mahasosotra, mampalahelo, mampihomehy?

1. pika ( 02/05/2005 05:27)
tsy hay intsony hoe vokatry ny fiainana sarotra ve sa ahoana fa raha namaky itony fivarotana(gargotte) itony ity mpangalatra dia tsy naka izy na sotro iray aza nefa dia misy h@ vilany tao fa ny sakafo rehetra mbola handrahoana no nalainy.
sady tezitra no nalahelo ny tompony hilaza @ polisy ve sa tsia?
novalian'i pitchou ny 13/05/2005 20:50
2. ainaheri ( 02/05/2005 06:18)
Ra ny amiko alo d araka ny nolazainao iany we sady mahasosotra no mampalahelo nefa kosa tsy anomezantsiny azy fa noho ny tsy fisiana no nahatonga azy anao izany fa tsy mpangalatra akory izy fa ra mpangalatra izy hainao ihany fa na ny lavenona aza tsy itanao tao tokony ahatonga saina ny mpitondra zay amiko tsy nagalatra izy fa noteren'ny zavamisy ohatra we 7mianaka izy d tsy misy noanina tao antrano!!!
3. rurik ( 02/05/2005 11:18)
tena marina ny anao satria misy ny ohabolana malagasy hoe raha reraka ny vatana dia mivezivezy ny fanahy.
4. mishou ( 02/05/2005 12:30)
za koa mihombon-kevitra @izay fa na izany aza ve de ray vilani na hotely no alaina fa tsy izay hatokona sa @ izay misy andro maro2, nefa koa lafo be ange ny vidina vilany fa de tsy mba nivingitra zavatra asiana azy koa lery
Tsy hita fa raha tsy mitondra mody ange hono ny mpangalatra fa nihinana teo fa noana toa heo tsy mangalatra no hilazana izay fa raha mitondra mody de azo henjehina @ lalàna ihany e
asakasak'ilay tompon' hotely aloha fa zany tantara izany ve tsy rehefa amorti indray ny vilany vao2 ho avy eo vao ho vita + frais mivezy2 manakany @ tribonaly sns... izay moa ilay fiainana gasy koa!!!!!!!! :{ :{ :{ :{ :{
5. dadabe ( 02/05/2005 13:05)
mampalahelo izy
rey razako oo,tsy ho tapaka eo io loha io ny farany
6. sonwin ( 02/05/2005 13:08)
oi indray bedada fa miantso razana klé :-D
7. sasa ( 02/05/2005 13:35)
dadabe hatraty koa ve le razana leaza fa azon'in asa elah io tato ho ato

aza manody izany noana fa dia tsy mifidy mintsy na in na in
8. iartistika ( 02/05/2005 16:28)
mba misy hisainan'ny mpitondra zany eh!efa tsy misy arapaka ny poukona de zay !!!!
9. ainaheri ( 02/05/2005 16:52)
Laozan'ny olon'nympitondra sasany manao horonantsary
veta2 nefa ny sasany aza tsy misy arapaka!!za mahafantatra olona zay tsy dia nanana loatra talohan'
ny nahazoany toerana fa zao izy hoy ianao in ny tsy ananany de zany v d tsy itan'ny ao @ fitondrana fa
ny sasany madinika iany no enjehina!!
10. pitchou ( 02/05/2005 18:54)
ka nentiny hatr@ le vilany ve aloha e? sa d naondrany fotsiny le sakafo? sao d mba olona nanao sangy ratsy kosa izany fa tsy mpangalatra!
koa raha hitory moa izany d inona le porofo satria le sakafo laniny avy teo? tsy mba hoe nisy volom-borona azo notanana akory?
11. pika ( 03/05/2005 06:13)
sakafo masaka sy manta no nentiny fa tsy nitondra fitaovana izy. eto angamba dia tokony ho taitra ny mpitondra fa hoe ho vita tsara antananarivo(lalana,..;)nefa ny mponina ao ve mba manahoana? iza no prioritaire aloha e????????
12. ndrena ( 03/05/2005 08:05)
Midika avy hatrany aloha izao zava-misy izao fa tena mbola tany mahantra ary tsy mbola be ny tsy mahita arapaka raha miandry ny rariny.Na izany aza anefa dia tsy misy tsy laitry ny zoto koa e!misy mantsy ny sasany vonona ny hamatam-bonina fotsiny.
13. pitchou ( 03/05/2005 19:12)
d nenay izao ny voninkazo no nangalariny! d be mahantra hividy ve izy ireny?
14. dadabe ( 04/05/2005 06:04)
tsy azoko le
15. fijo ( 05/05/2005 19:59)
io voalazan'i mishou io no marina.raha "maka"sakafo tsy mihera ianao,ka ny sahaza anao ihany no "nalainao"dia minoa fa tsy hovoasazy akory ianao na tratra aza.
fa raha izany iray vilany izany kosa dada,hi hi hi efa mila miantso an'i fijo ianao izany fa tsy laninao irery izany ka.
16. pitchou ( 06/05/2005 18:43)
arakaraka ny haben\'ny vilany kosa io ko! sao d maharitrafo kely?
17. fijo ( 09/05/2005 21:33)
ndry wa tsssss
18. pitchou ( 13/05/2005 20:50)
décourazy tampoka ve elah nefa efa nitelin-drora? hihihi!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1678