ka inona no mapiasa saina
ny tsihy @msy dia toerana fipetrahana raha hisakafo
o.k
7. Mifenty ( 09/07/2005 10:13)
lilbon

io efa novalian'i miandrianao io le izy ka

refa misakafao fahiny dia mampiasa tsihy .

rehefa vita ny sakafo dia miala sasatra sy mitafatafa ny mpianakavy ka eo ambonin'nilay tsihy avy nisakafoanana no mipetraka (ny tsihy ijanonana ela).

Mbola betsaka no ampiasan'ny malagasy ny tsihy fa santionany anie io hoe isakafoanana sy ipetrahana io eh.
8. Mifenty ( 09/07/2005 10:14)
ty kou misy iray

izay tsy mahay sobiky mahay fatam-bary


ny izy :

izay tsy mahay sobiky mahay fatram-bary.
9. pitchou ( 13/07/2005 11:49)
"Ady voay,manba any kirijavola ka ny masony no potsirina"
ny tena izy dia "adin'ny voay sy mamban'i Kirijavola, tonga dia ny voamasony no potserina"
"ny tany hono no nahavokisany, ny tsihy no nijanonana ela"
lasa somary manonona haingana loatra ny olona dia miova ny hevitry ny fehezan-teny matetika
10. Mifenty ( 13/07/2005 21:07)
Misy iray koa ity.

rehefa avy mandray zavatra na oaotroatr'izany de zao no avalin'ny olona
tsisy fisaorana


Ny izy anefa dia hoe

tsy misy isaorana izay hoentina manafohy ny hoe 'tsy misy tokony hisaoranao ahy ny amin'izany'
11. Bocassa ( 26/08/2005 16:17)
"tany nahavokisana, tsy hijanonana ela". Ny dikan'io dia hoe: rehefa voky dia aleo mipitsika fa mahamenatra be ny miteny amin'ilay tompon-trano hoe: aiza kay ny WC-nareo ? Rehefa voky mantsy ny tena dia toa mitady WC. Ka raha marary kibo eo enao dia lasa misolitika be ny WC-n' ny tompon-trano. Aleo ihany mifanaja
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.222