mahavariana

1. boalimena ( 01/07/2005 10:29)
Mahavariana ihany ny resaka politika any Madagascar any,na hoe ny antsika Malagasy é,vao avy nankalaza ny 45 taona ny fahaleovantena i Madagascar,ary voa kilasy ho isany firenena mahantra indrindra eto an tany,raha araka ny fahitako sy hitako ary niainako efa taona maromaro tany @tanana dia fiheverana diso ihany sy fijery diso ihany izany ,satria amiko dia azo ialana izany fahantrana izany,saingy ny mahavoa ny Malagasy dia mazana ireo mpitondra izay mitondra ny firenena dia olona tsy mahalala ifotony ny tena zava misy ao anatin\'ny fomba fisainan\'i MALAGASY ny atao hoe \"fandrosoana\"fa matetika dia maka tahaka ny aty ivelany foana no atao taratra é!.Izao anefa tsy mitovy ny tantara sy ny lalana nizoran\'ny firenena eran tany,ny tokony ataon\'ny malagasy rehetra mahatsiaro tena fa gasy dia \"matoa ireny firenena ireny mandroso sy matanjaka dia tsy tokony hadinoina fa niaritra zava-maro tsy zaka ny aina aza ny mponina tao amin\'izireo mamakia tantara é\".
raha jerena anefa ireo mpanao politika malagasy amiko dia \" tsy mpanao politika ho any firenena fa na ho an\'ny tenany na ny fianakaviany na ny mpiray hevitra aminy fotsiny\",fa ny vahoaka dia iezahany hatao fitaovana hiakarana ihany,omeko ohatra ianareo namana .Iza moa ireo mpanohitra fitondrana amin\'izao fotoana izao any Madagascar? Olona efa teo amin\'ny fitondrana daholo ireo afats\'ireo vitsivitsy izay mba te halaza nefa ny ao ambadik\'izireo dia tsy iza ary tsy zoviana amin\'ny Malagasy fa mba resabe ny azy ary efa niarahan\'ny vahoaka nahita ny nataony,koa raha manana hevitra izireo maninona no izao vao milaza izao sy izao teo ianareo tsy hita izay natao,koa amiko ry namana raha tian tsika hisy ny fandrosoana any Madagasikara Tanindrazantsika dia tokony hiezaka hampangina ny resaka politika politisiana aloha ny gasy ary tokony ahatsiaro tena ny tsirairay na mahantra na manana na iza na iza fa tena mila fihafiana ,fifehezantena ,fifehezankibo,faharetana ,ary indrindra finoana fa ny zavatra ataonao rehetra dia hitondra fandrosoana na tsy ho anao fa ho an\'ireo taranakao any aoriana,hamaranako ity resaka politika ity dia ho antsika Malagasy aty ivelan\'i Madagasikara raha tena tia an\'i Madagasikara marina isika dia politika manome tanana hampandrosoana ny firenena no hiarahana sy hikarohan-kevitra ,fa tsy ny hambom-po hitadiavan-toerana sy hiadian-tseza ,misy fotoanany ny zavatra rehetra dia amin\'ny tany demokratika dia ny fifidianana é,tokony ny hialan\'i Malagasy mihitsy ny toe tsaina toloram-potsiny ,tsy te hisasatra fa manantena mana hilatsaka avy any andanitra,tsy misy fiaretana ny mafy sy mangidy, dia misaotra anareo namana rehetra é !

i Boalimena
novalian'i fijo ny 04/07/2005 23:34
2. SOBIKA ( 01/07/2005 12:30)
Zany mintsy eh!
fa raha be tsikera aza ianao de tokony hanana ny vahaolana koa fa tsy hitsikera be fahatany .Taha toa tena we hampandroso no toetsaina hananan'ny tsirairay de milamina io eh! fa raha mbola tia kely sy tsy mijery alavitra de ny eo ihany no eo ary di hiverimberina eo hatrany izany!
3. STONG ( 01/07/2005 18:36)
oouuff,voavakiko ihany marina
4. Chuan ( 02/07/2005 10:16)
Tena marina daholo reo voalazan`i Boalimena ireo ! Andrianampoinimerina aza efa kaopy tamin`ny androny fa raha misy olona iray mangataka kaly dia ANGADY no nomeny azy ! Mitaky asa MAFY BE izany ny fivoarana fa tsy misy intsony màna avy any an-danitra .Ny toe-tsaina tokony homanina amin`ny zavatra mafimafy sy tsaratsara hatrany . Inona moa no maha-be 4mi eto Antananarivo ! Ny toe-tsainy efa mionona amin`ny fangatahana lava sy ny hoe manao garde voiture kely de efa mahita harapaka ary raha sendra ratsy ny tsena dia voatery mirona any amin`ny haro-paosy ! Tsy vonona ny hiasa tany intsony ireny olona ireny satria any amin`ny morale mihitsy no voa mafy , matahotra ny hisasatra ary tsy ampy finoana .Mbola toe-tsaina daholo zany rehetra zany araka ny hevitro . Manampy an`izay ny fivangongoan`ny olona amin`ny toerana iray izay heveriny hoe tanindrazana (toerana nihavian`ny razambe) . I Gasikara dia mbola malalaka ka mila manitatra ny toerana fambolena sakafo . Ny tanimbary tamin`ny andron`i Dadabe ihany no mbola eo nefa ny vava mihinana efa mihoatra be . Raha miampy fanatsarana ara-teknika kely izay fanitarana izay ataoko fa tafa isika ary tokony hifantoka amin`izay ny ezak`ity fitondrana ity ka tafiditra ao anatin`izany ny fitantanana ny fanomezan-tany ho an`ny mpamokatra gasy . Izay mpitondra mahatanteraka an`izay no inoako fa mety ho mamy hoditra eto amin`ny tanàna .
5. kitjo ( 02/07/2005 11:06)
Misy olona miandry "miracle mon ami" e!

Dia misy mahay miala bala foana fa hoe "zatra nihafy hono ny Gasy" e

Fa nga ny gasy natao hiafy foana? Hakamoana fts izany...nefa rehefa sahirana dia ny olona no omena tsiny!
6. stephane197 ( 02/07/2005 13:27)
Jereo tsara ary diniho tsara fa mbola misy vazaha mpanjanaka antsika ao ambadik'izao fahasahiranana b eto amin'ny firenena izao. Ka isika Gasy mihintsy no mila mandinintena tsara satria efa siècle 1 mihitsy isika no efa nampidiran'ny mpanjanaka saina ho zanahana ka normal raha sahirana b isika miala @ fahantrana satria mbola betsaka ireo tarazo hita hatramin'izao. Lasa tsy mahafantatra afatsy ny tenany sy izay iray loha aminy fa tsy mahalala zay tena làlana sahaza ho an'ny fireneny. Isika malagasy anie manana ny tena kolontsaintsika sy ny tena maha izy antsika manokana mihitsy e! fa nopotehin'ireo mpanjanaka ireo!.
Ataony fotsiny isika hoe izahay no premier bailleur anareo d maty lolo isika. Raha mandinika tantara isika, Isika no tokony 1er bailleur andry zareo. Jereo ny harenantsika e! (manana isika na ankibon'ny tany na andranomasina sns...) tsy hitantsika malagasy ankapobeny izany fa ny malagasy rehetra azony norebirebena olombitsy fotsiny dia efa ampy naminganany antsika taona maro hatramin'izao. Fahaizamanokan-dry zareo mpanjanaka io! tandremo antsika izay mbola tsy mahafantatra! Izao misy filoha vazaha ho avy eto satria efa matahotra ry zalahy fa tena kôpy ny gasy! hanao inona eto indray hono izy io? Handrebireby saina indray?. Iza amintsika gasy no mahazo fahazoandalana mora dia mora mankany aminy? kanefa raha ny nanjanahany antsika ve tsy tokony hivoaka malalaka ho any fotsiny isika? Jereo tsara ny fitiavantenany dia ho hitanareo fa tena zavadoza amin'ny firenentsika sy ny taranantsika no apetrakireo eto!
7. fijo ( 04/07/2005 23:34)
ka isika koa olona mora loatra.fa raha toa isika ka karazan'olona mafy loha najainy.ny an'ny vahiny anie ka izay mahavaly azy ihany no hajainy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1395