Backup na Mirroring

1. hery ( 18/06/2005 11:37)
Mba tsy hidirana amin'ilay "fait maison" mahazatra (afisy hitako t@ mpivarotra yaourt tao Dago) dia manontany sao dia misy afaka manoro hevitra amin'ny fanaovana backup na mirroring.

Takelaka iray manontolo (fichiers + DB) no tiako hatao backup régulierement dia mety apetraka amin'ny toerana iray via FTP na toa izany. Sao dia mba misy soft gratos ohatra efa mamboatra toa izany kay?

Misaotra daholo
novalian'i fijo ny 22/06/2005 22:00
2. ds ( 18/06/2005 21:32)
Jereo ato na tsy \"gratos\" aza.
3. fraz ( 19/06/2005 16:40)
Ny anay ry hery dia script mysqldump sy rsync no ampiasaina. ilay mysqldump manao backup ny mysql moa misy script rsync manao backup incremental , dia full backup isam-bolana sy isan-kerinandro ny répertoire rehetra.

Ny script backup mysql dia http://members.lycos.co.uk/wipe_out/automysqlbackup/ no nampiasainay.

Ny backup rsync indray dia http://www.linux-backup.net/App/ ato misy azo hisafidianana maromaro sao mahasoa

Ary somary niverina alohaloha ny post eto @ Forum ?
4. aristar ( 19/06/2005 17:44)
Ny zavatra voalohany raha manao backup dia tsy ao @ ilay ordinatera misy ny site sy ny database noho hatao ilay izy faha any @ ordinatera iray hafa. Mazava ho azy ny antony.
Nanoratra programa manao backup ny sites sy ny database aho satria 1000 € /an noho tadiavivin\'ilay provider-ny ilay boite hiasako. Iray andro fotsiny anefa dia vitako ilay izy (une trentaine de sites et de base de données)
Izao ilay procédure :
Nanoratra programa (@ PHP) ao @ serveur local eto ampiasana dia isan\'andro @ 1 ora alina dia misy cron-job mandefa an\'ilay programa PHP @ lynx dia @ 1 ora sy valo minitra dia backupé ao @ ilay serveur local daholo ireo sites sy base de données any @ ilay serveur any Paris (sites 30 eo ho eo). Ilay backup dia zippé ary tehiriziko herinandro ilay izy ary raha misy problèmes dia hafka manao retsrore aho.
Tsy hafaka hameko ilay programa satria nanao sonia contrat de confidentialité aho faha hafaka lazaiko ahoana noho nahataoko.
Mandehana ao @ http://www.phpclasses.org dia eo @ Search soraty hoe backup.
Ny nampiasaiko dia Class: MySQL Backup Pro http://www.phpclasses.org/browse/package/1560.html
momban\'ny database. Jerevo koa ny Class: WebSite Backup http://www.phpclasses.org/browse/package/1659.html
Tsy tonga dia mandeha ireo faha nila nanao adaptation kely aho.
Misy classes hafa koa ao faha tsy nojereko daholo.
PS: Tsy misy teny gasy na iray ao ary mila mahay teny anglisy raha te-hianatra informatika :D
5. hery ( 20/06/2005 07:21)
Way tena misaotra be dia be. Io nataon'i aristar io no saika hataoko. Toa izao ilay procedure saika hataoko dia lazaiko etsy ambany ny olana.

- Ny backup (script manao compression-n'ny base sy ny fichiers) dia ao amin'ilay serveur principal ihany.
- Manao cron job ny serveur principal de mamorona an'ireo fichiers tar (ohatra).
- Maka espace kely (hanaovana backup fotsiny) dia asiana php script ao amin'io espace kely io hakàna ny
- Io script io dia maka ny fichiers tar avy ao amin'ny serveur principal (cron job koa)

Ny olana dia bandwidth na ao amin'ilay serveur principal na ao amin'ny serveur de storage :-) sao dia mihoatra satria ngeza ihany ny site. Mitady fika ihany.

ds> aleo aloha hiforitra manamboatra manokana dia ho hita eo raha mety

fraz> jereko koa ireo fa interessant.

aristar> merci fa tena hojereko fa sao dia efa vita tsara ny ao amin'ny phpclasses, toa izay hamorona vaovao... (dia somary hianatra teny anglisy koa izany na dia efa miteny couramment aza ;-) hihihi laingako an)

6. aristar ( 20/06/2005 22:42)
Tsy ho an'i Hery mihintsy ilay hoe tsy maintsy mahay teny anglisy satria fantatro faha mahay teny latina, frantsay, anglisy, italianina, gasy sy izay tsy fantatro i Hery faha ho an'ireo gasy kely mba te-hianatra informatika ary indraindray manirikiry aho ao @ phpclasses.org faha misy mametraka code dia ny anaran'ny variables dia @ teny indonezianina na espaniolina sy indrindra ny commentaires nefa ilay code dia tsy parfait faha mila fanatsaraina. Ny ankamarony ny classes ao nefa dia @ teny anglisy na dia tsy anglisy na amerikanina ny nanoratr'azy dia izana noho notenako hoe raha te hianatra informatika ireo gasy dia mianara teny anglisy dia rehefa lasa guru @ informatika dia hadikao teny gasy raha tsy izany mihanara aloha informatika. Izaho efa 30 taono noho manao informatika nefa mbola mianatra isan'andro ary @ teny anglisy (amerikanina) satria na tianao na tsy tianao dia ny teny amerikanina ny teny informatika eran'izao tontolo izao
7. fijo ( 22/06/2005 22:00)
aleo hilamina rafijo fa tena tsy ao mihintsy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1922