tri de déchets

1. sanana ( 23/06/2005 12:53)
mety hety ampiarina any madà ve ny resaka fanavahana ny razory? (tri)? satria io paika ray io dia tena économique no mitandro ny tontolo iainana,
ny resaka tri dia tsy voatery ho recyclage industrielihany (zay mino aho fa tsy mbola ao anatin'ny programan'ny mahitahita) fa eo koa ny compost!! asa raha misy mahay, fa tena interessant, mais bon!! rélisable ve zany any dago?
za mahita fa eny satria tsotra dia tsotra ary tsy mandany voal nefa ny tonotolo iainana voatandro
novalian'i palince ny 22/09/2005 09:03
2. kally ( 23/06/2005 12:58)
Inona moa no tsy hihety rehefa tiana hatao fa izany hoe ny fanarian-jôridira aza tsy ampy akory ary mba tanàna firy moa no mba manana an'ireny?
Ny jiro sy rano izay tena iankinan'ny fizotry ny fiainana aza mitsilingalinga ka tsy haiko re!
Ary raha tontolo iainana no resahina ny famerenana ny ala angamba no vain-dohan-draharaha sy laharam-pahamehana.
3. rurik ( 23/06/2005 13:33)
ka any ary tsy misy toerana tsy misy tomobil panary fako ka inona ny fako trienao eo sady ny fianana ary efa lafo ka hividy sac hasina fako indray ve;
4. agoago ( 24/06/2005 06:42)
Tena faralahin'ny resaka heritreretin'ny mpahay tontolo iainana eto madagasikara mihintsy ny déchets. Ny ala, ny biby sy ny zavamaniry, ny ranomasina sy ny rano,ny pollution sns..ireny no tena mahazo vahana.Efa mieritreritra ihany fa ambony latabatra daholo ny resaka hatra@ izao.Nefa ny déchets dia tsy afamisaraka @ olombelona. sady ny fako eto amintsika dia @ toera-taza maso be no ametrahana azy ka manaratsy endrika ny tanàna indrindra rehefa elaela izy tsy raofina.Tsy misy tri déchets fa atao @ bac fotsiny dia alain'ny auto commune dia aterina eny @ décharge Andralanitra.Misy aza moa tsy manary izany eny @ bac fa atsipiny eny fotsiny dia lasa décharge sauvage.Ny eny ambanivohitra sy ny commune ambanivohitra dia samy mikarakara ny fakony ny olona (manao anaty lavaka na mandoro)Taloha teny andralanitra nisy fanaovana compostage f'efa tsy miasa intsony. IO décharge andralanitra io dia miteraka olana a@ Akamasoa @ izao, nefa mbola tsy hitan'ny commune izay hamindrana azy.Ny industries izay manan déchets hafa koa dia tsy mahita ny mba anasiandry zareo ny fakony dia na alefany eny @ fako mahazatra na dorandry zareo.
Ny hopitaly no efa manandrana manao tri. Efa misy usine manangona plastiques izany hanaovana scoubidou.Mbola bestsaka ny zavamiandry sy ny fanentanana @ fako raha eto madagasikara noho ny eto amintsika mahantra.
5. kally ( 24/06/2005 07:10)
Ka na ny resaka ala izay lazain'i Agoago aza resaka ambony latabatra no betsaka,jereo ange ny havoana sy tendrombohitr'i Madagsikara raha tsy ngazana daholo e! asa andrasana ho désert angamba vao hihetsika,ilaozana miady seza sy mirôzirôzy @ 4x4 fotsiny.
6. sanana ( 27/06/2005 10:32)
tsy voatery atao @ fomban'ny vazah ny fi-triena anazy nge!! sady aoka ho fantatsika fa basen'ny pollution manimba ny rano (ranomasina renirano sns...) ny fako rehefa mi se degrader. donc tafiditra ao daholo ny trondro voampoizina tsy hay sy ny aretina maro mety azo avy amizany nefa tsy azontsika antsaina akory. eny fa na dia harona sachet 1 fotsiny aza no lasa any anaty rano ka mihalevona any iny, dia hanin'ny trondro dia, afaka manapoizina ny olombelona.
kally!!! hainao ve ny mahatonga ny tany ngazana?
--> pollution
na hanao reboisemant isan'andro ary ianao, refa tsy mahazo aina ilay zanak'hazo dia ho faty foana!!!
tsy tokony jerena ve aloha ny fototry ny problème?
mba apetraka ny fantanina hoe fa maninn no misy doro-tanety? tsy voateny ho acte volontaire ihany anie izy io fa eo ihany koa ny hain-tany eh, zay zava-doza kokoa,
ka mety tsy ho azontsika an-tsaina akory fa any @ zavatra madinika kely tsy heritreretina ny mety mahatong izany olana rehetra zany. ka zaho aloha hitako fa ny fako de source de pollution grave be raha tsy mitandrina ny firenena iray
7. sanana ( 27/06/2005 13:22)
tena mbola misy problème de base le izy raha azoko tsara. afaka tediavina daoly ny fomba rehetra tsy hanariana azy amin'ny vidiny lafo. i-e atao zay tsy hividianana sac.:). ny anay lalouh zao nandavaka, fa mora feno koa ny lavaka, de mbo ketriketreho eo eh! za koa manko vao hiketrika io hitady solution. zay fa mazotoa
8. Kintanakely ( 27/06/2005 15:40)
Sarotra ny manao zavatra aty amintsika ry zareo satria vahoaka tsy vonona ny hanara-dalàna ny aty satria leon\'ny nataon\'ny mpitondra angamba ka aleony tsy mieritreritra afa-tsy ny hiditra mivantana ao am-paosiny na ao an-kibony.
Azo atao ny manandrana misivana sy manavaka ny fako, saingy fantaro fa na ny fasiana fako aza anie de gorobaka ny fanambaniny eny Analakely e. Ka na inona atao de ny fanajàna ny efa ananana no mety indrindra. Raha asiana sachet ôtran ny am tany mandroso de angamba hisy hanao vadi-barotra sachets koa fa tsy ho lasa any am fako mihintsy iny.
Efa misy manao tri tokoa ny fako eto Mada saingy ny alika no mifantina taolana ao anaty bac, manampy azy ny olona tsy manan-ho hanina :-D hany ka tsy am ilantsika azy ny fandehan-javatra fa zary manamaimbo tanana ndray.
Miainga am association madinidinika no heveriko mety hampahomby ny fampiaharana ny fanarahan-dalàna, sy ny fanatanterahana tetik\'asa aty amintsika. Atao am endrika fifaninana io.
9. sanana ( 28/06/2005 17:50)
kintanakely, azo dinihina daoly ny soso-kevitra. :)
fifaninanana de asina loka hihihihi
10. kally ( 29/06/2005 12:50)
Aza miresaka fanasivanana fako @ vahoaka variana miady @fiainana fa resaho fahadiovana izy, izay no mahakasika azy kokoa.Firifiry ny selôfanina sy tavohangy plastika mitsinkafona eny anaty tatatra nefa dia jerem-potsiny,tsy misy fanasaziana ho an'ny mpandoto moa tsy misy fampaherezana koa ho an'ny mpandio.Ny fanabeazana "fototra" no nisy lesoka ka any aloha amboarina vao miresaka zavatra lavidavitra kokoa.
11. sanana ( 30/06/2005 07:40)
kally, marina izany, tsy maintsy miainga @ zay.:lol:
fa aona nefa ilay fahadiovana resahana aminy? tsy ny fitandroana tsy hanariana fako eny rehetr eny ve aloha?
12. kally ( 01/07/2005 11:27)
Ka io dingana voalohany io aza sy mbola vita hoe ataovy any @ fitoerany ny fako,rehefa vita io vao afaka miteny ianao hoe avaho ny fako ka ity mankatsy moa itsy mankary fa raha vao hoe sivano ny fakonareo e!atokany ny tavohangy plastika,dia atokany ny hoditr'ovy sy ny tahon'anana, tsy vitan'ny vahoaka madinika izany fa dia atomboka amin'ny hoe angony ny fakonareo fotsiny aloha.
Eo aza mbola hisy hilaza hoe izahay tsy mahatakatra dabam-pako, ny sobika lafo be raha ireny no asiana fako ary ny harona selôfanina fitondra miantsena ka hatao aiza ny fako???
13. sanana ( 01/07/2005 13:09)
14. Kintanakely ( 01/07/2005 14:07)
Na ny sasany aza mikaly vary masiso ao anaty bac à odures ka ahoana no hisivanan'izany olana izany fako. Ireny olona ireny indrindra manko no atao irakiraka hanary fako, ka na trier-na aza io hatambany indray.
Ny pôlitikan'ny kibo angamba aloha no tsara imasoana voalohany raha te handroso am laina kokoa.
Vita tompoko!!:)
15. xxx ( 22/09/2005 08:46)
Tri de dechets zany misy karazany maro fa tsy fako eny @ arabe ihany,manomboka any antrano dia atao, any ampiasana ko, efa misy orinasa vitsivitsy manao an'izany "tri selectif", ny carton, ny vy, ny vera, ny sachet samy manaraka procedure daholo, any madagascar io
ny olana vahana aloha dia ny fahantrana e!, ny sachet efa manangona any hanaovana kapa... mandeha step by step io
16. palince ( 22/09/2005 09:03)
Angamba ataoko hoe somary tara angamba ianao raha toa ka miteny hoe ny coposte de tokony tsara ampiasaina eto dago . Satria de efa maro tokoa ny olona mampiasa anio aty Dago; ary efa miezaka tsikelikely isika. Fa ny an'ny gasy moa vao misy zavabaovao dia ny hoe an'ny mahitahita izany ilay saina tsy mety mandroso, de miandry fanomeza etsy sy eroa, mampalahelo b.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1829