Golfn'i Papa ........................

1. Rambofrau ( 17/05/2005 19:50)
gris métallisé,mitondra ny laharana faha OE677 natao Lavanty, tafakatra hatrany @ 190.000€ ny vidiny. Ahoana ny hevitrareo??????
novalian'i dataxx ny 11/07/2005 13:46
2. iartistika ( 17/05/2005 19:53)
golf volamena nga zany??:roll:
3. Veloo ( 17/05/2005 20:24)
tao @ e-bay ndray zany zao
4. marozevo ( 17/05/2005 23:41)
Taiza no nahitan-dRambofrau an'io vaovao io aloha e? Zahay manko tsy dia maharaka vaovao loatra. fa araka ny fahafantarako toa tsy OE izany ny numeron'ny fiaran'ny papa fa SCV. Sa papa hafa no resahinao ? Raha afaka manome reference ianao dia hilaza ny hevitro eto aho amin'ny manaraka.
Mankasitraka anao, Tompoko.
5. hery ( 18/05/2005 05:44)
Zany tokoa :-)

Angamba azo soloina hoe "taloha" ilay ........ be dia be?
6. sonwin ( 18/05/2005 10:33)
Golf ny Papa taloha io, tao amin ebay ny lavanty, tovolahy allemagne iray no tompony, ary refa hitany hoe ny Pape ankehitriny no misoratra ho tompon'ny fiara taloha be dia nalefany lavanty ka nataony hoe Golf du Pape...dia nifandrombahina ny nividy azy ary dia io ny prix niafarany. Toa tany Usa tany io mpividy io raha tsy diso ny fitadidiako.Nande tam onjam-peo tany Allemagne io vaovao io ary ny vaovao hita ao amin yahoo ihany koa dia mitantara azy.
Za tsy manan-kevitra fa mampita vaovao fotsiny.
sw8)
7. mamzelkely ( 18/05/2005 11:12)
misaotra anao sonwin, vavao manaraka???
8. sonwin ( 18/05/2005 11:19)
efa daba occasion 6 taona io Golf io fony izy novidian'ilay tovolahy, 21 taona io tovolahy io an.mipetraka anefa ny fanotaniana hoe nitondra io golf io marina ve ny Pape fahiny sa tsia?..dia toa ts afa-po ihany koa anefa ilay boay kely mpivarotra tamin'io vidiny io..nanatena ambonimbony angamba leiry...
raha misy diso ny lazaiko dia sendra diso zany
mamzelkely:D:wink:
9. rpk ( 18/05/2005 15:15)
Misy Opel an'i môpera Ralibera kou hono atao lavanty @ ebay...
10. welie ( 18/05/2005 16:09)
Ny olona koa refa hitady vola dia tena mahita mihitsy an!

rpk> Dia efa niakatra firy tapitrisa ariary ilay izy ao? Sao mba mety amiko manko fa ho ataoko fanomezana ho an'i Pape Virtoaly sonwin... :-P
11. chipie1 ( 18/05/2005 17:45)
papan'iza klou izy ity e!
12. dadabe ( 18/05/2005 18:28)
papa virtoaly sa tena izy ?
13. sonwin ( 19/05/2005 10:46)
welie> saotsa e
chipie 1> Pape Benoit XVI no resaka fa nisy nananihany tampoka
dadabe> tena vaovao marina io ka
14. Rambofrau ( 19/05/2005 15:03)
Marozevo, aty Allemagne aho no mipetraka, ary vaovao maripototry daholo ireo, nisy fotoana naseho isan'andro t@ tele ilay fiara ka izay no nahitako ny numerony sy ny lokony.Tao @ Ebay no natao ny lavanty.

Araka ny resaky ny olona dia nifandrombahina io fiara io, Golf, Type IV, satria masina hono, mety miporter chance dia izay no nahatafakatra be ny vidiny.

Aty koa izao dia misy ny Labieran'i Papa, biscuitn'i Papa,....sns ,pub be
15. routa ( 19/05/2005 15:15)
Rambofrau>atao lavanty koa izany
Labieran i Papa hoe?
16. Rambofrau ( 19/05/2005 15:48)
Marozevo, hadinoko,Golfn'ny Papa Benedikta t@ izy mbola Kardinaly no teneniko hoe taloha, azo????????
IZAO IZY TSY MILA WAM INTSONY DIA NAMIDY ILAY IZY


Tsy atao lavanty ny labieran'i Papa, fa atao misy ny anarany daholo izao zvtr rehetra izao @ izay misy mividy
17. fijo ( 19/05/2005 22:12)
tsy aleoko ve mividy tohareg le na BMW Z5
18. marozevo ( 21/05/2005 00:12)
Misaotra an-dRambofrau fa mazava ny loharanom-baovao, ary mazava koa fa tsy golf n'ny Papa izany le izy e. Izaho eto Roma no mipetraka, ary fantatro tsara ny fiara fitondran'ny Kardinaly Ratzinger (Talohan'ny naha papa Benoit XVI azy), ary tsy golf io fiara io akory. Asa ?? Mety tamin'izy mbola Arseveka tany Munich angamba izany ? Fa tsy golf mihitsy ny fiarany teto Roma na izao na talohan'izao.
Noho izany, araka ny hevitro dia :
NA : Ilay boakely nivarotra an'ilay fiara no exageration,
NA : Fiaran'i Ratzinger Joseph taloha be ihany ilay golf.
raha ity faharoa no marina, dia ilay mpividy mihitsy no tena mampihomehy ahy..
19. sonwin ( 21/05/2005 09:07)
marozevo>marina ny voalazanao, ary samy marina ireo NA roa ireo.Ilay fiara io aza nge ts fantatra hono na tena nitondra azy i Pape ankehitriny na tsia e, satria olona hafa no nividy ilay izy ka nataony tamin'ny anaran'i Ratzinger fony izy....ts tadidiko
20. dadabe ( 21/05/2005 15:39)
ary el;ah frera sady maharaka vaovao aty dago no maharaka vaovao any alemana a fa aiza marina lety no misy anelaha?? wo sind Sie ?woher sind Sie?:-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1202