Colonisation

1. ainaheri ( 04/07/2005 12:33)
Tsy mahatsapa v nareo fa ireo firenena nozanahan'ny frantsay tsy misy tafavoaka zany fa raha tsy mahantra d mpiady antrano!!
novalian'i boalimena ny 06/07/2005 12:47
2. lilbon ( 04/07/2005 13:23)
raha nandinika za de aleo anefa colonie frantsay toy izay colonie britanika
3. hery ( 04/07/2005 13:59)
Sarotra be angamba ilay tonga dia miteny hoe britanika sa frantsay raha tsy tena feno ny statistika.
Afaka miteny ve i ainaheri hoe iza avy ny voazanaky ny frantsay miady antrano... dia iza ny voazanaky ny frantsay tsy miady antrano sns?
Dia inona koa no hitan'i lilbon hoe vokatsoa tamin'ny hoe voazanaky ny frantsay?
4. Lov ( 04/07/2005 18:23)
Ny Anglisy raha nanjanaka de mba nametraka zavatra tsara ho an'ilay firenena voazanaka ( foto-drafitr'asa :lalana, tanana voarindra, barazy... )fa ny frantsay kosa nanapotika indrindra fa ny ara-toe-tsaina. Ohatra : Parking , tonga de fantatra hoe Frantsay sa anglisy no tompon'ny car. Asa anefa !
5. zakilinina ( 04/07/2005 20:41)
mba nahavita làlana vita tara sy làlam-by ihany anie ny frantsay ê !
kanefa loza fa tsy vita izy ireny raha tsy nisy rà nandrika
6. schatz ( 04/07/2005 22:32)
Dia mba ahaona ny hevitrareo @ ny USA zanatan'ny anglisy fahiny nefa ny anglisy indray izao noho manarakan'azy ? Ary ny Gaulois zanatanin'ny Romanina, ny grika zanatan'ny Ottomanina (Turcs), ny norvegianina sy ny finlandais zanatanin'ny suédois, ny Québéquois zanantanin"ny frantsay, ny Brésil zanantanin'ny Portugal, ny koreanina zanantanin'ny japone sns sns.
Amiko dia tsy resaka zanatany sy mpanjanatany mihintsy satria ny firenena rehetra dia zanatanin' ny firenena iray tao @ fiainany faha misy nahay naka ny zavatra tsara sy nisy fiveleran'tsaina dia nisongona ilay nampanjanatany azy. Eritreritro nandalo fotsiny io faho tokony mieritreritra itsika manao inona ny gasy noho tonga eto @ misy antsika izao ? fanontanina fotsiny ny aho faha anjaran'ny tsirairay ny mamaly azy !
7. fijo ( 04/07/2005 23:26)
ny fomba fanjanahana aloha dia tsy mitovy.
ny frantsay rehefa manjanaka dia mitady ny hevitra rehetra hanapotehana ny maha izy io firenena io mba hiankina tanteraka aminy.ary ara kolotsaina no tena asiany mafy eo.
ny anglisy indray raha nanjanaka,dia mitady hevitra ahafahany mivarotra ny entany ny tena tanjony,hany ka nataony izay hampandroso ilay tany,izany hoe ahalala ny fandrosoanamisy ,mba hitady izany (ilay entana io) any aminy.
izany hoe ny anglisy tsy dia nanimba koltora hany ka nanana ny naha izy azy foana ny zanataniny.ary nahita tombony ka dia nifikitra tamininy foana(common wealth)
ny zanatany frantsay kosa dia leo tanteraka ka niezaka ny hanary ilay mpanjanaka ,nefa efa very koltura ka dia izao no vokany.
8. ainaheri ( 05/07/2005 07:03)
Tsotra ny ohatra jereo fotsiny i Morisy zay nosy kely eo akaikintsika io! zanatany iza izy zay mivelona @ canne à sucre sy touriste nefa lasa lavitra noho isika !!
Ary i Afrika zay nozanahany tsy milamina hatr@ zao alaiko ohatra fotsiny i Côte d'ivoire !
Araka zay nolazain'ilay namana teo aloha fa tsy namela mamy izy fa hanapotika anao mba hiankinanao aminy mandrakizay!!
9. Tanala ( 05/07/2005 09:53)
Ny ahy ny tena nampalahelo ahy t@ fanjanahan-tany dia ireo gasy tsy niray hina t@ fanafahana ny firenena. Eny fa @zao ary mbola be ny mialangalana.
Fitiava-tanindrazana betsaka no hono ny t@ colonisation no takina @ fahantrana. Fa tsy mitazana dia manakina.
Efa noteneniko t@ 26 juin ihany ty:
- Midika inona @ nareo ny fahafatesan'ny gasy t@ fanafahana ny fireneny sy ny gasy notennin'ny frantsay hoe iza no te-hijanona no nationalité frantsay dia nanaiky? Tsy vitan'izay fa mpamadika no ankamaron'ireo gasy reo.

Tsy misy mana avy an-danitra e, na Ra8 na iza no filoha. Rehefa tsy mahatsapa ny gasy hoe tokiny ho faty ho an'ny fireneny dia tsy mandroso novinax2.
Miasa ho an'ny fireneny, firifiry ny gasy mando hetra ho an'ny vaza @ faha-45 nahaleovan-tena zao. Maty vao mahalala firenena.
10. kitjo ( 05/07/2005 12:30)
Miombonkevitra @ fijo

Ny an frantsay nopotehany daholo mba hiankina aminy aveo na mody omeny fahaleovantena an taratasy aza
Fa mametraka olona itokisany sy azony karamaina izy hitondra ilay firenena mba ahazoany mi-controler- ny zavatra rehetra :politika- ekonomika- sosialy sns

Manomboka misokatra @ firenena miteny anglisy raha i Madagasikara no resahina ka manambitamby fatratra Lafrantsa amzao....misy koa ny firenena afrikana hafa efa tonga saina amin' io ny mpitondra

Ireo mbola goaika antitra sy mpanao politika hatrizay matetika no mbola azon' ny frantsay fehezina.

Ny ankamaroan' ny tany nozanahin' ny frantsay koa dia tsy dia misy manampahaizana maro loatra mipetraka ao ary tsy misy teratany tena mampiasa vola ka milamina....hany ka tazominy any ivelany daholo izay nahavita fianarana fa sao mahita ny fikany ka sao mi-revolte...

Mbola hanompo vazah foana ve?
11. boalimena ( 06/07/2005 12:46)
amiko aloha dia marina daholo ny voalazanareo namana mikasika ny fanjanahantany sy saina,nefa tsy ny an\'i anglisy ,na ny portuguais ,na ny espanila, na ny frantsay,na...,fa rahefa fanjanahana dia ratsy daholo satria naka ny tsy an\'ny tena,ary fandrobana ny haren\'ny hafa daholo izany (ny maha izy ilay toerana),ekena fa tena nisy fiantraikany amin\'ny lamina misy ankehitriny eran\'nizao tontolo izao izany,ka ho antsika Malagasy manokana dia hita taratra ny vokany eo amin\'ny lafin-javatra sy fiainana maro,kanefa raha tian-tsika hialana izany zava nav elan\'i fanjanahana izay nitondra antsika hanana fomba fisainana vaovao noho ireo ntaolo razantsika,dia ny tsara angamba dia tokony hisaffidy lalana mazava ny malagasy na ho frantsay na ho angilisy,na espaniola,ny foto pisainana hoentimampandroso no tiako ho lazaina,koa raha tian-tsika no handresy ny fahantrana misy dia izay tena henjana indrindra aminireo lalana ireo no mety,izany hoe satria ny vokatrin\'ny fanjanahana efa tandra vadin-koditra,dia ny mba hialany dia endrim-pitondrana henjana ary tsy ananan-kavana sy olom-patatra na fiaviana kanefa manana tanjona dia ny fandrosoana,misy fomba fiteny hoe \"vitan\'ielaha vé tsy ho vitanay\"
dia samia ho tahian\'andriamanitra daholo é
12. boalimena ( 06/07/2005 12:47)
amiko aloha dia marina daholo ny voalazanareo namana mikasika ny fanjanahantany sy saina,nefa tsy ny an'i anglisy ,na ny portuguais ,na ny espanila, na ny frantsay,na...,fa rahefa fanjanahana dia ratsy daholo satria naka ny tsy an'ny tena,ary fandrobana ny haren'ny hafa daholo izany (ny maha izy ilay toerana),ekena fa tena nisy fiantraikany amin'ny lamina misy ankehitriny eran'nizao tontolo izao izany,ka ho antsika Malagasy manokana dia hita taratra ny vokany eo amin'ny lafin-javatra sy fiainana maro,kanefa raha tian-tsika hialana izany zava nav elan'i fanjanahana izay nitondra antsika hanana fomba fisainana vaovao noho ireo ntaolo razantsika,dia ny tsara angamba dia tokony hisaffidy lalana mazava ny malagasy na ho frantsay na ho angilisy,na espaniola,ny foto pisainana hoentimampandroso no tiako ho lazaina,koa raha tian-tsika no handresy ny fahantrana misy dia izay tena henjana indrindra aminireo lalana ireo no mety,izany hoe satria ny vokatrin'ny fanjanahana efa tandra vadin-koditra,dia ny mba hialany dia endrim-pitondrana henjana ary tsy ananan-kavana sy olom-patatra na fiaviana kanefa manana tanjona dia ny fandrosoana,misy fomba fiteny hoe "vitan'ielaha vé tsy ho vitanay"
dia samia ho tahian'andriamanitra daholo é
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0071