Aza raràna ny ankizy raha...

1. hery ( 21/06/2005 06:48)
Hira nalaza tsy tadidiko na an'iza tsara ilay hoe "Aza raràna ny ankizy raha... hanambady" hafahafa satria mbola ankizy ve dia avela hanambady sahady? :-)

Fa ny tiako hahatongavana dia hoe + ny ankizy na ny tanora raràna (surtout tsisy fanazavana) dia vao mainka io hataony. Dia hoy aho hoe aza raràna ny ankizy... fa aleo ho hitany.

Ny olombelona dia biby ihany (fa manantsaina), ao anatin'ny traikefa (expérience) no ahitany izay tokony hatao sy tsy tokony hatao. Raha misy zaza mahita labozia ka handray an'ilay labozia... dia araho maso tsara fotsiny fa aza tonga dia sakanana (hoy aho :-) ) ho tsapany hoe kay mandoro ny labozia mirehitra. Mazava ho azy, mila manara-maso ianao satria tsy mitovy ny reflexe-n'ny zaza ka mety hisy accident. Fa raha sakananao izy dia mbola handray an'io labozia mirehitra io rehefa tsy eo ianao... amin'izay fotoana izay anefa izy tsisy mpanaramaso intsony dia ho loza no hiafarany.

Hmmm mianatra manabe aho :-)
2. ari.malala ( 21/06/2005 07:26)
hiran'ny tarika levelo io hira io. Tsy hoe ankizy tena le ankizy kely reny anie raha ny fahazoako azy no tian'ny mpihira hambara ê!, fa fahiny dia any @ 30 taona any vao nahazo nanambady ka raha mbola latsak'izay dia voalaza fa ankizy.

Momba an'ilay hoe aza raràna fa aleo ho hitany, tsy ny fandraràna angamba no tokony halefa aloha fa ny filazana ny voka-dratsin'izay mety ho tsy fitandremany, arak'io ohatra noraisin'i Hery io hoe mahita labozia mirehitra, dia tsy hiteny aminy hoe aza mandray an'io tsisy fanazavana ny lehibe zay eo, fa hanazava kosa oe raha mandray an'io labozia mirehitra io dia may ny tanana. Zany hoe raisina @ côté positif (lafitsaran-javatra va no mahalaza azy @ teny Malagasy?) foana rehefa hiteny zavatra @ ankizy na tanora fa tsy fandraràna be tsisy fanazavana, manjary ny tahotra no be ao anatin'ny sain'ny ankizy sady lasa mihidy ny sain'ny ankizy zatra fandraràna, dia mitombina io hoe rehefa tsy eo ilay mpanaramaso sy mpanakana dia hanaonao foana ilay ankizy ary dia ho loza no hiafarany.
3. coolman ( 21/06/2005 07:36)
salut an!
Marina daholy ny voalazan'areo e! mahafinaritra izany toro hevitra izany fa de misaotra anareo nanoratra .
:lol:
4. coolman ( 21/06/2005 07:55)
salut an!
Marina daholy ny voalazan'areo e! mahafinaritra izany toro hevitra izany fa de misaotra anareo nanoratra .
:lol:
5. kally ( 21/06/2005 17:47)
Fitandremana ara-batana foana no matetika resahina rehefa hoe ankizy (12-15 taona?)manao sipa, ary ahoana ny fo sy ny fanahy?
Inona ny torohevitra omenareo ny ray aman-dreny mba tsy hamoy fo ny zanany raha nilaozan'ny sipany :?:
6. fijo ( 21/06/2005 20:38)
hery dadanay taloha dia io mihintsy ny fitondrany anay."aleo homay fa tsy hanantona afo intsony avy eo" hoy izy.ary raha misy zavatra tsy tiany hoataonay;izy tsy mandrara fa lazainy hoe "raha manao an'io ianao dia izao no mety ho vokany"ka raha mbola mijabaka ao ka misy mahazo dia tsotra izay aminy.nanao ianao ka nahita.ny manaraka tandremana,ary dia tena nampisaina anytokoa izay fombany izay.
kally raha za dia hoy aho hoe vao manomboka izao fa be no hoavy
7. hery ( 22/06/2005 05:47)
kally> tsy haiko na efa nanana expérience hoe nilaozan'ny sipany ny ray amandreny... afaka mizara tsara izay niainany izy raha efa nanana. Fa ho an'ireo ray amandreny izay tsy nanana sipa mihitsy afatsy ny vadiny (zany hoe tsy nisy nifandao mihitsy) dia ho sahirana kely ka izao no torohevitro.

Tenenina ilay zanaka hoe makà fotoana handinihana kely dia ny ho avy jerena. Ny olombelona dia tsy fo fotsiny fa misy saina ihany koa... ka amin'ny fotoana toa izao indrindra (rehefa mitady hanary ny fo) no miditra antsehatra ny saina. Izany hoe mila mandinika hoe inona no tokony hatao... inona no anton'iny echec iny... dia ahoana no hanarenana azy. Tahaka ny olona tsy afa-panadinana ihany e. Angamba tokony ho fadiana ilay mandatsa ny ankizy hoe, efa niteny taminao zahay fa tsisy dikany iny olona iny (na dia marina aza io)... ny compassion no ilain'ny ankizy indrindra amin'ny fotoana toa ireny... ary tsy manaratsy fahatany ilay sipany nandao azy... satria au fond mbola misy fitiavana azy iny ao aminy.
8. kally ( 22/06/2005 07:58)
Miresaka saina i Hery , indraindray mbola tsy dia matotra loatra ny sain'ny ankizy amin'ireo taona ireo, sao dia andrasana ho mato-tsaina kokoa ary izy mba isorohana ny famoizam-po?
Tenenina izy hoe makà fotoana, ny valin'ny fanadinana any am-pianarana eo am-pakàna saina miharatsy hatrany,ny tenany aza hila tsy ho vatrany intsony( very ilay mba nikolokoloany ny vatany sy ny endriny):?:Dia hiampy ny tsy fahafahana fanadinana ny fandaozan'ny sipa dia ho aiza?:roll:
9. ari.malala ( 22/06/2005 09:26)
@ izao fotoana izao tokoa aloha dia tena lasa aloha be ny fidiran'ny ankizy @ io resa-pitiavana io, ka raha izaho manokana no anontaniana momba ilay resaka oe nilaozan'ny sipany (nefa mbola @ le taona tsy maha matotsaina azy) dia teneniko izy oe alaivo namana tsotra aloha dia ento aty antrano, ny antony tsy hoe hiditra be @ fiainany fa ahafahana manaramaso azy roa miaraka sy mba hisorohana ny mety ho fanaovanaovampoana ataony samy mpinamana any. Raha namana tsotra manko tsy misy resaka famoizam-po. Raha ohatra indray ka efa tena raiki-pitia izy dia ezahina ny hamily ny sainy tsy hirona be any aloha; ohatra, ampanaovina activités maromaro izay arany izy ananany namana maromaro ka tsy ifantohany @ ol 1, omena risi-po (encourager) fôna izy na sanatria ka ratsy aza ny naotiny, tenenina izy hoe ho anao no antony ianaranao, anananao hoavy tsara sy mamiratra fa tsy ho an'io namanao io, ho anao no ikolokoloanao ny vatanao fa tsy ho an'ny hafa dia mba omena doka koa izy rehefa misy zavatra tsara nataony ê! :)
10. ari.malala ( 22/06/2005 09:27)

11. sonwin ( 19/07/2005 05:09)
refa kely manao fitivana ny ankizy dia ampianarina manao fitiavana e..mbo ts hibolisatra sy tsy ho decu
12. zouzoulitika ( 14/08/2005 10:53)
hery:

Hira nalaza tsy tadidiko na an'iza tsara ilay hoe "Aza raràna ny ankizy raha... hanambady" hafahafa satria mbola ankizy ve dia avela hanambady sahady? :-)

Fa ny tiako hahatongavana dia hoe + ny ankizy na ny tanora raràna (surtout tsisy fanazavana) dia vao mainka io hataony. Dia hoy aho hoe aza raràna ny ankizy... fa aleo ho hitany.

Ny olombelona dia biby ihany (fa manantsaina), ao anatin'ny traikefa (expérience) no ahitany izay tokony hatao sy tsy tokony hatao. Raha misy zaza mahita labozia ka handray an'ilay labozia... dia araho maso tsara fotsiny fa aza tonga dia sakanana (hoy aho :-) ) ho tsapany hoe kay mandoro ny labozia mirehitra. Mazava ho azy, mila manara-maso ianao satria tsy mitovy ny reflexe-n'ny zaza ka mety hisy accident. Fa raha sakananao izy dia mbola handray an'io labozia mirehitra io rehefa tsy eo ianao... amin'izay fotoana izay anefa izy tsisy mpanaramaso intsony dia ho loza no hiafarany.

Hmmm mianatra manabe aho :-)

misaotra amin'ny fizarana fahalalana.
13. fijo ( 16/08/2005 22:24)
sarotra ny fandidina satria ny androntsika tsy mitovy amin'ny andry zareo.ny niainantsika tsy hitovy amin'ny andry zareo koa.ka mety io voalazan'i hery io.aleo hanao ahita,fa avy eo misaina
14. pitchou ( 22/08/2005 17:36)
ambarako fa tsy misy taona ny fitiavana!!!! @fotoana maha-tia azy raha raràna izy, dia mety tsy hahasahy hitia intsony satria bedy sy fandrarana ny dikany, d avy eo ve izy terena hitia indray rehefa heverina hoe efa sahaza ny hitia ny taonany?
ari.malala> hihihi! toa hitako ny paozin-dry hoe namako tsotra io nefa kay le bandy tena tian-dry!
15. ari.malala ( 24/08/2005 14:16)
pitchou> :) ka miainga any @ namana alo ko! :)
16. fijo ( 24/08/2005 20:31)
dia mody mifampindrana cahier sy boky,dia misy teny kely eny anaty boky eny,dia mody miara mianatra irery,dia mihidy trano ao,dia mitohy hatrany ny finamanana.hi hi hi de adalain'ny namana eny hoe "ireny indray nareo an"dia mody samy miala bala aloha he "izahay mpinamana tsotra ka"kay mpinamana efa mifampitohoka be ao.
17. ari.malala ( 26/08/2005 12:10)
:) mandaingà ze tsy nanao anzany! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4091