Mampataotra raha hisy tokoa ny fitokonan ny miaramila

1. ravatorano ( 28/04/2005 05:51)
Tamin ny gazety mpiseho isan andro androany no nahitako fa mety hitokona ny miaramila fa nahena ny karamany.
htpp://www.lexpressmada.com/article.php?id=31612&r=11&d=2005-04-28
Misy miteny we inn no tena asan ireo miaramila marobe eto amitsika sady tsy misy ady akory no tsy miaro ny vahoaka amin ny fananany indrindra fa amin izao dia mbola maro hatrany ny asan dahalo any ambanivohitra any ary koa mbola mihaohao hatrany ny jiolahy amin ny tanana lehibe eto madagasikara .
Ao koa ny miteny fa samy manana ny andarikiny ny miaramila ny zandary ary ny polisy.Amin izao aloha dia ny zandary no tena voa mafy amin ity fanenana karama ity satria tao amin dry zareo no nanombohana ny fampiharana izany.Ry zareo polisy indray dia nahavoa fa nakarina ary nasondrotra ny karamany izao
Io moa dia ny ao amin ny fitatanam-bolam-panjakana no tena manapaka izany ary ry zareo no mikajy ny fakana ny IGR na ny hetra alaina amin ny vatakaraman ny mpiasa rehetra.
Ka raha tena hitokona marina ny rasill d asa fa amiko aloha dia tsy azon izy ireo atao izany raha ny lalana miaramila no jerena fa manjary tsy ao intsony ilay discipline militaire nefa moa amin izao toa efa mahavita sy afaka manao izay tiany atao daholo ny rehetra sady ny filoham pirenenana rahateo nilaza fa tsy manakana ny fampandrosoana ny firenana ny fitokonana na vetivety io na lavareny.Misy ny miasa ary izaay mitokona tsy hahfaty ny vokatra azon ireo miasa izany.D ho hita eo indray izany eh !
novalian'i fijo ny 09/05/2005 21:35
2. naritsimba ( 28/04/2005 06:09)
Aleo ho avy atrehina eh!
3. manjary ( 28/04/2005 08:41)
Porofo ny tsy faiza-mitantana aton'ny fanjakana ny zvtr tahaka izao, sy ny tsy fihainona ny lon-kafa fa fiheveran-tene ho mahay nefa :evil:
4. sonwin ( 28/04/2005 13:03)
aleo hitokona fa ts olana izany...tsy misy atahorana!
5. sasa ( 28/04/2005 13:17)
olo-pirenena izy manana zo higrevy fa aleo izy mba hitaky ny zony e
6. cheboman ( 28/04/2005 20:00)
ary misy mikarama be anie ry zareo zany ra anesorana 100000ar mbola misy ho raisina ihany

inona tokoa moa ny tena asan'ny miaramila refa milamina ny tany? ny ankamaroan-dry zareo to mana- py @ kazerna no betsaka :twisted:
7. ravatorano ( 29/04/2005 12:46)
ka io v tsy ataon dry zalahy toy ny nanaovany ny reserviste eh hiyhihihihih
henjana marina anie ry lety izany hoe rasilll higreve izany eh
sady migreve izany ny basy sy ny grenade sy ny tank sy ny bazooka ireny no entina milahatra;

:evil: :evil: :evil: :evil: :evil:
8. sonwin ( 29/04/2005 13:21)
miala maina ireo e!raha higrevy izany
9. mandrindra ( 29/04/2005 13:21)
cheboman, aza atao safobe mantsina toy izany hoe rehefa milamina ny tany dia manapy ao amin'ny camps fotsiny ny rasil. Raha izay hevitra izay an ie izany no raisina dia tokony ho fohanana ny miaramila satria tsy ilaina amin'ny tany mandry e. Dia hitariko any amin'ny polisy izany hoe rehefa misy managalatra ko ve vao hanofana polisy hihaza ny mpanao ratsy.
Tsy tokony higrevy ny miaramila satria misoratra ao antin'ny lalàna mifehy azy izany. Rehefa ny tokony hanome ohatra amin'ny fanarahandalana ve no tsy manaja izany ko tsy aleo tonga dia tsy asiana fanjakana.
10. cheboman ( 29/04/2005 17:23)
mandrindra> iaho any r'ise manotany hoe inona tokoa moa no tena ataon-dry zareo ankoatra ny mana-py ao @ kazerina rehefa milamina ny tany, ary tsy misy manao safobemantsina eo fa sao de ise no mamaky en diagonal, nosoratako mazava tsara hoe "ny ankamaroany" , ny fantatro ataon'ny sasany amin-dry zareo ankoatran'io indray koa mantsy dia ny fametsifetsena ny ambanivohitra izay tokony hambenany (cf : film Mahaleo)

hoy ise : ".... tokony ho fohanana ny miaramila satria tsy ilaina amin'ny tany mandry... misy mpangalatra vao hanofana polisy...." : hoatran'ilay raisonnement hoe: raha izaho ise tsy mihinan-kanina intsony fa ho noana ihany rehefa avy eo :lol:
11. dadabe ( 30/04/2005 04:59)
hay ve misy an'ity eto e,zah tara kle .
Ny fitakiana ny zo no tokony asiana fa ny grevy angamba tsy de mnkasitraka lotra aho e,lasa tara be anie tsika gasy r'izalahy e,grevy de miarina kely de grevy de miarina kely de latsaka indray ,de.....zay foana ve ?????asa isika no aoka handinika fa raha zah klou de leo aho e
12. sonwin ( 01/05/2005 11:58)
tokony ampianarina mitaky ny zo´ny amin'ny fomba hafa izany ny gasy. de ahona leity no azo atao ohatra raha hitaky fisondrotan-karama?
13. pitchou ( 01/05/2005 15:36)
fa angaha r'ireto ny miaramila mahazo migrevy izany? angaha ny an-drizareo "xecution" d vita ny rehetra vao "réclamation"?
misy zavatra noheveriko koa aloha hoe tsy azo atao dia ny manala ny zo efa azo e! raha tsy hoe voasazy angaha!
na izany na tsy izany mitombina ihany ny fanamarihana nataon'i cheboman! efa nisy koa manko fanamarihana hoe betsaka loatra ny jeneraly raha oharina @ isan'ny miaramila!
Fa raha ny vola lany @ karamany no olana dia angamba tsy ny fampidinana izany kosa no mety ho vahaolana e! sao dia azo atao ny mampihena ny isany ohatra ka izay tena ilaina isan-tsokajiny ihany no tazomina? ny mpampianatra aza ahena ny isany nefa ireny azo atao koa hoe antoky ny fandrosona

d ahoana koa izany ny dokotera miaramila? hitokona koa? izany hoe mandika dobla ny lalana ve?
14. cheboman ( 02/05/2005 04:51)
io voalazan'i pitchou io no tena izy e, be loatra ny isan-dry zareo, ny grady sy ny karama dia betsaka ny nahazo fisondratana be vetivety nandritra ny andron'ny raikalahy taloha, ho an'izay mahay maka 19 tamin'ny fitondrana, fihetsiketsehan'ny vadimiaramila tamin'ny antoko politika sns
15. Dezy ( 02/05/2005 12:13)
ny avantages azon-drizalahy manana grady reo ve betsaka sa ahona?? any mantsy ny ana no tiako we ahena ra azo atao de ny karamany ampombo-lahy @zay tsy hanesorana ,de foanana kou ny messe @ zay tsy misotro tsony reo ambony fa refa misy manofa vao vohaina e
16. pitchou ( 02/05/2005 18:58)
tsy haiko radezy fa zà tsy miaramila!
ny hitako koa dia miaramila ambony grady an, d tsy any andakazerna izany (tsy misotro toaka) fa d manao asa hafa tsy misy ifandraisany @ maha-miaramila ... tsy hoe manenjika an'izay aho, fa tiako tsindrina hoe tsy misy ataony tsy misy ilana azy @ tafika ange izy izany e!
17. fijo ( 05/05/2005 20:09)
ngamba ny tsara dia atao toy ny aty frantsa sy angletra.atao pro ny ao fa tsy be an'isa fotsiny.amin'izay vitsy izy nefa hafaka hisahana tsara ny asany.ary afaka arindra tsara arak'izay koa ny karamany.
18. pitchou ( 07/05/2005 03:35)
handroaka olona ve izany? ko tsy vao maika hitokona rizareo?
19. fijo ( 09/05/2005 21:35)
tsy roahina ka?fa izay lasa retirety dia tsy soloina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7205