Làlana Ihorombe

1. hery ( 02/07/2005 09:00)
Vita goudron tsara hono ilay làlan-tany nampalaza an'Ihorombe amin'ny RN7? Zava-bita tsara anakiray nataon'ny fanjakana raha izany. Efa betsaka mantsy ny tetikasa hoe hanamboatra an'io fa i Ra8 izany no nahavita azy.
Fa ny mpitsikera (hono) tsy maintsy misy. Tena laharam-pahamehana ve io portion Ihorombe io? Sao dia misy làlana hafa tena mampijaly kanefa tokony hatao? Heno mantsy fa hoe izay làlana lalovan'ny Camions mpitondra rononon'ny Tiko dia vita tsara daholo... na dia efa goudron aza dia amboarina tsara indray. Tsy ratsy...

novalian'i diloo ny 31/07/2005 01:19
2. welie ( 02/07/2005 09:09)
Euh... aiza mou io? Route mankaiza manko e!
Fa tsara be zany ka! :)
3. kitjo ( 02/07/2005 10:29)
Hery> za aloha in3 niverina tany t@ tany Dago farany teo e...

Tena ilaina ilay izy satria nijaly daholo ny taxibrosy sy ny camions t@ iny taloha.

Ireo olona na agence de voyage mampiasa voiture legere koa dia tsy afaka mandeha mihitsy t@ iny vao manomboka avy ny orana ka izay manana 4*4 ihany no mahazo kil.

Teo aloha ange rehefa avy ny orana ka 4h vao tafavoaka an' iny e...nefa 46km....ho an' izay tsy mbola za-dalana aza ngamba tafaverina any Ihosy vao gaga satria tany malalaka be fts d mandeha amzao ka inddray tafaverina eo @ ilay niaingana ihany.

Amiko aloha hadalan' izay manenjika raha hoe TIKO TIKO fa tsy TIKO rery no mandeha amin' iny ....tsy mpanao politika aho....nefa samy manao ze mahasoa ny tenany koa ka mahaiza manararaotra

Raha nahita le film Shark Tale isika d jereo ilay trondro kely manaraka an' ilay shark....satria rehefa tsy mahavita tena kanefa hita fa misy manao na maka tombony aza izy dia maaiza manararaotra...araho avy ato afara..

Hitsikera dia haninona? tsy andeha amin' inyy?

Amiko raha resaka lalana no tsikeraina dia olona tsy te handroso.....raha natao oh ny an' i raMerci tao ANtsirabe hoe nankeo ambavahadiny fts le goudron d notapahina avy eo dia anisan' ny nitsikera aho.

Betsaka lavitra ny tobil hafa mpitondra enana amin' iny lalana iny raha oharina @ tobil TIKO, tsy latsak' iznay koa ny tobil Star....fa raha nofefeny ilay ka hoe natao andehanan' ny TIKO rery dia marina!

Welie> lalana mankany Tulear, aorian'Ihosy, eo @ sampanana mivily Fort Dauphin:-P....alohan' ny hiditra an' i Ranohira sy Isalo....
4. eh ( 02/07/2005 10:53)
vita daholo ireo tsy nataon'ireo teo aloha ê! anosibe fotsiny jerena ê! firifiry no nanao hoe hanao anio nefa inona no teo? zao indray vao 3 taona fotsiny d efa jereo ? mba jereo amin'ny maso tsy miangatra ê! rehefa mahavita d mahavita ê! tsisy tokony ho lazaina amin'izany!eto mantsy izay manao ihany no henjehina!!!
5. kitjo ( 02/07/2005 10:57)
Zay ihany fa rehefa te hanao zavatra dia tsy mila manao mafy loha ao Dago ..lol

Zao mangina sady faly aby mandeha @ Boulevard de l' Europe nefa ohatry ny inona ny fanakianana an' io t@ fandravana ireo trano amoron-dalana?

6. stephane197 ( 02/07/2005 11:57)
efa betsaka ny lalana vita raha 3 taona fotsiny ra8 no teo @fitondrana. Iza no nahavita ny vitany hatramin'izay? mpanao resakeeee daholo ny taloha rehetra fa ra8 ihany no tena navita azy ary mbola mahavita azy hatramin'izao. Ary tsisy hahavita ohatran'io raha ny hitako hatramin'izao. Satry hatao daholo ny zavatra rehetra fa izay nataony sy vitany dia nety daholo fa ny mpanenjika... Inona hono no mba vitan'izy ireo teo? firy taona? ra8 anie averiko fa (VAO 3 TAONA) F O T S I N Y no teo e. Sambatra ny taranantsika any aoriana afaka 10 taona any raha izy foana no eo, ary tena iriko mihitsy izany!
7. zama91 ( 02/07/2005 15:45)
Betsaka foana ny mpitsikera,ary tena mahagaga dia ilay olona teo amin'ny fitondrana teo aloha foana no mitsikera,teo ry lerony tsy hita izay vitany koa mba misy mahavita kely indray no tsikeraina,mba tokony ho tohizana ohatra ny RN1 tana Maintirano RN3 tana-sambava,RN13 tana fort-dauphin,RN5 tamatave-ambilobe
400million d'euro fa tsy ny fibre optique no mahamaika
8. hery ( 02/07/2005 16:19)
Tanteraka marina izany ilay hoe "Amboary ny làlana ao Madagasikara"...

Dia mino aho fa ho vita ny làlana tena ivoahan'ny vokatra avy any amin'ny tantsaha ka tsy hisy intsony ny mponina fahirano tsy fidiny.

Fa aiza daholo aloha ny làlana tena vita e?

Vita ve le lalana any amin'ny SAVA sa efa manomboka atao? Vita ve ny làlana Fort Dauphin - Toliara? (Via Betioky - Ampanihy - Bekily)?

Miandry ny làlana rehetra ho vita zany kou.
9. zama91 ( 02/07/2005 16:38)
Ireto avy aloha ny làlana vita goudron RN sy ny eo hampanamboarana azy
RN11a mankany vatomandry mahanoro,RN6 ambondromamy diego,RN44 moramanga ambatondrazaka,RN5a antalaha sambava,RN25 mankany manajary,RN45,RN12 manakany sud est,RN34,RN35 manakany morondava RN43 any andrefana antananarivo,petit boulevard,by pass.Betsaka eh toy ny RN2 RN7 RN4.Izao ny lalana mampihohy ny province 6 efa vita goudron tsara no sady eo hampanamboarana azy.Saingy mbola tsy ampy satria tokony ireo faritra 22 vaovao any dago tokony hifandray direct @ la capital tana,donc tokony ho atao goudrons iny RN 13 mankany fort-dauphin iny sy ny RN1 tana tsiroamandidy,maintirano,ary mankany Ampanihy.
10. mishou ( 02/07/2005 22:40)
tsara be izany an, mbola hisy fanantenana ihany ilay gasy kely sisa na ady politika teo e, ndryyyyyyyyyyyy
ontsany aho e:°)
11. majakely ( 04/07/2005 09:53)
Eny wa ry Mishou!
12. kitjo ( 04/07/2005 13:50)
Raha be kosa angamba ry Hery no vita mba misy dikany na maro aza ny mbola tsy vita sady tsy ho vita indray mandeha daholo

hafa nefa ny hoe misy toy izay tsy misy mihitsy

Na ambanivolo be aza maro no efa vita na totobato aza

SAVA sns toa efa betsaka ny vita sady miandry accord "le projet direct tonga d Diego Tulear...

Hafa ndray manko ho an sasany mieritreritra foana hoe lalan TIKO...lol
13. mandrindra ( 05/07/2005 12:51)
Hitako tao ambonimbony tao hoe betsaka foana ny mpitsikera, dia izaho aloha anisany. Voalohany aloha dia manaiky aho fa nametraka zavatra azo tsapaintanana ho an'ny firenena ny mpitondra ankehitriny saingy tsy azo omena tehaka amin'izao fotsiny ry zareo ary ho hodiantsy hita ny firobororboan'ny fahantrana any madagasikara.
14. diloo ( 31/07/2005 01:19)
Slama daholo
Rehefa manao trano dia miantomboka @'ny fototra.Toa izany koa ny lalana dia anisan'ny fototra ny toe-karena.Rehefa afaka mivezivezy ara-dalana ny mponina sy ny entana dia efa zava-dehibe.Manoloana ny fisian'io "infrastructure" io anefa, eto indrindra ny tanàna tsirairay an-dalovany no tokony samy mieritretra ny mponina ao @'ny ny hoe:inona ny "projets économiques" mety azon'ny tsirairay atao, fa tsy hiandry ny fanjakana foana vao anao zavatra.Tsara raha miala amin-tsika ny atolotra lava.Araraoty ireo lalam-baovao fa io no mety hanamaivana ny fahantrana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6286