Afaka roa taona dia hifidy ny filohan ny repoblika isika

1. ravatorano ( 14/06/2005 08:07)
Efa miomakomana amin izany sahady izao ny antoko politika samihafa .Ny sasany aza moa dia mitady izao teteza mita izao izay hita fa fanonganam panjakana tsotra izao.Amiko ireny dia ilay tsy mahari boakena ary ny tena mahatalanjona dia izao hay tsy mitovy hevitra ry zareo namoaka an ilay fehi kevitra fa maro no mitsipaka io resak tetezamita io indrindra fa ingahy Zafy.
Amintsika ary iza no mety olona afaka hifampitana amin i Ingahy Ravalomanana Marc ?
Raha izaho manokana aloha raha mbola amin ireo mpanao politika izay miseho sangany ireo izao dia tsy tafa ireo amiko fa efa teo no niala nefa inn no nataony : adi atrano faha herivelona ,fanaovana tantely afa drakotra ny toekarena malagasy faha Radidy , izao indray efa mba misy zavatra vita kely fa tsy mahafa po satria any amin ny tena ilain ny vahoaka mihitsy no tsy mety ny tantana.
Ka iza ary no hahasolo an Ingahy Ravalomanana ??? Natao ho fanairana ihany izy tiy fa tsika manakaratra afaka hifidy no mandany amin ny antsasa manila izay hitondra eo afaka roa taona.
novalian'i eh ny 23/06/2005 11:22
2. haingo23 ( 14/06/2005 11:17)
Ny ahy aloha dia tsotra e! Izaho tsy mahay politika fa izay mpitondra tonga eo dia hajaiko. Aleo izy hahavita ny mandat-ny dia mifidy indray fa tsy atao sabotage sy tetezamita izany. Rehefa tonga ny fifidianana dia afaka milatsaka daholo ny rehetra. Tsy misy maharesy andra8 ry zalahy raha fifidianana dia atao izay hevitra hanonganana azy.
Ao fa hiditra indray i Mailhol e!
3. pika ( 14/06/2005 13:59)
ny vahoaka no aoka hitsara e
iarahamahita fa tsy mandeha intsony ny .... saingy mbola :?: izay mety afaka ny hifampitana azy eo ravatorano
4. fijo ( 15/06/2005 04:51)
le tetezamita io tsy mahazovahana intsony ka izay no mampifanipaka andry zareo.
ny adversa no tokony hajorony tsra fa tsy ny efa teo ihnay no aroso.mino aho fa manana olona ireo saingy tsy voahomana izany fa ny efa teo ihany no mitady hiverina.
5. ravatorano ( 15/06/2005 05:12)
fijo
6. pika ( 15/06/2005 06:03)
ka ilay lalana @ fanaovana propa no tokony ovaiana izany ravatorano a jereo anie ny any ivelany rehefa hisy fifidianana e tsy misy fizarana zavatra izany
tokony oh izay koa no atao eto amintsika aleo fampihelezankevitra madio
7. pitchou ( 15/06/2005 10:04)
le resaka tetezamita kosa aloha d tena resaky ny tsy matotra e! na saika hanohana aza d naheno an'iny d mitodi-doha miverina!
ny hifanionana amin-dr8 koa aloha dia ho sarotra @ ireo antoko efa eo ireo e! i Maihlol efa nilaza fa @ 2013 izy vao ho eo! marina fa ny eo @ lafiny manodidina ny fifidianana rehetra tokony hatsaraina. Rizareo nametraka azy io teo aloha ihany moa izany no tena miady varotra ny hanovana azy io kou! :-D:-D:-D ! ny fampanantenana dia tsy maintsy atao kosa satria ahoana moa no hijerevan'ny mpifidy hoe ity mba manana tanjona mahafinaritra raha toa ka ny hany azo tenenina dia hoe "fidio zà"? fa ny ataony eo foana no hitsarana azy. Ko na hizara vola aza izy @ fampielezan-kevitra ka vola azy madiodio iny fa nahodina tatsy sy taroa tsy hitako loatra ze olana! hoy ny olona tany ho any izay hoe adala tompo le vola sady tsy afaka hitsikilo ze vato narotsakao tany izy.
Raha ny mahazatra dia ze filoha eo foana aloha no voafidy matetika. Ireo olona nahavita zavatra nisongadina be t@izao angamba no afaka hirotsaka?
8. fijo ( 16/06/2005 04:55)
le mizara vola aloha tsy tokony hisy intsony satria izany dia midika "fividianana olana"ka lasa modely ratsy.
le olona tokony harotsaky ny mpanohitra dia tsy voatery ho ireo ao ireo fa hafaka mitady olona hafa izy.ny politika anie ka fitadiavana marimaritra hiraisana e.anjarandry zareo ny mahay mitady an'izay;fa tsy zafy na rajakoba noasesika eo.aty izao rajakoba dia efa manomana zavatra hatao fakana vola indray.(iray tanana aminay izy aty ka mandefa fiantsoana foana hisaky ny manao zavatra)dia gratos ny fanampiana tadiaviny fa ny vola azo tsy hita izay lalany.
9. moi ( 16/06/2005 05:10)
Mbola manana roa taona ny fitondrana hamitana ny fampanantenana nataony, ary eny amin'ny sehatra ambanivohitra izao no programany ; efa nolazainy fa amboariny ny làlana any, asiany sekoly any, ataony izay ahafahan'ny ankizy miditra an-tsekoly, ary mino izy fa rehefa vitany izany, lasa tia azy ho azy na izay tsy mpanohitra aza !
Izay ange no nilazako tany ho any hoe inona hono no mba holazain'ny mpanohitra amin'ny propagandy rehefa vita daholo ny làlana sy ny sisa ?
10. ravatorano ( 16/06/2005 05:37)
momba ny lalampifidianana marina dia mbola ireo nandrafitra azy marina no mivovo indray izao ny hanovana azy zao.Ekena izany satria mivoatra koa ny tontolon ny fanaovana politika sy ny fisainam bahoaka ka ilaina ny mandrafitra lalam pifidianana marina eken ny rehetra amin izay dia tsisy tsony ilaza we nohon ilay lalana no nahakatso azy.
Momba ny propagandy indray na tsy hanome vola intsony aza aza hadino fa efa mametraka ilay resaka tanora foana indraya nie izao rehefa manao propany eh.Omena lot de maillot , godasse , boll ny mpanao rugby ,ny mpilalao foot sy basket eny amin ny fokotany na ny ligy dia ropboka faireny no tena handray anjara amin ny fampiroboroboana ny fanatanjahan tena nefa inn no eo rehfa tonga amin ilay toerana ry zareo , tsy hita any amin ny dsrp ny momba ny fanatanjahatena hihihihihihi.
Marina tokoa fa nahavita zava betska ity fitondrana ity raha miohatra amin ny fotoana nitondrany nefa misy foana ny lesoka eny rehetra eny satria mbola ao foana ilay tsy fahaiza mitantanana sy fifangarom pahefana eto amitsika ka manahirana b io .
Ho hita eo marina ry moi izay artaon ity fitondrana ity azmin ity roa taoana farany izay hiolmpana ny programany amin ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra ity.
11. fijo ( 21/06/2005 21:32)
io fifangaroampahefana io tokoa aloha dia tena olana e.hatraty io dia hita fa zavatra tena tsy miady ka tokony hiadivana mafy.
12. ravatorano ( 22/06/2005 09:46)
raha vao misy ny fifangaroan mpahefana d barakay ny fitondrana satria tsy tokony hanenjika bitro roa ny olona iray ,n ny akiray aza manahirana ny manenjika azy.
Eto sady deputé no pdt conseil d'admin ,sns manaraka eny nefa asa mety vitan ny hafa izany toy ny namertrahana ny fitantanana ny projet rehetra ao amiçn ny présidence nefa efa misy ny olona hafa natao hanara maso d inn zao no asan ireny mpanara maso ireny amin izao ? ? ? ? ?
santionany fotsiny io
13. zandrypte ( 22/06/2005 10:56)
Mety resaka doute io fampifangaroaroana fahefana io
Mi-doute ny pouvoire eo ampelatanany izy dia aleo manao accaparation de fonction mba ahafahany mibaiko fa tsy manao table ronde io dia tena blèm be mihintsy indrindra fa t@ity fitondrana an'i ra-8 ity eh. Jereo nareo fa decret no nifidianana ny chef de region nefa io dia olona ambony @ collectivite territorial decentralise iray tokony grand electeur no natsangana fahafaharatsiny mba andraisany vahoaka anjara eo aminy tananany
14. ravatorano ( 23/06/2005 06:18)
marina zany zandrypte ah
15. eh ( 23/06/2005 11:22)
tena mariana fa tsy hanana ho lazaina intsony izay hifaninana @ Ra8 eo rehefa tonga ny fifidianana ka tanterany daholo ireo rehetra nolazainy ary izany no mampikoropaka ireto mpanohitra ireto fa tsy ho hita intsony izy rehefa mety ny ataon\'ny mpitondra ê! ka tsy hitako mihintsy anie hoe inona no tokony tanjona ratsy @ ilay hoe hampandroso ny firenena ê! ny hoe fanatanterahana no tsy mandeha, tsimisy tsy azo amboarina ê! tsy maintsy misy lalana fôna!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2348