FISAORANA

1. naritsimba ( 06/05/2005 07:08)
Amin’ny anaran’ny fianakaviana manontolo no hisaorana anareo namana rehetra eto amin’ny namana.serasera.org tonga nanotrona tamin’ny fahalasanan’ny Raiko ny Alatsinainy 2 Mai lasa teo, Henin-kaja tokoa ny velona ary tsara levenana ny maty, koa enga anie ny soa sy ny tsara amin’izay no hiarahantsika rehetra eto fa ho lasa amin’izay ny ratsy rehetra.
Isaorana ireo namana rehetra izay tonga maro nidodododo raha vao nandre, ka tonga nampahery ary isaorana tahaka izany koa ireo namana izay nandefa fankaherezana.
Mankasitraka mankatelina anareo rehetra tompoko ny fianakaviana manontolo.
Andriamanitry ny fiadanana anie homba antsika mandrakariva ka hampitombo ny fifankatiavana misy eo amintsika rehetra.


Ny namanareo
NARITSIMBA
2. ravatorano ( 10/05/2005 06:31)
Enga anie ka mba ny fifaliana sy ny mahafinaritra hatrany no hiarahantsika eh !
:D
3. rhevinilsen ( 16/05/2005 18:02)
de mir
4. rhevinilsen ( 16/05/2005 19:11)
de mirary fiononana tanteraka izahay ho an'ny fianakaviana
de manantena mba ho lasan'zay ny ratsy
de mahereza indrindra tompoko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7089