Naniry ny ho faty

1. hery ( 13/05/2005 09:27)
Efa henonareo angamba ilay jiolahy mpamono olona tany USA (Connecticut) voaheloka ho faty. Dia nisy tokoa ny chance mety ho nahavelona azy satria efa 45 taona tsisy fanamelohana ho faty tao amin'ny tanàna... nampiakatra fitsarana ambony koa ny fianakam's... fa tsy nety intsony izy fa hoe aleo hono izy ho faty. Dia novonoina tokoa izy izany androany maraina.

Mbola resa-be io didy farany fanamelohana ho faty any amin'ny tany heverina ho mandroso indrindra io. Fa ny toe-javatra toa izao dia hanamafy indray ny fitohizan'ny fisian'ny fanamelohana ho faty any... hilazana hoe ny voaheloka mihitsy indraindray no resy lahatra hoe io famaizana io no sahaza ny heloka nataony.

répondu par pitchou le 02/12/2005 18:49
2. kitjo ( 13/05/2005 10:57)
Hafa ndray iny!

Ny aty ndray aloha dia ny hoe aza migadra. Fa zareo tena mbola ilay mi-"torturer" be reny.

Na olondehibe aza dia misy alefa @ hopitaly mitsy fa nyazy mbola misy hoe kapohina sns ao am-pigarana.

Aiza ho aiza ny asan' ny mpiaro ny zon' olombelona kay amzany sa tsisy hidirany? sa ny lalam-panorenana ve no mamaritra anzany?
3. booboo ( 13/05/2005 11:46)
ka tsy avelan-dreo mijabaka @ zany ny mpiaro ny zon'olombelona kouh !
nefa zareo raha hijabaka ny @ tanin'ny hafa gravy (hevitro manokana tsy mi-engager afa-tsy zà io)
4. maditra ( 13/05/2005 21:29)
Izah koa aloha tsy dia d'acc amin'izany fanamelohana ho faty izany e. Fa raha dinihina anefa ny zavatra ataon'ireny olona voaheloka ho faty ireny, matetika tena sokajiana hoe habibiana tokoa. Marina fa i Amerika no voalohany raha resaka Demokrasia no resahina sy fanajana zon'olombelona. Ary mety ho izay indrindra no maha tonga azy hamono ny olona tena ratsy otran'ireny satria misy tena izany atao hoe "evil" izany ireny. Miadana anefa izy rehefa gadraina, ary maro no afa-mitsoaka sy manao zavatra ratsy hafa indray koa (viol sy famonoana zaza kely sy ny vehivavy bevohoka,....
Tsy hoe manaiky sy manamarina ny vono olona akory aho milaza an'ity fa mba tiako ho fantatrareo ihany ny raison mba mitombotombona kokoa maha-tonga an'ireny fanamelohana ho faty ireny.
5. soanava ( 27/11/2005 16:53)
Rehefa tafahoatra ny tsy zakan'ny saina aleho izy
aloha ho faty e.Diniho raha ny olona tsy foinao oh
no novonoiny!
6. pitchou ( 02/12/2005 18:49)
izaho indray klou d tsy isan'ny hiaro ny zon'ny nahavanona heloka sady tsy nanaja ny zon'ny hafa e! hitany fa mety ny nataony t@ hafa? aleo izy ampiharana azy mba hakany tsirony ko ka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4185