Aiza n programanasa hiadiana amin'ny dorotanety, efa misyv?

1. rhevinilsen ( 11/05/2005 00:02)
Izao no baie de majunga rehefa jerena avy eny ambony tsy takamaso eny, hita ami\'zao ny fivarinan\'ny tsiron\'ny tany ho any andranomasina. Ny ao amin\'ny plage moa d\'efa tsy tenenina intson, iza no tsy mahalala ny fahasimban\'ny plage de majunga nohon\'ny fahamenan\'ny rano. Raha esthetika fotsiny no resahana de ratsy izao e, tokony ilana fanamboarana, manimba mihits ny hatsaran\'ny recettes touristique izay tokony hiditra ho an\'ny faritry Mahajanga.
Eo amin\'ny lafiny tontolo iainana koa mbola ee ..io no marika fa tsy misy mitana intsony ny tsiron\'ny tany any amin\'ny faritra andalovan\'ireo renirano izay mivarina ao amin\'ny helidranon\'i Mahajanga (Bombetoka). Io no taratra mazava fa rava ny ala rehetra any, io no midika fa mbola manao ny ataony ny dorotanety. Mba jereo anyie fa efa faritra vitsy sisa no maitso eo, iny faritry katsepy sy namakia iny ary iny faritry amborovy iny fotsiny. De inona no ataon\'ny Fanjakana amin\'izao?? Jerena fotsiny toy ny tany nahalavoana ve? Mba manantena izahay hoe mba hisy \"DSRP\" ho enti-miady @ dorotanety, na hoe slogan hoatry ny hoe :\"hahena 50% hono ny dorotanety eto mada amin\'ny taona 2006 \". Sa iza no andrasantsika hanitsy ny fomba ratsintsika (\"hamaoka ny malotontsika\", no tokony ho teny nampiasaiko fa hoatran\'ny tsy fanajana loatra), hiandry banky mondial sa iza?? nahoana tsika mahay mamotika!!! de maninona tsy mahay manamboatra??? sa hiandry an\'iza? zafiafin\'zafindohalika? de eo enao ry nosy mena.


http://bordmajunga.blogspot.com/
novalian'i pitchou ny 27/05/2005 13:48
2. rhevinilsen ( 11/05/2005 00:06)
Oviana re vao tsy hisy ny tevy ala?
Oviana re vao tsy hisy ny dorotanety?
Oviana re vao tsy hisy hampiasa sy hanamboatra saribao?
Oviana re no tsy hisy hampiasa kitay intsony e???
nofinofy ve zany sa ahoana?
sa miandry an'i madagasikara rehetra ho lasa desert hoatran'i mali na niger ka tsy mis na fotokazo iray azo anaovana kitay sy saribao intsony vao hizesta isika hoe hiady hiaro ny tontolo iainana???
3. ravatorano ( 11/05/2005 06:38)
ny fahalalako azy aloha dia ny programme LDI no tetik asa iray tena niady tamin ny dorotanety saingy efa vita moa ilay tetik asa ka tsy haiko na inn indray izao no nanohy io tetik asa.
Ny ministeran ny tontolo iainana ,ny rano sy ala dia manao ezaka lehibe tokoa hiadiana amin io ary efa natao daholo izany we commune verte izany , ny protection litorale izany sns eh.
Mbola hijery site mikasika an io aho dia ho hitatsika eto fa tena tsarar tokoa ny firesahana azy ity.
4. hery ( 11/05/2005 06:49)
Fa toa efa nisy dingana lehibe natao tamin'ireny fisamborana sy fanagadrana ny olona tratra mandoro tanety ireny sa tsy notohizana intsony? Tamin'ila tranga iray tao Moramanga mantsy dia toa hoe nisy olana satria tsy fantatry ny mpanao tavy ny lalàna sns...
5. kally ( 11/05/2005 07:13)
Eo aloha ny fanasaziana izay tratra fa ny tena zava-dehibe dia ny fanarenana ny simba,izay tsy misy hatramin'izao.Raha ny hevitro dia atao an-tery io satria toa tsy misy mahay manira-tena manao azy.Tompon'andraikitra ny tsirairay ka hoy aho hoe :

Rehefa miteraka eny @ hôpitaly ohatra ny reny iray dia tsy maintsy mamboly hazo ary asiana mpanara-maso,ny mpanao politika nahazo seza rehetra mamboly hazo folo raha kely isan-taona raha mbola eo @ fitondrana koa izy ,ny tokotany rehetra eto Madagasikara tsy maintsy misy zaridaina fa voasazy izay tsy manao zaridaina: mety ho anana no atao eo,mety ho voninkazo.Sa adaladala ny fahitanareo an'izany?
6. fijo ( 11/05/2005 22:14)
hendry ikala kally ity kle.marina izany
7. methode ( 11/05/2005 22:45)
Tena mety ny hevitry kally! Fa saingy izao ilay manatanteraka azy no ho sarotra! Kally aloha izao de efa afaka manomboka!!! Ho avy any za hijery ny zaridainan-jy! Ny anay aty ivelany aty aloha de efa feno hazo ny tokontany raha tsy izany tsy azo iainana ny hafanana!!! Aty vao tena mahatsapa ny hasarobidin'ny hazo sy ny rano ary ny tendrombohitra!!! Harena ananantsika nefa simbasimbana fotsiny!!!
8. kally ( 12/05/2005 12:47)
methode>mazava ho azy fa mba hisarihana ny manodidina (tsy hoe midoka tena sanatria) dia mba atao izay hitsirirtan'ny olona ny zaridainanao dia mba alainy tahaka.Efa namboly hazo foana aho fa inona moa fa ohatry ny ivy anaty ranomasina e!

Fijo> Tôko mba hendry ihany rehefa afaka ilay famosaviana nataon'olona e! :lol:
9. rhevinilsen ( 16/05/2005 12:35)
Tsara ne le mamboly ry reto e
ankoatry ny ao anjaridainay (any dago io an)izay ahitana ireo hazo fihinamboa nambolena isankarazany, zay tadidiko mihits ny nanaovako grefy azy mbola tsatokazo kely, zao efa ngeza be mahazaka andry Fijo, kally, methode hanihana.
Oay le coco sy kininina nambolenay tary @ college e!!! efa ho 5 metatra! gaga mihits zahay nandalo teo hoe tsy very maina ny fanondrahana nampanaovina anay isakin'ny sabotsy maraina sy rehefa collé.


[mora kokoa ny manimba noho ny manamboatra]
[mora kokoa ny maka tahaka noho ny mamorona]
10. ravatorano ( 17/05/2005 06:56)
tena ilaina ny mamboly fa raha tsisy fanaraha maso koamomba an io resaka fambole kazo io dia tsy lasa.Ohatra iray izao io Ivohitra ao Antsirabe io mbola kilasy fahavalo na 8 ème izahay dia efa namboly hazo teny ary mbola nisy hazo teny tamin izany.
Afaka fotoana vitsy taty aoriana ringana tanteraka ny hazoo teto ary dia isan taoana namboly hazo teny foana hatramin izaon efa misy generation telo aty aorianko mbola mamboly eny foana nefa dia izao vao mbaz misy hazo manomboka velona fa ilay taloha roapolo,folotaoana lasa maty avokoa.Ka tena ilaina ny fanarahamaso sy ny fikojakojana anazy io.
Amin izao mba ho famporisihana ny commune mahavita miady amin ny doro tanety dia misy lelavola ataon ny fanjakana fanampiny ho an izay mahavita izany.Io dia mbola tsy fantatro mazava ny vola azo.
Efa betsaka ny tetika nentina hiadiana amin ny dorotanety ary na ny nanagadran olona nanao tavy aza efa njisy fa tsy nahasakana azy izany fa mlila tetika vaovao heve"rina hahopmby amin izay angamba amin izao fotoazna izao fa tena lany ringana ny ala no sady lasa mlitevi ala dhl indray zao ny manambola.
Io izany ilay lalana mihitsy no tokony hampiarina
11. pitchou ( 23/05/2005 19:51)
kally> hihihi! njy ity mampmé! d le ramatoa ve aky efa sahirana mafy arary miola tsy ho tafatsangana intsony miteraka d mbola irahan-jy hamboly hazo? tsy mba hoe le dadan'ilay zaza ahay!

Isan'ny tanjona lehibe eto @ firenena ny ady @ doro tanety! ary misy mihitsy aza fanasokajiana ny commune arakaraka ny ny ezaka vitany mikasika an'io! raha tsy diso aho dia isan'ny condition iray hamatsiana vola hanatantarehana projet io ezaka atao io (rehefa hitako le lalana dia lazaiko eto ihany). Misy ny commune tena 0 feu @izao! Tsy tokony ho adino koa anefa fa fomba iray hikajiana ny tany firaofan'ny omby ny afo (ny olana fotsiny d matetika izy tsy voafehy!)

fa ireo ezaka rehetra ireo akory tsy midika fa afaka 5 taona dia ho afaka ny olan'ny helodranon'i Bombetoka !!!!
12. pitchou ( 23/05/2005 19:58)
ny tevy ala indray dia resaka hafa ihany koa! ary angamba kosa isan'ny vaindohan-draharahan'ny tetiukasa momba ny tontolo iainana e! izany angamba no tena antony ilana ireny valan-javaboary ireny koa?
raha ny t@ andro taloha dia ny tanana iray manontolo hoe ny gadraina raha sendra misy doro ala!ka asa na mbola mendrika ny haverina izay na tsia?

aoka aloha tsy ny doro tanety irery no omentsika tsiny! ao koa ange ny fitrandrahana volamena sy vatosoa isan-karazany e! tena mampidi-doza
13. kally ( 24/05/2005 17:57)
[quote=pitchou]
kally> hihihi! njy ity mampmé! d le ramatoa ve aky efa sahirana mafy arary miola tsy ho tafatsangana intsony miteraka d mbola irahan-jy hamboly hazo? tsy mba hoe le dadan'ilay zaza ahay!

Aiza marina moa no dia hoe ilay reny fa mba hahamora ny fanisàna azy akia ry Pitchou fa raha ny ray ve no isaina hoe isaky ny misy zaza teraka dia mandeha mamboly ny ray,ho misimisy ihany ny zaza tsy hanan-kazo sa ???:roll:
14. pitchou ( 26/05/2005 20:53)
indry kosa aky aza manao an'izany a! raha tia ny zanany ve izy tsy hamboly? sa ve hoe mody fanina? d mitombo 1 isaky ny taona nandalo tsy niraharahiny ilay zaza ny hazo voleny ka! misy tokoa manko ny sasany afaka daholo ny fasahiranana mikasika le fitezana le zaza vao misolantsolana le ranagah hoe zanako zanako! :D
15. kally ( 27/05/2005 07:53)
Ny reny akia no tena azo itokisana @ izany ,dada mihady lavaka moa i neny manatsatoka e!:lol:
16. pitchou ( 27/05/2005 13:48)
hihihi! mety ka! azo atao koa ange hoe rehefa 2 na 3 taona eo le zaza dia entina mamboly ny anjara hazony e! tena tiany an! fa tsy maintsy entina matetitetika eny izy hijery ny fitombony! raha sapin moa no namboleny tandremo sao tapahana rehefa tonga ny krismasy fa hahita raharaha an!:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1756