Andalo i Chirac

1. ainaheri ( 06/07/2005 18:23)
Andalo any Dago i Chirac atsy ho atsy d amboarina ny lalana mankany Iavoloha
novalian'i fijo ny 11/08/2005 22:26
2. fijo ( 06/07/2005 18:55)
ka dia ny ratsy kosa ary ve no aseo azy?????dia iza no ho afabaraka raha izay ???
3. zefalah ( 07/07/2005 00:03)
ny zana-boay hono tsy mivoaka fahatany fa,ao raha
matoa izy andalo any dia misy tonbo-soa ho azy zany.
efa ainy be sy maro anie fa france mody manome 100franc nefa mangalatra 200franc e..vazaha reny ary olona niatra.. ny mahasoa ny fireneny no ataony
.za aloa tsy gaga raha toaka anamboatra lalana any izy..satria efa maro zay vola ny malagasy laniny zay
ary mbola ho maro koa...
resaka hoe ny ratsy ve no ampiseona azy..amiko aloa dia aleo mihintsy le ratsy iny no apiseo azy..amin'zay manambara fa le firenena malagasy dia tsy manao zavatra ze mahasoa ny tanindrana fa miandry angataka fona..ary toiny mpamsavy malemy ka ny ao atrano iany no amsavina..mifampihinana..samy madinika..kely maty ny be..ary be mihinana ny kely.
4. kally ( 07/07/2005 06:41)
F'angaha volan'ny frantsay no nanamboarana ny lalana?tsy volan"ny eropeanina?
5. lebaba ( 07/07/2005 09:12)
zara aza nisy an'i Chirac handalo de mba tonga saina hamboatra koo
6. xxx ( 07/07/2005 09:19)
kally>Ary anga ny frantsay tsy eropeanina ?
7. booboo ( 07/07/2005 10:00)
Tsy ny UE marina angaha no namatsy io vola io ?
8. mandrindra ( 07/07/2005 10:27)
tsy dia ny hoe avy aiza loatra angamba ilay vola no tena zava dehibe amiko, fa ny hoe tena nilaina ve ny nanamboarina ireny lalana ireny, efa simba marina ve izy ireny. Satria io vola io anie tsy nomena fotsiny fa nampindramina e. Izany hoe trosa mbola ho ahilika koa tsy tsara ve raha ampiasaina any amin'izay mety mitondra vokatsoa. Sa ny fandalovan'i Chirac any Madagasikara dia mampitombo ny harena malagasy? Izay indray aloha no tsy haiko!!
9. ainaheri ( 07/07/2005 12:16)
mandrindra< miombonkevitra aminao aho noho i chirac nandalo v no nanamboarana azy nga mo tsy efa fantatra efa ela we simba io !!
Asa angamba nindrambola tany angamba sika we anamboarandalana de ity tonga chirac vao mikoropaka
sao anontaniany eo we aiza lay vola nindramin'ialahy we anaovandalana??:?::roll:
10. mandrindra ( 07/07/2005 12:58)
ainaheri, i lafrantsa dia tsy nampindrambola hanamboarana lalana noho izany tsisy hidiran'i Chiraca amin'izay lalana vita na tsia. Ary ny vola nampindramin'ny UE raha hanamboarana lalana dia mbola tsy tokony hitsabaka ihany koa izy satria ny fireneny aza nanda ny lalampanorenana eoropeana, ary ambonin'izay ny anglisy izao no mitantana an'i eoropa mandritry ny 6 volana.
I Mahajanga no ho tsidihan'i Chirac voalohany satria nampidrana voala i lafrantsa mba hanamboarana ireo tsena (4) ao. Noho izany izay asa niarahana taminy ihany no tokony ho jerena fa aoka re tsy handray tsy raisina izy e.
11. zama91 ( 07/07/2005 14:25)
Mbola betsaka isika eto no tsy maharaka vaovao raha namboarina ny lalana any iavoloha tsy hoe natao hoan'i chirac fa natao mba hampitohy an'i ambohimangakely sy iavoloha by pass RN2 sy RN7,donc tsy voatery handalo eto tana ireo camion handeha ho an'ny antsirabe fianaratsoa toliary.Ary ny mpamatsy vola dia japon ary ny mpanao azy koa,
12. mandrindra ( 07/07/2005 14:31)
misaotra amin'ny fanazavana ry zama91. Ary ny lalana eny amin'ny digue ahoana?
13. zama91 ( 07/07/2005 15:26)
Tena marina efa elaela aho no tsy tany dago nefa hitako @ net ilay vaovao any.Mba jereo fotsiny ny amboutelliage ao tana,tsy mbola ampy ary izay lalana vita hatramin'izao, boulevard d'europe entre soanerana sy alarobia ,route digue,route d'anosibe by pass.Henoko aza anie fa hoe nisy projet d'auto route entre alarobia sy ivato saingy indrisy.Ary ny vola nanamboarana ny lalana any dago don hankabetsahany miampy ny vola kely fanjakana malagasy,hilaza ohatra vitsivitsy aho
RN6 mampitohy an'i Ambondromamy sy diego 90isa-jato vola nanaovana azy ny eropeanina(don) fanampiana an'i dago
ohatr'izany ihany koa RN44 RN5a RN12,RN2,fanaboarana pont.Ary RN11a mankany vatomandry ny chinois.Fa ny vola nanamboanana ny RN43 vola nindramina tamin'ny banky arabo ary ny RN34 sy RN35 banky afrikanina.Mbola tsy ampy ireo lalana any dago,betsaka mantsy ny feo mandeha hoe ny lalana angaha azo hoanina,mandany vola ny fanaboarana lalana.Izany rehetra izany dia resaka fotsiny,izao ary dia heno indray fa hoe ho hampiakarina avo roa heny ny fanampiana ny tany mahantra ary ho fafanana ny tsosa,ny tany mandroso no decide hoe mila hatsaraina ny infrastructure an'i dago sy ny tany mahantra,ny olana fotsiny dia lasa ry zareo tany mana-karena no mitondra ny tany mahantra
14. zama91 ( 07/07/2005 15:43)
AO amin'ny site tiako madagasikara misy an'ireo sary ,tsy hoe membre ao tim aho fa sendra nandalo dia gaga sy talanjona raha mahita an'ilay lalana vita any dago indrindra moa fa ilay ao tampon'ny horombe manohatra noho ny route national aty france,Tsy mbola ampy anefa ny lalana misy any dago ,fa mba rariny kosa raha chef lieu de region a madagascar mahazo route goudroné toy ny mampitohy tsiroamandidy sy Maintirano ary Ihosy sy fort-dauphin ary ny mankany ary ny @ iny region menaranja raha vita izay ny 22region mahazo route goudroné direct an'i tananarive.Tsy hitako izay maha ratsy an'izany rehefa ry zareo tana manakarena no miantoka ny vola
15. nazi ( 08/07/2005 17:31)
io ry zareo fomban'ny firenena mandroso @ firenena an-dala-pandrosoana a! aza atao mahagaga!
Efa azo antoka klou zany fa vita ndray ny lalana makany Iavoloha,zay ny zavatra hita mivaingana
Ny lalana ao anosy be (tana) mou heverinareo fa tsy toy izany kou o!,ny zava-dehibe dia mbola haveriko ihany fa vita zany ny lalana ao anosy be.
Ra heritreretina fona nge ny ataon'ny mpanao politika dia izay zavatra vita eo tsy hisy maminy @tsika vahoaka e!
16. fijo ( 13/07/2005 22:06)
ny eto koa anie betsaka ny manaratsy fotsiny e.mba hevitra aseho fa le manaratsy anie mora e.
17. Veloo ( 26/07/2005 17:39)
Chirac be fika fotsiny e. Te ahazo any dago lery tssssssss:evil:
18. zama91 ( 11/08/2005 20:51)
Matahotra i chirac hoe ny anglo saxon no mahazo vahana any dago , ny jirama lasan'ny allemagne,presque projet minier lasan'ny usa,cada grand bretangne,ny petrol offshort ao amin'ny canal de mozambique ,izany rehetra izany no antony nahatongavan'i chirac tany dago mba haka ny anjarany la frantsa reny malala
19. fijo ( 11/08/2005 22:26)
zama ,efa haraky ny gasy izay fika izay ,ka tsy handaitra intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0943