Mifangaro ny volana sy ny volana

1. xxx ( 29/04/2005 22:00)
Lasa ny eritreritro hoe:ahoana no ahafantarantsika ny mahasamihafa ny teny hoe "volana" (volana fenomanana)amin'ny teny hoe "volana" (tsy mivolana)?Teny iray ihany ve ireo fa ny "contexte" no manavaka azy,sa teny roa samihafa tanteraka hatrany ampihandohana?Ahoana ny hevitrareo?
2. Omby ( 30/04/2005 04:06)
Tsia teny roa samihafa ireo. ny iray(volana fenomanana) anarana izay tsy misy hifandrisany @ "fitenena" ny iray kosa(tsy mivolana) dia matoanteny matetika no ampiasaina azy ary tsy misy ifandriisany @ volana eny an-danitra. teny roa mitovy fanoratra fa samy manana ny dikany avy. misongadina hoazy izany fahasamiafana izany rehefa ao anaty fehezan-teny izy ireo: Aza mivolana fa diniho ny volana. De mba zavatra matotra andefasana saina fa tsy volana!
3. dadabe ( 30/04/2005 15:17)
kay masika mihitsy omby zany le! tsy haiko fivolana zao
4. andansonia ( 01/05/2005 07:36)
Misy teny gasy mitovy fanoratra ohatra izany tokoa, fa ny tsindrimpeo no hanavahana azy: lalana, tanana f'ireto dia mitovy ny fanoratana sy fanononana azy ka araka ny fanazavan'ny omby dia ny heviny ao anaty fehezanteny ihany no hanavahana azy
5. dadabe ( 01/05/2005 08:03)
ary ilay hoe samy hafa sy ny hoe samihafa?? misy mba mahay manazava io amiko ve fa ny ahy mifangaro ny fampiasako azy
6. Merinaforever ( 02/05/2005 11:11)
Marina fa mitovy fanoratra ny volana (lune) sy ny volana (parole) amin'ny teny Merina.Fa ny fanontaniana tsara apetraka anavahana azy dia ny hoe:inona ny fototeny avy amin'ny teny hoe:volana (lune)? Ny valiny dia ny hoe "VOLA" ka nahatonga ny teny hoe "volavola".Fantstsika fa ny Ntaolo rehefa nitondra vatsy izy satria handeha lavitra ohatra,dia nitondra vary nobolabolaina ka nantsoiny hoe "volavola".Boribory izany ny vola.Naninona nefa no lasa hoe "volana",izany hoe notovanana "-ANA"?
Mba ahazahoanareo azy tsara dia diniho ity teny iray ity:=VOLO.Rehefa tovanana ANA izy io na INA,dia lasa hoe VOLOINA.Dia lasa hoe misy volovolo ny dikany.Milaza fisiana,na toetra izany ny fanampiana azy tovana ANA na INA. Ohatra hoe "somorina",na "taimbodiana" sns.
Toy izany koa ny firafitry ny teny indonesia hoe "RAMBUTAN":ilay AN farany dia milaza fisiana ihany koa=misy ramborambony na volovolony.Tsy inona akory io rambotan io fa ilay antointsika hoe "letchi Sinoa".Ka toy izany no nahatonga ny hoe VOLANA"(lune) satria boribory toetra.Ny foto-teny eto izany dia VOLA.
Ny VOLANA (parole) kosa dia efa foto-teny tanteraka,misy ifandraisany amin'ny teny Indonesia hoe BILANG.
Ka samihafa mihitsy ny BOLA sy ny BILANG,toy ny mahasamihafa ny VOLA sy ny VOLANA.Ny ANA farany amin'ity VOLANA (parole) ity dia tsy tovana tsy akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3699