Pays pauvre

1. ainaheri ( 17/06/2005 10:06)
Mety anisan'ny firenena mahantra voafafa trosa v i
MDG? D inona no tombondalana azontsika ra ao anatiny
sika?
novalian'i palince ny 08/09/2005 08:36
2. stephan ( 17/06/2005 10:39)
F'ianao angaha tsy naheno hoe isika izao no firenena mahantra indrindra?
3. mandrindra ( 17/06/2005 12:23)
Hisy andalana iray mihena ao antin'ny tetibolapanjakana. Ny vola izay natokana tokony handoavana trosa dia azo hanaovana zavatra hafa. Noho izany ny fanfafoanana trosa dia mampitombo ny harenan'ny firenena. Ny fomba fampiasana sisa no andrasana raha andeha amin'ny lalana marina na tsia.
4. kally ( 17/06/2005 13:11)
Ie! tafiditra anatin'ireo firenena 18 voafafa trosa i Madagasikara, ny firenena nitsipaka ny tsy hamafana an'io trosa io dia... iza ary ô? La Frantsa (nandà mafy i Chirac ny mba tsy hamafàna an'io trosa io).Soa ihany fa nijoro t@ heviny ireo firenena hafa.
5. nadyh ( 17/06/2005 14:37)
ainaheri:

Mety anisan'ny firenena mahantra voafafa trosa v i
MDG? D inona no tombondalana azontsika ra ao anatiny
sika?


Voaray tsara ny hafatra.E anga pauvre zany!Parce que je suis riche.
6. rurik ( 17/06/2005 16:36)
tena tsy azo koa ny tianao lazaina ry nadyh
7. Veloo ( 17/06/2005 18:29)
rurik :-D:{:{:-D:-D
8. rurik ( 17/06/2005 19:59)
veloo sa ahoana aky:-w:-w:-w
9. maditra ( 17/06/2005 21:28)
Marina aloha fa mampitombo ny harena ara-statistika ny fanafoanana trosa fa tsy misy fiantraikany directe any amin'ny ankohonana izany. Fa mety mampisy fanantenana amin'ny ho avy kosa. Fa ny zavatra tiako tsindriana fotsiny amin'ity fanafoanana trosa ity dia ny hoe: "efa tsy tokony hatao excuse intsony ny teo aloha fa nanangona trosa be e, mbola manefa an'izany ny fitondram-panjakana ankehitriny e!" Zah manko olona directe be, ary tsy tiako mihitsy ny excuse toa an'ireny na dia tsy tia ny fitondrana teo aloha firy aza zah.
10. kally ( 17/06/2005 21:51)
Ary mba miezaka ny tsy hindram-bola koa fa raha ny fanazavana reko toa rehefa mampindrana vola taorian'ny familafilàna ny banky mondialy sy ny karazany dia ny zanabola no mihoa-pampana lavitra mihoatra @ vola nindramina.:roll:
11. fijo ( 21/06/2005 21:34)
ny zanabola dia tsimaintsy midangana foana ,nefa ilaina koa ny findramana vola,ka ny azo hatao dia ny mampiasa ny vola nindramina amin'izay tena tokony hanaovana azy.
12. ravatorano ( 22/06/2005 09:59)
farny teo izany dia nofafain ny allemand taneraka ny trosany aty amintsdika izay nitentina 62 millard ariary any ho any.Ilay sifra tsy d koboko loatra fe mety letsaka na mohoatra kely
ny vola tokony andoavana an io mankaiza . ? ? ? ? ?
maénkaiza hoy ianareo ? ? ? ? efa nandrenesam peo momba izany vn ny fanjakana hoe nalefa amin izao izany vola izany na nofafana tao antin ny LF ka namoahana LFR vao2 hatramin izao tsdisy fa dia samy mionona isilka fa ny mpitondra atsika anie ka mahay sy mitandrrina ary mitsinjo ny vahoaka eh
dia miaraka mino fotsiny iska sady miasa mafy hatrany eh:wink::wink:
13. zefalah ( 22/06/2005 19:47)
dago dia anisany firenena farany mahantra indrindra @zao ary be trosa..fa le mpitondra ao no manafina .
ary le hoe misy tombony ho asika ve raha anisany Pays voafafa trosa sika.
misy de misy tokoa nefa indrisy...ny trosa-sika maro.
aleo oatra fotsiny zao. @ resaka fanafarana vary any Pakistan..mbola maro ny vola tsy voloa-sika..
avy eo koa ny toerana tokony tsy atao privé natao privé..ary zany no mahatonga sika mbola be trosa.
14. ravatorano ( 23/06/2005 06:06)
raha izany letsy ry zefalah ka tsy d ho pauvre mandrakizay sika raha io voalzan elah io no izy.:evil:
15. fijo ( 23/06/2005 22:00)
zefalha tsy mazava fa amarino tsara izay voalazanao fa toa tsy misy fototra
16. mandrindra ( 24/06/2005 15:09)
Misy fahamarinana io tenin'i zefalah io.
Rehfa misy firenena na organisme manafoana trosa dia ny effet d'annonce no mandeha aloha fa ny fanafohanana tanteraka eo amin'ny taratasy dia mbola volana vitsivitsy aty aoriana. Raiso ohatra fotsiny ilay fanambarana nataon'i Bush sy Blair talohan'ny fiahaonan'ny G8. Mandritra io volana vitsivitsy io anefa dia manao proposition ireo izay nanafoana ny trosa na ny organisme hafa hoe satria ianareo toa ohatran'ny miasa tsara (sy mitady ohatran'ny hiatsara izany finance publique-nareo izany) dia hanampy anareo izahay ka hampidrana vola anareo hanaterahanareo asa vaovao (io foana mantsy ilay fitaka hoe nahazo fanampiana isika nefa vola nampidramina io fa tsy nomena fotsiny). Noho izany rehefa dinihina ny kaontimpanajakana dia tsy nihena ny trosa aloha isambolana. Izay no antony tsy hisian'ny loi de finance vaovao mivaoka na loi de finance rectificative fa transfert des charges ao anatin'ny comptabilité nationale no atao.
Io tranga io dia ho an'ny firenana mahantra sy betrosa rehetra fa tsy ho an'i Madagasikara irery ihany.
Izany akory tsy midika hoe ahantra mandrakizay isika ry ravatorano, ary aza atao mahatezitra, fa raha ny avy aty ivelany no antenaina hitondra soa dia ho nofy ihany izany. Ny avy aty ivelany, na iza izy na iza dia tsy hitady izay mahasoa anao mihitsy fa ny hamotika anao sy haka ny tombotsoany ihany no tadiaviny. Ny mampandroso dia ny fahaizan'ny mpitondra mitantana sy mandanjalanja ny tokony ho atao, izany hoe tokony hindrana vola be hanaovana asa be, izay hitondra harena inona ? sa hindrana vola tsikelikely dia izay kely hananana voahilika amin'ilay trosa voafafa no hiainana ?
17. kally ( 24/06/2005 15:46)
Ary maninona moa raha mba mianatra mihoitra irery isika e?Ny gasy olona mahay mihafy,mahari-pery, nefa dia miandrandra fanampiana lava. Ny fampianarana voalohany koa tokony hiainga avy any @ mpitondra, na tokotany maloto aza mantsy ny an'ny sasany ,raha anontaniana izy hoe nahoana no tsy diovina,ny valiny dia ny hoe:"ka tsy misy vola e!" ny anareo ny tokotanim-bazaha manam-bola no anoharanareo azy.
Lasa lava be ny resaka fa ny fehiny dia hoe samia mianatra sy mifampianatra hihoitra irery tsy miandry fanampiana.
18. fijo ( 30/06/2005 22:04)
ilaina ny fanampiana fa mila dinihana tsara ny hampiasana azy.mba hisy vokany
19. palince ( 08/09/2005 08:36)
ny toetsaina no hovay fa tsy mahatra izany isika , mankaiza ireny vato atao ao anaty valizy diplomatika ireny ary aiza ny vidin'ireny? de hoe nisy vola tonga tatsy sy teroa. aza atao toy ny fe an'antitra hanina taolana ariana hena ny firenena eee:?::?::?::evil:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2094