Paris : Sao hijery teatra gasy (indray)?

1. hery ( 20/05/2005 10:40)
Misy tantara an-dapihazo na teatra indray ao Paris

Toa izao ny filazan'i JCR azy tao amin'ny lisitra.serasera.org


"Le prophète et le président" dia ilay "pièce" nosoratan-dRaharimanana izay
nandrindra rahateo ny filalaovana azy an-dapihazo ankehitriny, araka ny
fampilazàna nampitaiko an-tserasera andro vitsivitsy izay...
Nijery ny "Première" na Seho voalohan'izy io ary aho tamin'ny talata hariva lasa
teo tao amin'ny Théâtre des Déchargeurs teto Paris...
Aoka fotsiny ! Izany ka talenta ! Namptokiky hatramin'ny voalohany ka
hatramin'ny farany ny hadalan'itony mamom-pahefàna (ara-paolifika,
ara-pangoronan-karena, ara-pivavahana sns.) Izany no tena hoe "famakiana
bantsilana" entina amina talenta-sy-mokon-doha mahaleo ("libre", ho'zy ny
vozongo !)... Hisaorina i Raharimanana sy ny mpilalao nanome fahafam-po toy
izany...
* Website : http://www.lezebufrancophone.org/leprophete/leprophete.php
Aza miraikiraiky ary sao tapitra eo ny revy e !... Aza adino indrindra ny manao
famandrihan-toerana sao mody maina.


Toerana
mardi au samedi, à 20h (relâche les dimanches et lundis)
Théâtre des Déchargeurs, 3 rue des Déchargeurs 75001 Paris
Métro Chatelet, sortie rue de Rivoli - N° pairs
Parking "La Belle Jardinière")
Réservation : 01 42 36 00 02

Misy fihenam-bidy raha mividy billet @ internet
http://www.billetreduc.com/4200/0/spe.htm
novalian'i booboo ny 26/06/2005 16:08
2. booboo ( 26/06/2005 16:08)
ié tsara beeeeeeeeeeeeeeee mitsy. Tsy nanenenana fa afa-po tanteraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1882