Fety ny Reny (fête des mères)

1. xxx ( 15/05/2005 12:45)
salut dahoulll jay:
Ho avy njay zao ny fety ny Reny (fête des mères)ny zavatsa itako ary tena tsapako dé refa mifaly miaraka amy Neny zany , nefa injissy , tsy ba afaka miaraka mifaly aminy tsouny zah tsinona tsy eo tsony izy: dé ahona mou ry namana retsa no ba azoko atao ba tsy mapalanaelo be anah lotsa refa itako fa faly nareo manao fety any i Neny amy 29 Mai zao ? misotsa anareo njinja :*
novalian'i pitchou ny 17/05/2005 18:26
2. rurik ( 15/05/2005 13:48)
Izaho koa dia toa anao.Rehefa fetin'ny reny dia tena mahatsiaro ny reny izay tsy eo intsony e!ka dia milaza @namana izay mbola afaka manararaotra hoe manararaota dia ny mbola misy ny fotoana e eeeeeeeeeeeeeeee :-* :-* :-*
3. maditra ( 16/05/2005 04:14)
Efa tsy eto anilan-drabofy zah vao mahatsiaro ny hasarobidin'izany reny izany. Fa mety ho par telephone no hifandraisako aminy amin'ity fa matoky kosa zah fa mihaona tsara amin'ny herin-taona. Ho tsara antitra anie izy sy ny reny rehetra.
[size=8]Poor mama, she doesn't even know how bad her son is![/size] :cry:
4. hery ( 16/05/2005 16:52)
Lisany leisy mampilatsaka ranomaso olon-dehibe :-)

Rehefa iverenana daholo ny fiainana t@ mbola kely dia tena tsy 9 volana fotsiny ilay reny no nivesatra fa tena nandritra ny taona maromaro mihitsy...
5. xxx ( 16/05/2005 17:28)
Ary ny reny, iaraha-mahalala
Fa manam-pitiavana tsy manan-tsahala
Ka na naloky ny kibo io na tsia
Aminay ny zaza dia mahazo fitia ;

Ho antsika retra ny fitiavany reny, koa na eo izy na efa tsy eo intsony, tadidio ny soa nataony ! zany an!
:)
6. sonwin ( 16/05/2005 18:04)
kay ve fetin'ny reny 29Mai e :cry: :cry: takizay ts niditra teto :? :( :cry:
7. fijo ( 16/05/2005 22:55)
ny ahy ny dada no efa tsy eo intsony ,fa tsapako fa mafy kokoa letsy le tsy eo ny reny kle.marina fa araraotina dia ny mbola eo izy fa rehefa lasa anie ka anenenana e
8. rurik ( 17/05/2005 06:51)
Toa ilay hiran'i bodo HAFA IHANY MAMA tsy misy mahasolo ny toeran'i mama (l)(l)(l)(l)(l)(l)
9. majakely ( 17/05/2005 07:59)
aleo fafana ranomaso ry hery !!
10. yonikafopl ( 17/05/2005 08:40)
tena zay vao haiko kay am 29 ve vao fetin'ny reny ee,ny aty aminay ry reto efa lasa tam marsa le fety a, tena samihafa be mintsiny.

Fa tena hafa i neny ry reto a, ho anareo efa tsy manana tsony, fahatsiarovana sisa, ka raha tianareo izy dia ny teniny fony fahavelony arahana, ny anatra nataony iverenana sainina hatrany. Ho antsika izay mbola manana izany atao hoe neny, tiavo izy, hajao hatrany, aza atao izay hampitondra fahoriana azy ireny.

Mirary soa ho anareo reny rehetra.
11. pitchou ( 17/05/2005 18:26)
euh!!! izaho mbola manana neny fa ity misy zavatra hitako fanaon'ny manodidina ahy izay tsy manana neny intsony: manao fahatsiarovana miaraka, ka tsy izay mampalahelo no resahana fa izay fotoana tena nahafinaritra sy nampiomehy niarahana t@ i neny!
misy namako iray izay koa, ny azy misy taratasy nalefan'i neny ho azy izay, d nataony tao anaty cadre tsara tarehy d isaky ny maditra izy dia iny no alainy, isaky ny mahatsiaro izy dia iny ihany no alainy, isaky ny fety (na fetin'ny reny io na taom-baovao) dia miaraka aminy iny cadre iny, na dia hoe asain'olona aza iny! Ilay izy aloha dia taratasy somary fananarana izay, sy mitory ny fitiavany azy e! fa toa tsy nitondra sarin'ny neniny moa izy fa toa io ihany no tena ifikirany aloha e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7622