port any ampiangonana

1. ainaheri ( 31/05/2005 08:59)
T@ andro fahiny mbola tsy nisy ny portable tel d tsy namoaka lalàna momba azy i Md Piera fa zao misy tsy tonga ny sasany fa refa samy mangina iny maheno tel maneno ianao !!@manaraka angamba asiana soratra we vonoy ny findainao fa mbola mivory i Md paoly sy piera fa tsy afaka ihantso anao!!
novalian'i johns ny 19/07/2005 08:33
2. pitchou ( 31/05/2005 10:04)
loza mintsy ko!
3. hery ( 31/05/2005 10:19)
fa tsy mahamenatra ange ny mametraka affiche hoe vonoy ny finday e.
Ny aty @ misy anay efa misy an'ireny... indraindray koa mantsy adino ilay izy.
4. pitchou ( 31/05/2005 10:59)
na matahotra angamba kosa rizareo hoe raha miantso tampoka eo i Md Piera d ho votsitra le seza satria maty le portable ko
5. xxx ( 31/05/2005 12:14)
misy olona aloa dia tsy mahalala fomba mihintsy nanatrika fandevenana aho indray andro dia port 2 no naneno toa ampiangonona izany ve dia mba fanao
6. Mifenty ( 31/05/2005 12:23)


ny itako ndremande aza de ilay mpitondra mihitsy no manddray ny finday fa ataony mangovitra le izy kou.

Atao aona fa tsy miaraka tkou ngamba ny finoana sy ny teknolojia (siansa) kou

7. ari.malala ( 31/05/2005 15:11)
fandevenana, mariazy, bna fotoam-pivavahana lamesa tsotra izao aza de ahenoana finday maneno ary ny mahasorena dia eo @ fotoanan'ny Fankamasinana na mivavaka ilay mangina tsarainy no maneno ilay izy!
8. booboo ( 31/05/2005 15:52)
Faha-vendratana ireny e ! Satria efa tsy mahalala fomba klou (manakotaba ny fifantohan'ny sasany sy ny filaminanan'ny fotoana), avy teo oul tia misehoseho satria ho any aminy aby ny voamason'oul aby aby (tokony ho tadidy foana hoe pihana iny raha iny dé mivoaka any ivelany raha ho raisina ilay antso)
9. marozevo ( 01/06/2005 00:49)
Na inona na inona heveriny ho motif, dia tsorina fa tsy izy ny mamela ny portable ho libre any am-piangonana, ary tsy any ihany fa ANY AMIN'NY TOERANA SASANTSASANY koa. Ohatra, tsy tokony hisokatra ny portable rehefa miditra biraon'olona ianao. Ny tompon'ilay birao ihany no tokony hampiasa portable ao amin'ny biraony. tsy dia voafetra moa ireny toerana ireny, fa arakaraka nyzava-misy...
Tsarovy anefa, fa midaboka daholo ny lalàna sy ny fitsipi-piaraha-monina rehefa misy loza mananontanona ny AIN'OLOMBELONA.
10. routa ( 22/06/2005 13:48)
booboo>:lol:
11. fijo ( 22/06/2005 21:37)
ka ny RDV kosa tsy azo avela ko.na bizna io na sipa.
12. dadabe ( 23/06/2005 15:15)
le finday anie efa hoe teknolojia vitanolombelona e,fa zany tsy midika hoe raha manana finday de hanadino an'A/tra ,donk na mitondra finbday aza amiko dia ato mangovitra fotsiny le izy de raha misy miantso de mivoaka kely de miresaka de rehefa vita de miverina indray e,de mivavaka =simple :D
13. Petalesoka ( 23/06/2005 18:39)
Tena tsy fahalalam-pomba tsotra izao aloha ilay finday maneno ao anaty fivoriana e. Na inona io fivoriana io na inona. Ny tsara indrindra rehefa mora very tadidy dia ny tsy mitondra azy any am-pivoriana, indrindra rehefa tsy misy ilay mangovitra ireny ny findainao :lol:
14. marozevo ( 23/06/2005 20:58)
Marina tokoa fa mila fandinihina ny fampiasana ny portable. Misaotra anareo fa izay vao azoko ny dikan'ny hoe portable. Hay ve FINDAY no anarany e.. ny ahy noheveriko hoe FIVIMBINA. Entre parenthèse iny ahn.
15. fijo ( 23/06/2005 22:47)
dadabe an hivoaka ve tsy any dia lasa le
16. routa ( 24/06/2005 09:37)
tsy hitako zay lazaina fa zaho koa efa nitondra finday tany ampiangonana ,kay manelingelina le izy ndray2 anie tena tsy hampidera fa de fahazarana soa nisy ity tsy hitondra tsony ka!
17. dadabe ( 24/06/2005 11:00)
ny ahy kou ry routa de tsy misaraka amiko izy iny
na aiza na aiza ( na any @ WC aza)
18. routa ( 24/06/2005 11:26)
dadabe>aiza kosa tsy mitondra an iny any @wc zany aho ka !
19. dadabe ( 25/06/2005 04:30)
ka le izy anie ao anaty paosy e de,njainjay any mihitsy no maneno,sady mamaky gazety ihany ,no :@,no mitelefonina no m......:wink:
20. routa ( 25/06/2005 14:38)
tsy hitako zay hambara fa de hay ve!
hihihihi savao @ sisa sao latsaka any kou ny finday
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3276